E-lalàna

E-lalàna E-lalàna pose ses pieds dans la catégorie du "legaltech" a Madagascar. Le principe est simple four

Sao hoe hitady an'ilay vidéo eo 😆🤭😌
18/03/2025

Sao hoe hitady an'ilay vidéo eo 😆🤭😌

Androany faha, 26 novambra 2021
Fizarana miavaka,
NY AMIN’NY ZO HANANANA AMIN’NY SARY NA « LE DROIT A L’IMAGE » (miaraka amin'ny sary fanehoana sy indrana ihany)
⚠️📢Nalaza moa tamin’ity erinandro ity ny resaka horonan-tsary mamoafady izay nanala baraka olona iray niparitaka teny amin’ny tambazotra ara-tsosialy,
✅Naka sary na niaraka naka sary tamin’olona ve ianao ?
🔴Moramora aza fa aza maika ny hamoaka izany eny amin’ny tambazotra ara-tsosialy,
✅Ny atao hoe zo hananana amin’ny sary dia ny fahazoan’ny olona iray manohitra, mandà fa mila ny fankatoavany ny famoahana ny sary (eny na horonan-tsary sy endrika hafa hisehoany) na fizarana ny sariny amin’ny fomba rehetra na aiza na aiza, izany hoe marina fa hoe nanaiky ny ho alaina sary ny olona iray fa izy kosa anefa dia manan-jo ny handà ny famoahana izany, afaka miteny izy izany hoe « aza avoaka eny amin’ny facebook sy ny tambazotra ara-tsosialy maro samihafa ny sariko »,
✅Noho izany mila ny fankatoavan’ilay olona nalainao sary izany ianao vao afaka mamoaka izany,
✅Izany rehetra izany moa dia vokatr’ilay atao hoe « droit de la personnalité » ka ny olona tsirairay avy dia mizaka tsara izany zo izany,
Art 09 code civil français : « Chacun a droit au respect de sa vie privée. Les juges peuvent, sans préjudice de la réparation du dommage subi, prescrire toutes mesures, telles que séquestre, saisie et autres, propres à empêcher ou faire cesser une atteinte à l'intimité de la vie privée : ces mesures peuvent, s'il y a urgence, être ordonnées en référé. »
✅Vokatr’io andinin-dalàna io izay miaro ny fiainana manokana ny olona dia voakasik’izany koa ny zo hananana amin’ny sarin’ny tena,
Article 13 de la Constitution malgache : « Tout individu est assuré de l'inviolabilité de sa personne (...) »
✅Ny làlam-panorenana malagasy izay nolaniana tamin’ny 2010 koa dia manamafy ny fiarovana ny zon’ny tsirairay ;
🔵Ho fehiny izany dia ny tsirairay dia manana fifehezana na ampihimamba ny zo izay hananany momban’ny sariny (na horonan-tsary sy ireo endrika hafa mety hisehoany),
⚫Ary voakasik’izay koa ny sarin’ny fananana manokana « propriété privée »
☢️Manao ahoana kosa aza raha tsy voahaja io zo io ?
⚖️Raha misy kosa minia mamoaka sarin’olona iray kanefa tsy neken’ity farany dia afaka manenjika ilay namoaka izany na ara-tsivily izany na ara-pamaizana, ary indrindra moa raha hoe nanala baraka ilay voakasika ilay nanaparitaka izany araka ilay hitan-tsika tamin’ny tambazotra ara-tsosialy iny,
⚠️Marihina kosa anefa fa misy fetrany io zo hananana amin’ny sary io,
🔴Tsy voakasika araka ny voalaza tetsy ambony kosa nohon’ny resaka zo hahafantatra vaovao na « droit à l’information » dia ireo izay voakasika izany dia tsy arovan’ny zo hananana amin’ny sarin’ny tena nohon’ny sata manokana mifehy ilay olona na nohon’ny asa izay ataony,
✅Ka iza avy aza ny voakasik’izany ?
Amin’ny ankapobeany dia ;
🔵Ny mpitondra fanjakana
🔵Ireo mpiasam-mpanjakana,...sns
