MGM Application

MGM Application Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from MGM Application, Digital creator, ITAOSY, Antananarivo.

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity herinandro vaovao ity, sady fanaovam-beloma ny volana Jona๐Ÿ˜‰๐Ÿ˜‰Hatramin'ny nisian'...
30/06/2025

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ity herinandro vaovao ity, sady fanaovam-beloma ny volana Jona๐Ÿ˜‰๐Ÿ˜‰

Hatramin'ny nisian'ity produit iray ity tao amin'ny application dia tsapanay fa miverina mividy avokoa ireo izay efa nanjifa teo aloha. Ary rehefa anontaniana dia milaza fa tena efficace ilay SHAMPOING amin'ny fanamafisana ny volo sy fampaniriana ny mihintsana.

Noho izany dia nanafatra indray isika mba ho fanomezana fahafahampo hoanareo, ary efa tonga ny entana. Misy mangetaheta te hanao revendeur ao amin'ny MP ao, saingy misy fepetra momban'izay na dia afaka atao tsara aza.๐Ÿ™

Jereo anie ny commentaire voalohany fa misy santionany resadresaka tam client e ๐Ÿ˜‰๐Ÿ˜‰

Mirary herinandro feno fahasalamana sy fahasoavana hoantsika rehetra ny

Ity tononkalon'i RADO ity no hoentinay hiarahabana antsika Malagasy rehetra amin'izao faha 65 taona ny fahaleovantena iz...
25/06/2025

Ity tononkalon'i RADO ity no hoentinay hiarahabana antsika Malagasy rehetra amin'izao faha 65 taona ny fahaleovantena izao. Dia mirary asaramanitra feno fifaliana hoantsika rehetra.

Ny Fahaleovantena dia tsy natao mihitsy
hoenti-kahasambatra fiainanโ€™olom-bitsy.
Fa Fahaleovantena tsy manam-piangarana
hampigoka mamy ny isam-baravarana

Ny Fahaleovantena : tsy trosa tsy miato
iandrandrana vola avy any Dilambato
Fa ezaky ny tena mitohy tsy mety lanaka
tsy haharaiki-trosa ny hoavinโ€™ny taranaka

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezan-dasy
ny teninโ€™ny vahiny hasolo Teny Gasy
Fa Fahaleovantena derainโ€™ilay mitazana
hanandratra ambony ilay Fitenin-drazana

Ny Fahaleovantena : tsy haitraitran-javona
ka iambonian-tenarakofana avonavona
Fa fanetrena tena hitovy aminโ€™ny hafa
Miaraka misaina, miaraka mitafa

Ny Fahaleovantena : tsy endrika sodokanโ€™
ny fiheverantena ho mahavita tokana
Fa hevitry ny maro mitapatapakโ€™ahitra
ny hoavim-pirenena hitera-boninahitra

Ny Fahaleovantena : tsy fanomezam-bahana
ny hevitra-vahiny hanjaka an-kalalahana
Fa Fahaleovantena mivimbina hamiratana
hanaja ny anโ€™ny tena ho any avara-patana

Ny Fahaleovantena : tsy fitadiavan-tehaka
na horaka mandainga mba hampidehadehaka
Fa Fahaleovantena tsy andokafan-tena
fa fantatra eny ihany izay tia ny firenena

Ny Fahaleovantena : tsy hoe ianao mitsako,
fa ny vahoaka kosa mitrongy anaty fako
Fa Fahaleovantena ahitana toky
ka ny maroanisa no sambatra sy voky.

Ny Fahaleovantena : tsy vola fafy katrana
hividiananโ€™olona ho sandam-pisandratana
Fa Fahaleovantena mitana fahamarinana
hitaiza ny vahoaka tsy ho any am-pivarinana

Ny Fahaleovantena : tsy laza vady bainga
am-pielezam-peo, kanefa tranon-dainga
Fa Fahaleovantena milaza ny ao an-tranony
tsy misy laingalainga na mila ranondranony

Izany ka izany no Fahaleovantena
niadianโ€™ny razantsika sy namonoany tena,
nidirany tam-ponja, niaretan-tsesitany,
namoizany ny hareny, namoizany ny rany

Anefa raha tsy izany no Fahaleovantena
iainantsika etoana, fa toa fitiavan-tena
sahia ka mijoroa hiady ho anโ€™ny marina
mandra-pahatratra ny tanjona hotratrarina.

RADO 1991

MGM Application

Salama daholo ny mpanaraka ny MGM Application ๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜.Raha miditra ao amin'ny HORIZON ITAOSY ianareo,  dia aza adino ny mits...
04/06/2025

Salama daholo ny mpanaraka ny MGM Application ๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜.

Raha miditra ao amin'ny HORIZON ITAOSY ianareo, dia aza adino ny mitsidika ny boutique MGM mba afahanareo mifampiresaka mivantana aminay. Sy ametrahanareo ireo fanontaniana rehetra izay manitikitika anareo mahakasika ny Application ๐Ÿ™.

Ankoatr'izay mantsy dia misy service hafa ihany koa mety mahaliana anareo ao.

