Malagasy isika

Malagasy isika Pejy ho entina hanehoana ny hakanton'ny Madagasikara sy ny tantarany. Teny Malagasy sy Frantsay

CANAL DE PANGALANENy lakandranon’i Pangalanes dia lakandrano iray mikoriana manamorona ny morontsiraka atsinanan’i Madag...
14/07/2025

CANAL DE PANGALANE

Ny lakandranon’i Pangalanes dia lakandrano iray mikoriana manamorona ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara mirefy 645 km eo ho eo. Efa tamin’ny taonjato faha-16, tamin’ny andron’ny mpanjakan’i Merina no efa nampiasana azy ity hampitohy ireo faritra saro-dalana.

Nandritra ny fanjanahatany, tamin’ny fitondrana Jeneraly Joseph Gallieni, no nanamabarana ireo renirano , farihy sy dobo hitambatra iray mba hanamora ny fifamezivezena . Nanomboka tamin’ny taona 1896 izany fanamboarana iznay ary naharitra 8 taona. Nisy ny fanitarana ny taona 1950, izay ahitana ny habeany ankehitriny io.

AMPASAMANATONGOTRA.Tanana 11km ao andrefan'i Miarinarivo(Itasy),eo amin'ny arabe mankany Tsiroanomadidy.Ny anarana hoe A...
08/07/2025

AMPASAMANATONGOTRA.
Tanana 11km ao andrefan'i Miarinarivo(Itasy),eo amin'ny arabe mankany Tsiroanomadidy.
Ny anarana hoe AMPASAMANATONGOTRA dia avy amin'ilay fasana eo afovoan-tanana;izay vato fisaka lehibe,mitaingina eo ambonin'ny tongo-bato valo,izay nasiana fasana eo amboniny.
-Nisy olona mirahalahy nonina tao amin'io toerana io.-Ilay zokiny dia mpanefoefo tokoa nefa tsy niteraka;ilay zandriny kosa dia niteraka valo,efa-dahy sy efa-bavy,nefa nahantra,tsy mba nisy nanana omby akory.
Maty taloha ilay mpanankarena ka namonoana omby be dia be natao lofo sy namokisana ny vahoaka,naseho sy nilanonana andro maromaro.Nony nahita izato firoborobon'ny vahoaka tamin'ny nandevenana ny rahalahin-drainy mpanankarena izy valo mianadahy,dia velon'eritreritra izy ny amin'izay mba hataony ho fanajana ny rainy sy ny reniny rehefa ho tonga koa ny andro ahafatesan'izy ireo.-Izao no nifanarahan'izy valo mianadahy:Ny ray aman-drenin-tsika dia tsy mba manana omby maro hilofoana sy hamahanam-bahoaka toy izao;efa laniny namelomana antsika izay rehetra azony;isika no ombiny an-kijana,volany mipetraka;isika koa anefa ity tsy manan-katao.Ny tenan-tsika no andeha hijoro hiloloha ny taolambalon'Ikaky sy Ineny mandrakizay,mba ho hitan'ny taranaka mifandimby any aoriana any fa ny zanaka tia ray aman-dreny dia mahasolo sy mihoatra lavitra ny harena be aza.Hanorina vato lava iray avy isika ho solon-tenantsika valo mianadahy,hasian-tsika vato fisaka lehibe hololohavin'ireo,ary eo ambonin'izany no hanaovan-tsika ny fasan'Ikaky sy Ineny.
Notanterahin'ireo tokoa izany,ka vitany fony fahavelon-drainy sy reniny aza, ary nony maty ireo dia naleviny teo.
Nihoraka ny ambanilanitra nahita ny hevitra sy fitiavan'izy valo mianadahy.Ny vovoky ny tenan'ilay mpanankarem-be dia mifangaroharo amin'ny vovo-tany ao anaty fasany,fa ny azy mivady maro anaka kosa dia mihaja sy mierinerina ao AMPASAMANATONGOTRA.
Firaketana.

NY FIKIRIZANA (RATSIMBA Georges)1-Mba mafy asaina ny tanimbaryKanefa mikiry ny mpiasa tany.Ny tanany miepaka, maharary.....
07/07/2025

NY FIKIRIZANA (RATSIMBA Georges)

1-Mba mafy asaina ny tanimbary
Kanefa mikiry ny mpiasa tany.
Ny tanany miepaka, maharary...
Ikirizany anefa ka vita ihany!

2-Mba sarotra lahy 'ty enti-mody,
Ny saina domelina, ny andro lany,
Kanefa ny mpianatra te-ho tody,
Rehefa mikiry dia hainy ihany.

3-Mahery ny rivotra an-tendrombohitra,
Ny lalana sarotra aoka izany,
Kanefa ny mpihanika mahatohitra
Rehefa mikiry dia tody ihany!

4-Na inona vato misakan-dalana,
Na inona entana mahavizana,
Zakako, afako miandalana
Rehefa tafiko ny Fikirizana!

Ny RAHONA RATSIMBA Georges
Ambohidrapeto, faha 29 Martsa 1954

Tsingy de Bemaraha
01/07/2025

Tsingy de Bemaraha

10/03/2024
TuléarMaro toerana mahafinaritra azo tsidihinaMalagasy isika
06/03/2024

Tuléar
Maro toerana mahafinaritra azo tsidihina
Malagasy isika

Piscine BleuParc National d'Isalo
02/03/2024

Piscine Bleu
Parc National d'Isalo

Ariary
02/03/2024

Ariary

Langoustes Madagascar
29/02/2024

Langoustes
Madagascar

29/02/2024

Gasikara TELOFANGADY

Manamboninahitriny ny Repoblika voalohanyDe g à dr: Cap Ramakavelo, Cdt Soja,cdt Raveloson Mahasampo, Col Ratsimandrava,...
26/02/2024

Manamboninahitriny ny Repoblika voalohany
De g à dr: Cap Ramakavelo, Cdt Soja,cdt Raveloson Mahasampo, Col Ratsimandrava, Cdt Andriamaholison, Lt col Joël Rakotomalala, Gal de division Gilles Andriamahazo.
Miampy ny Général de division RAMANANTSOA Gabriel,ny Capitaine de Corvette Didier Ratsiraka,ny Général de Brigade Philbert Ramarolahy

Raha ny hevitrao..Mety ve izao sa tsy mety ?.
26/02/2024

Raha ny hevitrao..
Mety ve izao sa tsy mety ?.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261339013976

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Malagasy isika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share