Tokotelo MADA

Tokotelo MADA À Madagascar, l'actualité ne cesse de bouger.

Entre décisions politiques locales, défis économiques et initiatives, les Malgaches gardent un œil attentif sur tout ce qui se passe dans le pays.

03/08/2026

Toamasina : May manodidina ny 90 %-n’ny tsena Bazary Kely, mitohy ny famonoana afo

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny tsena Bazary Kely, Toamasina, ny alina teo. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana dia manodidina ny 90 %-n’ny tsena no efa may, araka ny tombana vonjimaika.

Efa tonga nirotsaka an-tsehatra ny mpamonjy voina ary mbola manao ezaka lehibe amin’ny famonoana ny afo. Na izany aza, noho ny hamafin’ny lelafo sy ny fielezany haingana dia mbola sarotra ny mifehy tanteraka ny zava-misy.

Hita teny an-toerana ihany koa ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina, nijery ifotony ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny fahavoazana nateraky ny hain-trano.

Hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy nisy fanambarana ofisialy momba ny antony nahatonga ny afo na ny isan’ny olona voakasika. Havaozina hatrany ity vaovao ity raha vao misy fanazavana ofisialy.

Toamasina : May manodidina ny 90 %-n’ny tsena Bazary Kely, mitohy ny famonoana afoNitrangana hain-trano goavana tao amin...
03/08/2026

Toamasina : May manodidina ny 90 %-n’ny tsena Bazary Kely, mitohy ny famonoana afo

Nitrangana hain-trano goavana tao amin’ny tsena Bazary Kely, Toamasina, ny alina teo. Raha ny vaovao voaray teny an-toerana dia manodidina ny 90 %-n’ny tsena no efa may, araka ny tombana vonjimaika.

Efa tonga nirotsaka an-tsehatra ny mpamonjy voina ary mbola manao ezaka lehibe amin’ny famonoana ny afo. Na izany aza, noho ny hamafin’ny lelafo sy ny fielezany haingana dia mbola sarotra ny mifehy tanteraka ny zava-misy.

Hita teny an-toerana ihany koa ny Ben’ny Tanànan’i Toamasina, nijery ifotony ny fivoaran’ny toe-draharaha sy ny fahavoazana nateraky ny hain-trano.

Hatramin’izao fotoana izao dia mbola tsy nisy fanambarana ofisialy momba ny antony nahatonga ny afo na ny isan’ny olona voakasika. Havaozina hatrany ity vaovao ity raha vao misy fanazavana ofisialy.

©️📸 Lahatra Ratefy
🪶Correspondance Telex Toamasina

🚨 Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina androany teo amin'ny lalam-pirenena faha-7 (RN7), teo anelanelan'i Ilaka...
26/07/2026

🚨 Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina androany teo amin'ny lalam-pirenena faha-7 (RN7), teo anelanelan'i Ilakaka sy Sakaraha, eo amin'ny faritra Bevilany.

🚐 Taxi-brousse Trans Besady, mampitohy an'Antananarivo sy Toliara, no voalaza fa nivadika ambony ambany.

Araka ny vaovao voaray hatreto dia mpandeha iray no namoy ny ainy, ary maro kosa ireo naratra. Mbola andrasana ny fanazavana ofisialy momba ny antony nahatonga ny loza sy ny isan'ireo naratra.

🙏 Mirary fiononana feno ho an'ny fianakavian'ny nodimandry ary mirary fahasitranana aingana ho an'ireo naratra.

CR7 RANGAH TENA MAFY ASAINGY TSY NO PASIANY NAMANY  BAOLINA FOTSINY A
11/07/2026

CR7 RANGAH TENA MAFY A
SAINGY TSY NO PASIANY NAMANY BAOLINA FOTSINY A

09/07/2026

🚨🚨🚨 Lehilahy iray voalaza fa mpangala-jaza tratra tetsy Tsaramasay Ankazomanga.

Horonantsary Cai Atera

🔴  HALA-JAZA 📍 Lehilahy iray avy eny Ambotoroka no tratra saika hangala-jaza teny Lazaina Anosiavaratra Tokony tamin'ny ...
08/07/2026

🔴 HALA-JAZA

📍 Lehilahy iray avy eny Ambotoroka no tratra saika hangala-jaza teny Lazaina Anosiavaratra

Tokony tamin'ny 3 ora folakandro androany no nisehoan'ity tranga ity.
Ankizy roavavy 14 taona niaraka nilalao teny an-tanimbary no nenjehin'ity lehilahy ity. Fa nitsoaka nanatona olon-dehibe haingana ka tsy azony ary niantso vonjy.

Voasambotra avy hatrany moa ity lehilahy ity ary notazomina mba hatao famotorana.

Avy any Ambatoroka ny misy azy no izao tonga any Lazaina izao.

CIRGN

🟢𝗭𝗔𝗩𝗔-𝗗𝗢𝗭𝗔, 𝗡𝗢𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗜𝗡'𝗜𝗭𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢𝗔𝗡-𝗧𝗘𝗡𝗔 :✝️ TOLOTRA SY RAVO ✝️Hita ny maraina io ny razan'izy roakely - nifam...
08/07/2026

🟢𝗭𝗔𝗩𝗔-𝗗𝗢𝗭𝗔, 𝗡𝗢𝗧𝗔𝗡𝗧𝗘𝗥𝗔𝗛𝗜𝗡'𝗜𝗭𝗬 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗠𝗢𝗡𝗢𝗔𝗡-𝗧𝗘𝗡𝗔 :

✝️ TOLOTRA SY RAVO ✝️
Hita ny maraina io ny razan'izy roakely - nifamatotra - namono tena anaty ranon'i Mantasoa.

