21/05/2025
TADIDIO FA TSY OHATR'IZAO FOANA NY FIAINANAO ...
✋ Izaho taloha tena hoe mbola resin'ny tsy finoana : tsy misy izany Andriamanitra izany, angano angano izany Jesosy izany.
✋ Ankehitriny kosa, tsy misy maha-ozongozona ny finoako : satria hitako ny fiainako tsy NISY AZY, sy ny fiainako MISY AZY.
✋ Omen'I Jesosy DIKANY indray ny fiainanao. Une fois ianao manakaiky Azy, omeny nofinofy, omeny faniriana, hitenenany, ovainy, ampahereziny.
✋ Tsy tonga hampivoatra ny fiainanao fotsiny Izy fa tonga hampitsimbadika tanteraka ny tantaram-piainanao. Ataony tena miharihary mihitsy ny tsy mampitovy ny fiainana MISY AZY sy TSY MISY AZY.
✋ Tsy voatery ara-materialy fotsiny, fa ny ao anatinao rehetra ao mihitsy no feno FIAINANA.
Entin'I Jesosy amin'ny voninahitra mankany amin'ny voninahitra ny fiainanao sy ny fiainan'ny ankohonanao. Hitako ny fiainana feno fahotana, lolom-po, fizahozahoana, ARY hitako ny fiainana feno fahamarinana, fahamasinana, fifanakaikaizana amin'Andriamanitra.
MIFANOME FOTOANA ISIKA, fitomboana, fiovàna, fisandratana, HERY, fifaliana, fiadanana, fahatokiana, finoana mitombo hatrany, ary FIAINANA MANDRAKIZAY eo anilany.
Tahin'I Jesosy daholo, dia tadidio farany : Fisedrana (fanamboarana) 👉 Fitsapàna 👉 Goliata (attaques tampoka, miha-mafy tampoka ny zavatra rehetra rehefa teny akaiky valim-bavaka)👉 VALIM-BAVAKA na TANY KANANA. Tsy natao hijanona ela anaty fanamboarana, fisedrana, fitsapana na Goliata ianao fa làlana andalovana io raha mankatoa tsara foana.