🔵Ankoatr’izay koa anefa dia ireo olon-tsotra izay voakasika amin’ny raharaha iray malaza na vaovao miteraka resa-be dia tsy arovan’ny zo hananana amin’ny sarin’ny tena.
✅Amin’ny ankapobeany ihany anefa ireo voalaza ireo fa mety misy fiovana kely araka izay toe-javatra misy eo na koa hoe « aux cas par cas »
✅Dia izay indray aza ny lohahevitra androany ka aza adino ny manaraka ny pejy fa mizara sy manazava lohahevitra hafa iray indray izahay amin’ny manaraka.....................................................
AZA ADINO HATRANY ny manaraka ny pejy fa izahay dia tsy mifidy na orinasa io na olon-tsotra,…sns
✅Afaka manao « consultation juridique » aty aminay ianareo izay rehetra manana olana vahana na mila toro-hevitra mikasika ny zo aman-dalàna, ka izany « consultation juridique » izany dia iarahana miaraka amin’ireo mpiara-miasa na « partenaire » izay olona eken’ny lalàna (avocat, huissier,...sns) ka miara-miasa amin’ny E-lalàna
✅Manana olona eken’ny lalàna izahay afaka omena anao raha ohatra ka ;
🔵Mpisolo vava (avocat) hiaro anao, mikarakara raharaha na taratasy ary manao ny paika ady (procédure) rehetra raha manana raharaha mila vahana ianao na manana olana eny amin’ny lafiny lalàna na fitsarana ianao,
🔵Vadintany (huissier de justice) hanao constat d’adultère, sy ny transcription rehetra, hanao recouvrement de créance (fitakian-trosa),...sns,
🔵Notaire raha hanao fifanarahana fifampivarotan-tany, hanao didy na testament....sns
🔴Mikarakara raharaha na taratasy ary manao ny paikady (procédure) rehetra raha manana raharaha mila vahana ianao na manana olana eny amin’ny lafiny lalàna na fitsarana ianao, na tsy voatery eny amin’ny lafiny fitsarana aza toy ny : fanaovana fifanarahana, fitarainana, fitoriana, hanao fangatahana fitompoana amin’ny tany tsy an-tena...sns (ary manontania ihany mba hahafantaranao bebe kokoa ny sampandraharaha misy fa aza mionona amin’ireo notanisainay ireo teo fa sombiny sy ohatra ihany ireo)
🔴Amin'ny alalan'ireo koa dia dia afaka mikarakara taratasy toy ny: fitoriana, fizaram-pananana,.....sns
Koa aza misalasala aza fa tongava ao amin'ny hafatra miafina fa vonona ny handray sy hamaly anao izahay!📲
🔴Na koa afaka mifandray aminay amin'ny alalan'ny e-mail dia:
📠🖥️🖱️: [email protected]
👉Tongava ao amin’ny hafatra miafina na “message privé” fa am-pifaliana izahay no handray sy hikarakara anao.
🇲🇬
FANAMARIHANA:
1- TSY MAMALY KAONTY FAKO (COMPTE FAKE) IZAHAY. ARY HO ENTITRA IZAHAY AMIN’IO FA TSY HOVALIANAY MIHINTSY NY KAONTY FAKO INDRINDRA FA IREO MANAO TSIKERA NA « COMMENTAIRE » AO AMIN’NY « PUBLICATION » IZAY ATAONAY. HO AN’IREO IZAY MANDEFA HAFATRA AO AMIN’NY HAFATRA MIAFINA KOSA DIA AZO RAISINA IHANY FA AO ANATY TSIAMBARATELO TANTERAKA NY HAFATRA ALEFANAO AO FA AZA MATAHOTRA RAHA IZAY NY ANTONY.
2- MBA HIEZAHO HO AZO VAKIANA NY HAFATRA ALEFANAO FA TSY ATAO FOMBA FANORATRA “SMS”, FA MBA HAJAO NY TSIPELINA RAHA AZO ATAO AZAFADY INDRINDRA
3- MBA ATAOVY MAZAVA TSARA NY FANAZAVANAO NY OLANA MANJO ANAO SY NY FANONTANIANA APETRAKAO MBA HANAMORA NY FAMALIANAY
4- LOHAHEVITRA NO ZARAINAY ARY MANAZAVA NY ZO AMAN-DALÀNA MISY FA TSY TE HANAO ADY HEVITRA NA HIRESAKA KARAZANA PETRA-KEVITRA MISY OHATRA

