
01/10/2024
⭕️ HARENA NY VAKOKA⭕️
➡️ Fantatrao ve fa misy an’izany tanàna antsoina hoe « Ampasamanantongotra » izany eto amintsika?
➡️ Tena marina ve fa misy tongony tokoa izany fasana izany ka antony nanomezana io anarana io?
Ndao ary hiaraka aminay, hihazo iny tapany andrefana amin’iny faritra Itasy iny ao anatin’ny fandaharana « Harena ny Vakoka » ny Talata 1 Oktobra 2024, manomboka amin’ny 11 ora antoandro.
Mandritra ny fandaharana no hiresahantsika sy ampahafantaranay anay anao ny tantaran’izany toerana sy vakoka ara-kolontsaina izany.
➡️ Hanampy antsika mandritra ny fandaharana ny Lehiben’ny Fokontany Ampasapanantongotra, RANDRIAMIRINDRA Fenohajasoa Rolland Samy.