20/11/2025
IZAY TENENINA DIA TANTERAHINA !
⏯️ Fanamby iray hafa no tontosa soa aman-tsara.
Manomboka izao, ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no mitantana sy miandraikitra ara-teknika ny kianja BAREA SA.
➡️ Ity fanapahan-kevitra ity dia navokan’ny Filankevitry ny Minisitra tamin’ny 19 Novambra 2025, izay manamafy ny fandraisan’ny Ministera ny andraikitra amin’ny fitantanana ara-teknika ny orinasa mpiahy ny kianja.
🛐 Tanjona mazava: hanome sehatra manara-penitra ho an’ny Atleta Malagasy, ary hanatsara ny fotodrafitrasa ho tohan’ny fampandrosoana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
➡️ Dingana manaraka: fandefasana ny fangatahana eny anivon’ny CAF ho fanamarinana ofisialy ny kianja.