🇲🇬: mirary krismasy sambatra 2024🇲🇫: joyeux Noël 2024🏴󠁧󠁢󠁥󠁮󠁧󠁿🇺🇸: merry christmas 2024
25/12/2024

🇲🇬: mirary krismasy sambatra 2024
🇲🇫: joyeux Noël 2024
🏴󠁧󠁢󠁥󠁮󠁧󠁿🇺🇸: merry christmas 2024

31/10/2024

🇨🇵: Publicité foncière
🇲🇬: Filazana fitompoana

02/08/2024

02 - 08 - 24
🇲🇫: Terrain imprescriptible
🇲🇬: Tany tsy azo angatahana fitompoana

01/07/2024

📅01 - 07 - 24
🇨🇵: Redevance
🇲🇬: Sara-raikitra

23/06/2024

⚠️🆕maimaim-poana amin'izao ny fanaovana tombam-pananana eny @ centre fiscal na ivon-ketra🆕⚠️
ARARAOTY

05/03/2024

Nalahelo ve nareo raha tsy niverina tokoa ity pejy ity!?😅🙈
⚠️Panne Facebook⚠️🥴🤧

Repost kely!!!Ito ny tena valin'ilay pub nody natao buzz iny!!!
27/02/2024

Repost kely!!!
Ito ny tena valin'ilay pub nody natao buzz iny!!!

