30/07/2025
Mitady Asa ? Jerena koa ny tambazotra sy mombamomba anao – Ianao ve vonona ?-PARTIE 5
Rehefa mikaroka asa isika dia tsy CV sy entretien ihany no jerena, fa koa ny toetrantsika ety anaty tambajotra (Facebook, LinkedIn, sns.) sy ny fombantsika miseho eny ivelany.
Ireto àry ny dingana tsotra, fa tena manampy :
✅ 1. Diniho ny pejy Facebook-nao
➡️ Maro amin’ny mpampiasa no mijery profil Facebook, ary misy no tsy mandray anao satria sary tsy mendrika, fanehoan-kevitra masiaka, na fanehoana fihetsika ratsy hita eny.
💡 Jereo amin’ny mason’ny mpampiasa ny mombamomba anao. Raha tsy dia matotra, azafady atsaharo ho "privé" na soloina.
✅ 2. Miezaha manana profil LinkedIn madio
➡️ LinkedIn dia toy ny CV en ligne. Misy mpampiasa mitady olona mivantana ao.
💡 Mamoròna profil LinkedIn tsotra, ampio sary, soraty ny traikefanao sy tanjonao, ary manaraha pejy sy olona mahaliana anao.
✅ 3. Mampiasà tambajotra (networking)
➡️ Matetika ilay asa tsara tsy apetraka amin’ny internet, fa alefa amin’ny “recommandation” sy olona efa mahafantatra anao.
💡 Aza menatra manontany, mandefa message amin’ny namana, mahita formation, mandray anjara amin’ny hetsika. Ny tambazotra no fitaovanao matanjaka indrindra.
✅ 4. Milaza ny marina
➡️ Aza mody manome traikefa tsy nisy, na mody manao zavatra tsy mbola hainao. Miverina amin’ny masonao izany.
💡 Ny fahamarinana sy ny fahavononana hianatra no zavatra tadiavin’ny maro amin’ny olona vao raisina.
✅ 5. Manao “veille” (manaraka vaovao sy tolotra)
➡️ Isaky ny herinandro, mandehana mijery tolotra vaovao, pejy Facebook na site web matihanina (Jobmada, portaljob, sns).
💡 Raha mahita zavatra mahaliana, mandeha mihitsy manoratra na manantona. Aza miandry tolorana.
📌 IZAY ARY NO FIZARANA FARANY. Raha nanampy anao ireny dia faly be izahay nizara.
🗓️ Amin’ny volana manaraka, hiditra amin’ny format vaovao indray isika.
👇 Apetraho eto amin’ny commentaire raha misy fanontaniana, fanehoan-kevitra, na zavatra tianao ho fantatra amin’ny manaraka. Afaka manampy olona hafa koa izany.
Mankasitraka ny namaky sy nizara 🙏