Raha tsiahiivina dia fitia voarara noho izy ireo mbola zaza no antony tena nanosika azy ireo handao ireo ray aman-dreniny ka izao niafara amin'ny famonoan-tena izao.

Mankahery ny fianakaviana
Sary indrana

🔴🔴 𝗧𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗻𝗼𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻'𝗶 𝗧𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮,  #𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 20 taona ho an'ny ray aman-dreniny :« Dada, mama, zoky ary zandry.Mifona izaho...
05/07/2026

🔴🔴 𝗧𝗮𝗿𝗮𝘁𝗮𝘀𝘆 𝗻𝗼𝘀𝗼𝗿𝗮𝘁𝗮𝗻'𝗶 𝗧𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮, #𝘁𝗮𝗻𝗼𝗿𝗮 20 taona ho an'ny ray aman-dreniny :

« Dada, mama, zoky ary zandry.

Mifona izaho ry havako rehetra raha andao tsy ho hitanareo intsony. Mifona satria ande hody any amin'ilay be fitiavana zahay. Ny antony anoratako ity dia anao veloma anareo rehetra aho. .

Ny fangatahako aminareo dia tsofy rano zaho sy Ravo handry ampilaminana ary izao ihany koa " tsy mahazo arahina zahay rehefa hitanareo fa akambana ary na ny toerana ametrahana sy andevenana anay ary. Ary tsy ampidirina ampasandrazana ihany koa zahay fa atao fasana anirotra ary tsy mahazo avadika.

Ary tsy maintsy tanterahanareo izany satria safidinay izany. Raha toa kosa anefa tsy tanterahanareo izany dia ho avy aho ampijaly anareo.

Mitsodrano anareo aho ry fianakaviako ahatanteraka izay rehetra ataonareo.
Mirary ny soa sy ny tsara ho anareo ho sambatra tsy hisy mpanelingelina ary aingana anie ho tafita daholo ianareo iray tampoha amiko. Veloma ianareo ry fianakaviako tiako aza manahy fa eto faona aho hiaro anareo rehefa tanterakareo iza rehetra afatray sy Ravo.

Ary tsy hoe baiko akory ny fandaozanay anareo fa safidinay izany. Ary miangavy aho ry Dada sy Mama avelao ireo zokiko sy zandriko hiaraka amin'ny olona tiaviny fa aza raràna hoatra anay sy Ravo.

Veloma ianareo. Tiako tena tiako ianareo kanefa mbola tia lavitra kokoa i Ravo ary izay rehetra nanaovana anay tsy nahasakana anay eny fa na dia norahonana aza. Mankasitraka tamin'izay vita ary aza manahy ianareo fa tsy mitana alahelo aminareo za na hatezerana akory izahay. Mino izahay fa ho sambatra amin'izay ianareo rehefa tsy eo izahay a ! Dia aza alaelovanareo zahay fa tanteraho ny hafatray..

Tsy mahazo arahina izahay na any amin'ny toerana andevenana anay aza fa akambana atao mifanatrika ambony sy ambany. Ary izay zavatra rehetra ao anaty armoirako ao anaty "sachet" ao dia ampiaraho aminay. LayIo "sachet" misy valopy io dia lay "sachet" misy lamba mivalona ao amin'ny armoir ilany

🇲🇬LALAO FETIN’NY ASARAMANITRA🇲🇬Inona no tena fiantso ny lokon’ny sainam-pirenena " MALAGASY " amin’ireo ?🔴A sa 🔴B sa 🔴C
25/06/2026

🇲🇬LALAO FETIN’NY ASARAMANITRA🇲🇬
Inona no tena fiantso ny lokon’ny sainam-pirenena " MALAGASY " amin’ireo ?

🔴A sa 🔴B sa 🔴C

FETY NY ANDRO 🎉✍️ Raha misy malahelo any tsy manam-bola andro fety na zavatra hafa, ito misy fampaherezana :I Emmanuel M...
25/06/2026

FETY NY ANDRO 🎉✍️

Raha misy malahelo any tsy manam-bola andro fety na zavatra hafa, ito misy fampaherezana :

I Emmanuel Macron dia 47 taona : ny zanany lahy voalohany amin'ny vadiny dia 52 taona, ny zanany vavy faharoa kosa dia 50 taona, ary ny zanany faravavy dia 48 taona.

Ny vadiny, renin'ireo zaza ireo kosa 73 taona : mathématiquement parlant izany, i Emmanuel no zaza indrindra ao an-tokantranony.

Article 52 (Loi 20007-002) anefa milaza fa Emmanuel Macron est le chef de la famille.

Azonao ve?

Mahaiza misaotra an'Andriamanitra amin’ny fiainanao, fa misy olona any ho any : manàna olàna goavana lavitra mihoatra anao.

Source : E-Juridique

Address

Toamasina
101

Telephone

+261345321734

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tokotelo MADA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tokotelo MADA:

Shortcuts

Share