ANDROANY 29 MEY 2021
Ordonnance n° 60-025 du 4 mai 1960 portant répression de l’abandon de famille (J.O. n° 98 du 7.5.60, p.804)
NY AMIN’NY FANDAOZANA, TSY FIRAHARAHIANA NY FIANAKAVIANA
Article premier - Sera puni d’une peine d’emprisonnement de trois mois à un an et d’une amende de 5 000 à 200 000 francs, ou de l’une de ces deux peines seulement :
1° Le père ou la mère légitime, naturel ou adoptif qui abandonne sans motif grave pendant plus de deux mois la résidence familiale et se soustrait à tout ou partie des obligations d’ordre moral ou matériel résultant des lois et coutumes qui forment son statut civil.
✅ Voasazy higadra telo volana ka hatramin’ny erin-taona an-trano maizina ary mandoa lamandy ny Raim-pianakaviana na Renim-pianakaviana izay mandao ka tsy nisy antony mazava ny tokan-tranony mihoatran’ny roa volana ka mitsoaka adidy izay iandreketany araky ny lalàna sy ny fomba amam-panao ao amin’ny ankohonana.
Le délai de deux mois ne pourra être interrompu que par un retour au foyer impliquant la volonté de reprendre définitivement la vie de famille et de se soumettre aux obligations susvisées ;
✅ Io faharetana roa volana io kosa dia tapaka raha sendra miverina tampoka ilay voakasika eny an-tenatenany ka manana ny faniriana ny hikarakara ny ankohonana sy hanaiky ny adidy miandry azy tanteraka.
2° Le mari qui, sans motif grave, abandonne volontairement pendant plus de deux mois sa femme, la sachant enceinte ;
✅ Voasazy araka ny voalaza tetsy ambony tetsy io koa ny vady (ra lehilahy) izay minia mandao tsy misy antony ny vadiny mihoatra ny roa volana kanefa hainy fa mitoe-zaza ny vadiny (ra vehivavy).
3° Les père et mère qui compromettent gravement par de mauvais traitements, par des exemples pernicieux d’ivrognerie habituelle ou d’inconduite notoire, par un défaut de soins ou par manque de direction nécessaire, soit la santé soit la sécurité soit la moralité de leurs enfants, ou d’un ou plusieurs de ces derniers.
- Torak’izany koa ny Raim-pianakaviana na Renim-pianakaviana izay manao toetra mamoa-hetra toy ny fimamoana na toetra araka izay, na ratsy fikarakarana eo amin’ny lafiny ara-moraly, amin’ny fiarovana ny zanak’izy ireo. Izany hoe raha misy tsy firaharahiana na tsy fikarakaràna ny ankizy ao an-trano.
......................................................
AZA ADINO HATRANY ny manaraka ny pejy fa izahay dia tsy mifidy na orinasa io na olon-tsotra na mpianatra,...sns
✅ Afaka manao consultation juridique aty aminay ianareo izay rehetra manana olana vahana na mila toro-hevitra mikasika ny zo aman-dalàna, ka izany consultation juridique izany dia iarahana miaraka amin'ireo mpiara-miasa na "partenaire" izay olona eken'ny lalàna (avocat, huissier,...sns) ka miara-miasa amin'ny E-lalàna,
✅ Ka toy izao ny fomba fizotrany ; midira ao amin'ny hafatra miafina ianao dia ao atao ny rendez-vous
✅ Araka ny politika apetraky ny E-lalàna dia ny fampifandray misymisy kokoa ny rehetra amin'ireo matihanina momban'ny lalàna mba hanamora ny famahana ny olana misy amin'ny rehetra eo imason'ny lalàna ary hampahafantatra misymisy kokoa ny rehetra ny zo aman-dalàna misy,
✅Aza adino aza ny manaraka hatrany ny pejy mba hahitanao ny vaovao misy atolotray,
✅ Manaraka izany dia izahay afaka manome ireo olona eken'ny lalàna amin'ny famahana ny olanao;
🔵 Mpisolovava raha ohatra ka hanao "plaidoirie" na hanao raharaha eny amin'ny fitsarana,
🔵Vadintany na huissier de justice hanantanteraka didy ohatra, hitaky trosa, habao "transcription de preuve",...sns
🔵Notera na "notaire" hanao fifampivarotan-tany, hanoratra fanolorana na tolo-belona, hanao didy na "testament",.....sns
🔴Amin'ny alalan'ireo koa dia dia afaka mikarakara taratasy toy ny: fitoriana, fizaram-pananana,.....sns
Koa aza misalasala aza fa tongava ao amin'ny hafatra miafina fa vonona ny handray sy hamaly anao izahay!📲
🔴Na koa afaka mifandray aminay amin'ny alalan'ny e-mail dia:
📠🖥️🖱️: [email protected]
Tongava ao amin’ny hafatra miafina na “message privé” fa am-pifaliana izahay no handray sy hikarakara anao.
FANAMARIHANA:
1- TSY MAMALY KAONTY FAKO (COMPTE FAKE) IZAHAY
2- MBA HIEZAHO HO AZO VAKIANA NY HAFATRA ALEFANAO FA TSY ATAO FOMBA FANORATRA “SMS”, FA MBA HAJAO NY TSIPELINA RAHA AZO ATAO AZAFADY INDRINDRA
3- MBA ATAOVY MAZAVA TSARA NY FANAZAVANAO NY OLANA MANJO ANAO SY NY FANONTANIANA APETRAKAO MBA HANAMORA NY FAMALIANAY

23/02/2024

Rehefa buzz izany dia maika ery daholo hanisy réaction sy commentaire fa rehefa fizarana matotra zara fa manisy réaction 🙄😏🥴🤧

22/02/2024

🇲🇬 Mampigadra 03 volana hatr@ 01 taona an-tranomaizina ny fandaozana vehivavy nataonao bevoka. Miampy lamandy 1 200 000 Ariary

26/01/2024

🗓️26 - 01 - 24
🇲🇫: Demandeur à titre reconventionnel
🇲🇬: Mpiady mifotitra
Asio j'aime 👍 zarao ♻️ ary araho 📍 ny pejy

19/01/2024

📅19 - 01 - 24
🇲🇫: Homologation
🇲🇬: Fanomezan-kery
Asio j'aime 👍 zarao ♻️ ary araho 📍 ny pejy

Address

Antananarivo
<<NOT-APPLICABLE>>

Opening Hours

Monday 09:00 - 18:15
Tuesday 09:00 - 18:15
Wednesday 09:00 - 18:15
Thursday 09:00 - 18:15
Friday 09:00 - 18:15

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when E-lalàna posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to E-lalàna:

Share