Le Quotidien

Le Quotidien Vaovao marina hatrany

❌ URGENT ❌RN6, 5km miala an'i Boriziny hihazo an'Antsohihy. Nisy nangalatra efa ela ilay bizo.✅ Tamin'ny febroary 2022 n...
02/12/2023

❌ URGENT ❌

RN6, 5km miala an'i Boriziny hihazo an'Antsohihy. Nisy nangalatra efa ela ilay bizo.

✅ Tamin'ny febroary 2022 no hoe hamboarina satria, tonga nijery teo ny sefo distrika sy ny mpitondra tamin'izay.

✅ Hatramin'izao anefa, mbola io izy io. Ho avy izao ny orana dia hirodana ilay lalana.

✅ Mandram-piandry izay olona homena tsiny aloha (tahaka ny mahazatra😳) dia, aleo amboarina io fa hamono olona.

📷 George Ratinarivelo

⛔ FANAOVANA SY FAMPIASANA HOSOKA ⛔✅ Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka tamina tsenam-barom-panajakana izay nanomezana...
01/12/2023

⛔ FANAOVANA SY FAMPIASANA HOSOKA ⛔

✅ Fanaovana hosoka sy fampiasana hosoka tamina tsenam-barom-panajakana izay nanomezana tombontsoa orin'asa sy mpivarotra tsy nisy akory.

💵 Volam-panjakana hatrany amin'ny 113 951 000Ar no voaodina tamin'izany nanomboka ny taona 2020 ka hatramin'izao.

✅ Fandroahana vacataires ka nampidirana ny vadiny sy ny anabaviny tamin'ny toeran'ireo voaroaka

✅ Rehefa natolotra ny Fitsarana androany dia nahiditra amponja vonjimaika ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak'asa eto Menabe sy ireo olona roa izay mpitantana orin'asa tsy misy (fournisseurs fictifs)

✅ Naraharin'ny Fitsarana maso kosa ny lehiben'ny fitantanam-bola sy ny mpiandraikitra ny Tsenam-baro-panjakana (SAF, PRMP)

✅ Nahazo fahafahana vonjimaika ny vadin'ingahy Tale sy ireo mpiasa izay mpikambana tao amin'ny "Commission d'Appel d'offre".

✅ Tsy eto an-toerana sady tsy mbola nandray ny asany kosa ny anabavin'ingahy Tale nefa nanomboka tamin'ny mars 2022 no tafiditra ho mpiasa tao @ DRETFP ka nandray karama foana hatramin'izao.

Bianco Morondava

Ity ary ilay lalao farany nareo no mitady ny chiffre farany
30/11/2023

Ity ary ilay lalao farany nareo no mitady ny chiffre farany

30/11/2023

Atao direct indray ny fikikisana ny anakiray ary vonona daoly ve?

⛔ BASKETBALL 3*3 ⛔✅ Tongasoa any Egypte ny ekipam-pirenena Malagasy, Ankoay vehivavy sy lehilahy hiatrika ny Coupe d'Afr...
30/11/2023

⛔ BASKETBALL 3*3 ⛔

✅ Tongasoa any Egypte ny ekipam-pirenena Malagasy, Ankoay vehivavy sy lehilahy hiatrika ny Coupe d'Afrique Basketball 3*3 izay hanomboka rahampitso.

🏀 Efa nanomboka nikotrana avy hatrany moa izy ireo omaly hariva taorian'ny fahatongavana.

(Sary indrana)

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Le Quotidien posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share