Mirary Larobia lavorary hoantsika rehetra ๐Ÿ™


07/03/2025
๐Ÿพ๐Ÿพ๐Ÿพ๐Ÿป Tongasoa foana 2025 miaraka amin'ny MGM.VILANY BE misy hatramin'ny 60cm,  oui 60cm mitsy amin'ilay mazaka kisoa ira...
18/02/2025

๐Ÿพ๐Ÿพ๐Ÿพ๐Ÿป Tongasoa foana 2025 miaraka amin'ny MGM.

VILANY BE misy hatramin'ny 60cm, oui 60cm mitsy amin'ilay mazaka kisoa iray ๐Ÿ˜‰๐Ÿ˜‹

23/01/2025

Beaucoup dโ€™entre vous ont demandรฉ comment ouvrir un compte MGM et comment activer MGM MONEY.

Voici la vidรฉo. Nous vous invitons ร  continuer ร  partager pour aider d'autres amis. ๐Ÿ™




11/01/2025
11/01/2025

Rehefa vanim-potoanan'ny andro ratsy toy izao dia ilaina ny mifampizara ny vaovao mahakasika izany mba ho fanampiana ireo izay tsy afaka manaraka vaovao.

Aiza hoaiza i DIKELEDI zao ?????

2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃ2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃMiarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona vaovao 2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃ izao.Mino izahay fa samy manana ny tanjo...
10/01/2025

2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃ
2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃ

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao taona vaovao 2โƒฃ0โƒฃ2โƒฃ5โƒฃ izao.

Mino izahay fa samy manana ny tanjona tiany ho tratrarina daholo isika amin'ity taona ity. Mirary izany ho tanteraka soa aman-tsara izahay eto amin'ny MGM.

Fa amin'izao taona vaovao izao dia sokafy ny APPLICATION anareo fa misy an'ireto entana vaovao be sy tsara be ireto ao amin'ny ESHOP. Ampahany ihany ireo, fa ao anatin'ny application ianareo mahita ny prix any mora be tsy mampino sy ny detail rehetra.

๐Ÿ’ฐ๐Ÿ’ฐ๐Ÿฅ€๐ŸŒฑ๐ŸŒฑ Mirary taona mamokatra sy feno fahasalamana hoantsika rehetra ny MGM




-shop

06/01/2025

"En cette nouvelle annรฉe, recevez tous nos voeux de bonheur, de santรฉ et de rรฉussite. Que l'annรฉe qui commence soit pleine de joie et de sรฉrรฉnitรฉ. Recevez nos meilleures pensรฉes."



23/12/2024

๐ŸŒฒ๐ŸŒฒ๐ŸŒฒ๐ŸŽ„๐ŸŽ„๐ŸŒฒ

Ora tokoa sisa no isaina dia tonga ny Krismasy 2024. Amin'ny ankapobeny ny Krismasy dia fety natao hiaonan'ny ankohonana ary miaraka mankalaza izany ny Ray aman-dreny sy ny zanaka.

๐Ÿ‘‰ Ianao ve mankalaza Krismasy ?

Indramintsika ity hiran'i
๐Œ๐š๐ซ๐ข๐š๐ก ๐‚๐š๐ซ๐ž๐ฒ - ๐€๐ฅ๐ฅ ๐ˆ ๐–๐š๐ง๐ญ ๐Ÿ๐จ๐ซ ๐‚๐ก๐ซ๐ข๐ฌ๐ญ๐ฆ๐š๐ฌ ๐ˆ๐ฌ ๐˜๐จ๐ฎ
ity mba hanamarihantsika izany Krismasy izany๐Ÿ˜

Ny ๐Œ๐†๐Œ ๐€๐๐๐‹๐ˆ๐‚๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ dia mirary Krismasy sambatra hoantsika rehetra.



Send a message to learn more

Andro tokoa sisa no hisaina dia hiova ho ๐Ÿฑ ny ๐Ÿฐ misoratra eo amin'ny taona itsahintsika ity ๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜ŠMihazakazaka ny fotoana, a...
14/12/2024

Andro tokoa sisa no hisaina dia hiova ho ๐Ÿฑ ny ๐Ÿฐ misoratra eo amin'ny taona itsahintsika ity ๐Ÿ˜Š๐Ÿ˜Š

Mihazakazaka ny fotoana, ary tena mandalo vetivety.

Sorato sy homano dieny zao ireo tanjona ho tratrarina amin'ny taona hoavy ๐Ÿ˜‰๐Ÿ˜‰

๐Ÿ‘‰ Raha mbola tsy mahafantatra ny ๐€๐๐๐‹๐ˆ๐‚๐€๐“๐ˆ๐Ž๐ ๐Œ๐†๐Œ ianao amin'izao dia manasa anao hanaraka ny pejy https://www.facebook.com/mgm.application2020

Na fantaro avy amin'ny fijerena vidรฉo maromaro ao amin'ny chaรฎne youtube https://www.youtube.com/watch?v=sPOt-zGI_fs&list=PLX-Twi70aKZ5YEz3Q61Sdi0mi-W5J4gKL

Mirary faran'ny herinandro mahafinaritra hoantsika rehetra

Address

ITAOSY
Antananarivo
102

Telephone

+261345190833

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MGM Application posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to MGM Application:

Share