18/04/2026
Coucou ndrie! Ça va ve? ❤️🥰
Za ça va akia han, sambany nanatrika mariage namana gasy taty an-dafy za dia mba tantaraiko amin’drie! Feno be ny foko fa nahafinaritra loatra akia! Maro ny mariage natrehako tany Mada izay, fa hafa mihitsy ilay taty!
Tojo ny olon-tiana, vonona hiroso, fa faly sahirana satria tsy eto an-toerana daholo ny namana sy fianakaviana rehetra, matetika ny ray aman-dreny akaiky indrindra afaka nanatrika, misy ihany anefa ireo tsy afaka noho ny antony maro! Fa io dia fety ny anaran’io eh, andro iray toa zato! 🥰 « Mifankatia an-tany lavitra », izay angamba no ilazako azy.
Izy mivady moa vao aingana no nifanerasera tamiko, fa efa naman’i Randy efa an-taonany maro, ary tsapanay be mihitsy ny fitiavan’izy ireo anay tao anatin’izay « relation à distance » lava be izay! Faly be mihitsy izahay afaka nandray anjara tamin’ny fikarakarana ny raharaha! ❤️
Satria dia karakara tokoa hihi! Ny sakafo, ny fanaingoana trano, ny pitsopitsony rehetra, tena talanjona aho nahita hoe miara-misalahy ny ankizy aty an-dafy, voalohany ka hatramin’ny farany! Mahay « mi-debra » kely ho azy eny daholo satria io hoy aho tsy misy hoe alavitry ny fianakaviana, alavitry i Madagasikara dia samy maka ho azy, ka mahonena kely eny ny raharaha! Lasa traiteurs sy décoratrices daholo izahay tao! 🤭 Miresadresaka amin’ilay invités sasany aho dia misy tena nanao izay azo natao nandray train, bus, ho avy hanatrika na dia avy any alavitra aza satria dia zava-dehibe loatra ny fifankatiavana, ny fifanampiana sy firahalahiana aty!
Tsy mora ny miaina an-tany lavitra, lavitry ny olon-tiana, fa iriako ianareo mba ho tojo ireo olona lasa namana, tena namana, any ka afaka antsoina hoe : Fianakaviana ❤️
Izay fa bisous ndrie dia hay, izaho ihany no nanao ny voloko sy ny make-up ako dia mba nety ihany ve? 🤭
Dia aza adino koa fa rehefa mandefa vola any Madagasikara avy aty an-dafy dia afaka mampiasa ny application Sendwave, ary mahazo bonus 10€ amin’ny 1er envoi raha mampiasa ny code promo : « DARLING » 😉