Olivasoa 91Fm

Olivasoa 91Fm Ilay mameno ny banga amin'ny fiainanao anarahanao toriteny fampaherezana hira fiderana ankafizinao

12/07/2026

👂"Mba Henoy kely izahay, ..." Genesisy 43:20a

📻Anisany fitaovana iray hampiasain'Andriamanitra hikasihana sy hanovana olona ihany koa ny radio, izany no antony hivoizana hatrany ny
🎬FANDAHARANA LOHARANON'AINA ao Olivasoa 91Fm.

💌Fandaharana mizara ny fitiavan'i Jesosy sy ny fiainan'ireo mpanompon'Andriamanitra miaraka amin'i Jesosy

Raha mahaliana anao dia rahampitso amin'ny 09 ora ary ny fotoana e! Sokafy ny 91fm Olivasoa Radio

24/05/2026

Finaritra isika ankohonana,

Maneke foana ho tarihan'ny Fanahy Masina mba ho liana hihaino zava-panahy 👉🏼👉🏼 ny 🫧 "Fandaharana LOHARANON'AINA"ao Olivasoa 91Fm , rahampitso @9 ora - 10.20 ora, na dia rediffusion aza no ho renesintsika, mino aho fa misy fampianarana azontsika raisina foana

🍁Koa ny finoana dia avy amin'ny toriteny ary ny toriteny dia avy amin'ny Tenin'i Kristy🍁. Romana 10:17

12/04/2026

🎧📻🎙️FANDAHARANA LOHARANON'AINA

Salamo 36:9 👉🏼 "Fa ao Aminao no misy loharanon'aina; ny fahazavanao no hahitanay fahazavana"

Jesosy ilay loharanon'aina 💧sy fahazavana ✨eo amin'ny fiainantsika. Raha mino izany ianao dia ho tonga aminao izany araka izay hinoanao❤️

Ny mpanompon'Andriamanitra dia tena manaiky ho fitaovana hampiray tanteraka anao amin'i Jesosy amin'ny alalan'ny fizarana fiainana sy fampianarana ny Tenin'Andriamanitra

💌Sokafy ny 📻radio anao
📅rahampitso 13/04
henoy ny 🎧 Olivasoa 91Fm
🕰️09 ora

29/03/2026

🌱FANDAHARANA LOHARANON'AINA🌱

Loharanon'aina tovozin-tsy ritra ny Tenin'Andriamanitra, tsy ho reraka ihany koa ny mpanompon'Andriamanitra eto amin'ny Fanahy sy Fiainana mizara izany loharano izany aminao.

Henoy ny Olivasoa 91Fm, handre fampianarana sy fizarana fiainana ianao.

💧Fa izahay kosa mitory an'i Kristy voahombo tamin'ny hazo fijaliana 💧— I Korintiana 1 : 23

05/02/2026

Manana Ray tena tia antsika isika 😊
Ray azontsika antsoina sy atonina atonina tsy misy tahotra, amin’ny fotoana rehetra.

💬 « ENDREY! manao ahoana ny FITIAVANA nasehon’ny Ray ho antsika,
dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra,
sady izany tokoa isika! »
— 1 Jaona 3:1

🎧 Andao hiaraka hankafy Azy :
Rainay ô - CTM (Our Father)

Address

VT 9 Ankaditapaka Haute Ville
Antananarivo
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Olivasoa 91Fm posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Olivasoa 91Fm:

Shortcuts

Share

Category