Sarysyfeo.actu

Sarysyfeo.actu Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Sarysyfeo.actu, News & Media Website, Antananarivo.

‼️🔥Ireo mpino silamo tonga maro nanamarika ny Aïd EL-ADHA têtsy amin'ny Village touristique Mahajanga androany maraina.
27/05/2026

‼️🔥Ireo mpino silamo tonga maro nanamarika ny Aïd EL-ADHA têtsy amin'ny Village touristique Mahajanga androany maraina.

‼️🔥Zokiolona marefo miisa 500 nisitraka fampiana ara-tsosialy avy amin'ny ftondram-panjakana tao Mahajanga, nandritra ny...
27/05/2026

‼️🔥Zokiolona marefo miisa 500 nisitraka fampiana ara-tsosialy avy amin'ny ftondram-panjakana tao Mahajanga, nandritra ny fandalovan’ny Filohan’ny Fanavaozana mivady tany an-toerana.
Ao anatin’ny hetsika “Iray volana ho an’ny fiahiana ara-tsosialy”, isika ankehitriny, ny fanampiana dia nahitana :
🌾 Vary 25 kg
🍚 Siramamy 1 kg
🛢️ Menaka 1 litatra
🧼 Savony 3 vongany

‼️🔥Hatao sorona androany amin’ny Aïd al-Adha ity omby antsoin’ny olona hoe “Donald Trump” malaza be any Bangladesh ity. ...
27/05/2026

‼️🔥Hatao sorona androany amin’ny Aïd al-Adha ity omby antsoin’ny olona hoe “Donald Trump” malaza be any Bangladesh ity. Milanja 700 kilao izy ary noho ny volony sy ny bika aman’endriny no nahatonga ny olona nametaka an'io anarana io.

‼️🔥🚨 Fiara Volkswagen vaovao no nirehitra tampoka teny Antsakarivo omaly hariva.  ➡️ Hatreto dia mbola tsy fantatra maza...
26/05/2026

‼️🔥🚨 Fiara Volkswagen vaovao no nirehitra tampoka teny Antsakarivo omaly hariva.
➡️ Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana.
🎥 Aina Fehizoro

‼️🔥Nolavalavahana ny beton armé etsy amin'ny Coliseum Antsonjombe hanamboarana ny VALA hanaovana ny FESTIVAL SAVIKA izay...
26/05/2026

‼️🔥Nolavalavahana ny beton armé etsy amin'ny Coliseum Antsonjombe hanamboarana ny VALA hanaovana ny FESTIVAL SAVIKA izay hatao ny 31 Mey izao.
Niteraka resabe izany ary nanambara ny Minisitry ny Serasera, Gascar Fenosoa fa tsy maintsy hisy ny fanambarana ho ataon'ny fitondram-panjakana manoloana izany.

‼️🔥« Manomboka androany aoka mba tsy hisy intsony ny hoe izahay avy amin’ny faritra, na izahay avy eto Afovoan-tany, na ...
26/05/2026

‼️🔥« Manomboka androany aoka mba tsy hisy intsony ny hoe izahay avy amin’ny faritra, na izahay avy eto Afovoan-tany, na izahay Sinoa, na Karana, na Vazaha, na avy any ivelany na diaspora… fa isika rehetra dia Malagasy ary iray ihany isika. » hoy ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniako, nandritry ny fandraisam-pitenenany tao Mahajanga. Niantso ny Filohan'ny Fanavaozana izy mba hampiray ny Malagasy rehetra mba tsy hisy fanavakavahana intsony.
Manantanteraka fitsidiham-paritra any amin'ny faritra Boeny ny Filohan'ny Fanavaozana, Kol. Michael Randrianirina mivady sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.
📷 PRRM

‼️🔥Ankizivavy roa no voadonan’ny fiaran-dalamby raha nitsangatsangana teo amoron’ny lalamby tetsy Soanierana androany. N...
25/05/2026

‼️🔥Ankizivavy roa no voadonan’ny fiaran-dalamby raha nitsangatsangana teo amoron’ny lalamby tetsy Soanierana androany. Naratra mafy izy ireo, ka isan’izany ny fahatapahan’ny tanana sy tongotra.
Nentina haingana any amin’ny hopitaly izy ireo mba hotsaboina ary andrasana ny vaovao ofisialy mikasika ny toe-pahasalamany.

‼️🔥Tahaka izao ny fitohanan'ny fiara tao Ampefy omaly hariva. Betsaka ireo olona tonga miala sasatra sy mitsangantsangan...
25/05/2026

‼️🔥Tahaka izao ny fitohanan'ny fiara tao Ampefy omaly hariva. Betsaka ireo olona tonga miala sasatra sy mitsangantsangana any an-toerana rehefa fety tahaka izao.
📷 Nambinina

‼️🔥 Tonga manao fitsidihana eto Madagasikara i Buffon, mpiandry tsatoby Italiana.Isan'ireo nahazo fanasana ary nanatrika...
24/05/2026

‼️🔥 Tonga manao fitsidihana eto Madagasikara i Buffon, mpiandry tsatoby Italiana.
Isan'ireo nahazo fanasana ary nanatrika fety teny amin’ny temple etsy Andranovelona izy, anton’izao fahatongavany eto Madagasikara izao.

‼️🔥Nodimandry i Kevin, mpamokatra avy ao amin’ny MadaGhost, fantatra tamin’ny fandraisany anjara lehibe tamin’ny famolav...
24/05/2026

‼️🔥Nodimandry i Kevin, mpamokatra avy ao amin’ny MadaGhost, fantatra tamin’ny fandraisany anjara lehibe tamin’ny famolavolana sy fanohanana ny asan’ireo mpanakanto maro, isan’izany WADA & Yoongs, Malm Martiora, Berrizz’jah, Mackinley Music, sy ny maro hafa. Izy ilay tsy niseho mihitsy fa nanao Mask tanaty rakintsarin'ireo artista ireo.

‼️🔥 Fiara be mpitatitra entana iray nirehitra ary tsy nisy azo raisina intsony tao Beforona. Mbola tsy fantatra ny nahat...
24/05/2026

‼️🔥 Fiara be mpitatitra entana iray nirehitra ary tsy nisy azo raisina intsony tao Beforona. Mbola tsy fantatra ny nahatonga ny firehetana.

Address

Antananarivo

Telephone

+262692113189

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Sarysyfeo.actu posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share