Info Culture Media 2.0 - FM 104.8

Info Culture Media 2.0 - FM 104.8 Un média à vocation citoyenne, éducative et culturelle.

🛎Ho vahinin'ny fandaharana Zara Hevitra ny Alatsinainy 07 Jolay 2025 : Atoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO  - Solombavambaho...
05/07/2025

🛎Ho vahinin'ny fandaharana Zara Hevitra ny Alatsinainy 07 Jolay 2025 : Atoa Siteny RANDRIANASOLONIAIKO - Solombavambahoaka Toliara I , Filoha lefitra fahafito ny Antenimieram-pirenena no sady Filoha mpiara mitantana FIRAISANKINA.

Hivantana eto amin'ny pejy Info Culture Media 2.0 - FM 104.8 sy ny Onjam-peo 104.8 Fm amin'ny 12h15 atoandro.

05/07/2025

📌"Isika tsy mpanao botolo ka hamaky ady amin’i Lafrantsa hitaky ireo Nosy manodidina...": Hoy i Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

▶Manana fehin-kevitra roa isika manome rariny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka tsy hiverina amin’izany intsony ny adihevitra hamerenan’i Lafrantsa ireo Nosy manodidina hoy ny loholona Lalatiana Rakotondrazafy sady isan’ireo delegasiona nakany Frantsa.

▶Tsy hamaky ady amin’ny firenena Frantsay ihany koa anefa fa manaraka ny voafaritra io fehin-kevitra io , izay isany efa nanamafy izay i Professeur Raymond Ranjeva hoy i Lalatiana Rakotondrazafy.

04/07/2025

📌 "Mbola mety sy zakan'ny vahoaka Malagasy ihany ve izao zava-misy eto Madagasikara izao? ": Hoy i Marc RAVALOMANANA

04/07/2025

📌Nosy manodidina : Efa ireo rafitra iraisam-pirenena no manome rariny an'i Madagasikara amin'ny tokony hamerenan'i Lafrantsa ireo nosy ireo hoy ny loholona Lalatiana RAKOTONDRAZAFY .

04/07/2025

📌Alain ANDRIAMISEZA : "Mitaky fanovana hafahana miroso any amin'ny fampandrosoana ny firenena manoloana izao olam-bahoaka izao "

radio 2025

04/07/2025

FANDAHARANA : TSY MANAIKY LEMBENANA Zoma 04 Jolay 2025

Entanin'i Baba Rakotoarisoa, Lily Rafaralahy ary Clémence Raharinina.
Antso mivantana : 038 65 116 07
📻104.8 Fm

📌Rasata Rafaravavitafika : "Tsy tokony handray fanapahan-kevitra  manokana mikasika ireo Nosy manodidina ny firenena Fra...
04/07/2025

📌Rasata Rafaravavitafika : "Tsy tokony handray fanapahan-kevitra manokana mikasika ireo Nosy manodidina ny firenena Frantsay..."

▶Taboka maro no nangatahan’ireo delegasiona Malagasy notarihin’ny ministry ny raharaham-bahiny Malagasy nihaona tamin’ireo delegasiona Frantsay notarihin’ Atoa Jean-Noël BARROT , minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay . Naroson’ny Frantsay nandritra ny fihaonana ny fomba hiaraha-miasa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zavamananaina, fikarohana siantifika ao amin’ireo Nosy sy ny fizahantany ary ny fiarovana ireo fari-dranomasina mba hiadiana amin’ny jono tsy ara-dalàna.

▶Tetsy ankilany ihany koa dia nanao antso amin’ny hafahan’ireo mpanjono Malagasy miditra ao amin’ireo Nosy ireo ny delegasiona Malagasy sy ny hafahan’ireo mpahay siansa eto Madagasikara manao fikarohana . Tsy tokony handray fanapahan-kevitra manokana mikasika ireo Nosy ireo hatreto ny firenena Frantsay araka ny tatitry ny ministeran’ny raharaham-bahiny Malagasy androany . Nangatahan’i Madagasikara ny hisian’ny tondrozotra Mazava hanatanterahana ireo dingana rehetra hamahana ny olana .

▶Raha tsiahivina , miisa efatra ireo Nosy manodidina izay vaofaritra fa an’i Madagasikara saingy mbola eo ambany fanarahamason’ny firenena Frantsay dia ny Nosy Glorieuses, Juan de Nova, Europa ary Bassas da India . Mbola hisy ny fihaonana manaraka eo amin’ireo « commission mixte Franco-Malagasy » hotanterahana eo Madagasikara.

radio 2025

📌"49745 no vato azoko teto Ambohimahasoa ka mendrika valiana fitiavana izany": Hoy i Andry RAJOELINA ▶Andro faharoa tami...
04/07/2025

📌"49745 no vato azoko teto Ambohimahasoa ka mendrika valiana fitiavana izany": Hoy i Andry RAJOELINA

▶Andro faharoa tamin’ny fitsdihana tanterahan’ireo delegasiona tarihin’i Andry Rajoelina any amin’ny faritra Mahatsiatra Ambony ny anio izay nitokana ny hopitaly manaram-penitra tao Ambohimahasoa sy nizara vatsy tsinjo hoan’ireo mponina tao an-toerana no nanombohana izany . Fitia mifamaly ny amiko sy ny vahoakan’ Ambohimahasoa tamin’ny fandresena nomeny ahy tamin’ny fifidianana hoy i Andry Rajoelina .

▶Vato 49745 no azony tao Ambohimahasoa izay ambony indrindra tao amin’ny faritra Mahatsiatra Ambony raha nitaha tamin’ny tao Fianaranatsoa , Ikalamavony, Vohibato, Ambalavao , Isandra ka nisaotra ireo vahoaka i Andry Rajoelina .Hitohy ny asa fampandrosoana sy ny fijerena ny lafin’ny sosialim-bahoaka amin’ny alalan’ireo kara-pokotany vaovao ho zaraina .

▶Anio amin’ny 04 Ora folakandro kosa no hitokana ny Coliseum ao Ambatomena i Andry Rajoelina, izay arahina fampisehoana ka hofaranana amin’ny afomanga .

radio 2025

📌Kolikoly : Tsy mandray mivantana ireo fitorohana eny amin’ny tambazotran-tserasera ny BIANCO.▶Mety ho fanalambaraka no ...
04/07/2025

📌Kolikoly : Tsy mandray mivantana ireo fitorohana eny amin’ny tambazotran-tserasera ny BIANCO.

▶Mety ho fanalambaraka no ambadik’ireny ampamoaka mikasika ny kolikoly eny amin’ny tambazotran-tserasera ireny ka ilaina ny fitorohana amin’ny alalan’ny fandrafetana an-tsoratra ilay tranga aty amin’ny BIANCO hoy ny tale jeneralin’ny BIANCO . Nahitana fitarainana be indrindra tamin’ny tambazotran-tserasera ny teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ka nisy ny fametrahana biraon’ny BIANCO teny an-toerana ary nahitana fahombiazana izany .

▶Maro ireo fitarainana voarain’ny BIANCO saingy tsy voatery ho tranga kolikoly ary mandroso vahaolana amin’ireny ny BIANCO hoy hatrany i Razakamanantsoa Gaby Nestor. Nanao ezaka ny teo anivon’ny BIANCO tamin’ny fampafatarana sy fanabeazana ny olona mikasika ny tranga kolikoly , izay lasa misy nitombo ny kalitaon’ny fitarainana ka nahomby ny fampafatarana natao .

radio 2025

03/07/2025

📌Siteny RANDRIANASOLONIAIKO: "Tao anatin’ny fahamendrehana tanteraka ny antso natoan’ireo mpiasan’ny JIRAMA tamin’ny mpitondra ."

▶Tokony hahay hiaino ireo mpiasan’ny JIRAMA mivondrona ao amin’ny TAMBABE ny mpitondra fanjakana hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena , Siteny Randrianasoloniaiko. Tao anatin’ny fahamendrehana tanteraka ny antso nataon’ireto mpiasan’ny JIRAMA ireto tamin’ny ny mpitondra manoloana ilay SATA vaovao.

▶Ny mpiasa ihany no tsara toerana afaka hitondra fanazavana amin’ny maha tsy mety ny andininy ao anatin’ilay SATA hoy i Siteny Randrianasoloniaiko . Tsy tokony hatoan’ny mpitondra fanjakana ala olana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra misy amin’izao fotoana anefa ity fitokonana ity .

📌BEPC Ambatondrazaka : Nisy  "fuite de sujet" ny taranja Physique Chimie.▶Nivoaka nialohan’ny fotoana ny laza adina tami...
03/07/2025

📌BEPC Ambatondrazaka : Nisy "fuite de sujet" ny taranja Physique Chimie.

▶Nivoaka nialohan’ny fotoana ny laza adina tamin’ny fanadinam-panjakana BEPC ho an’ny taranja Physique Chimie tao Ambatondraka omaly . Nitovy tsy nisy valaka tamin’ny laza adina nivoaka mialoha ilay laza adina nanadinana ireo mpiadina hoy ny solombavambahoaka ao Ambatondrazaka sady filohan’ny vomieran’ny fanabeazana ao amin’ny antenimieram-pirenena .

▶Tsy nisy ny laza adina faharoa izay fiandry anefa tao Ambatondrazaka araka ny nambaran’io solombavambahoaka io. Miantso ny praiminisitra hanao fitsirihana ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena manoloana izao gaboraraka misy izao araka izany ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre.

03/07/2025

📌Ady amin'ny kolikoly : Miiisa 15 ireo taratasy mihitsoka ao amin'ny antenimieram-pirenena , izay fiampangana ireo olona ambony nanao kolikoly ka ilana ireo solombavambahoaka amin'ny fankatovana izany hoy ny filohan'ny CSI androany .

Address

Lot 107 G Ter Ambohibao Antehiroka
Antananarivo
105

Telephone

+261343177518

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Info Culture Media 2.0 - FM 104.8 posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Info Culture Media 2.0 - FM 104.8:

Share