To Be Misaotra anao manaraka ny pejiko❤️

SaropiaroMantsy tsy mba tompony , kanefa mahatsiarohotiaviko mangina , zay no sisa azo atao ❤️🥹Saingy izy aloha no ho sa...
14/07/2025

Saropiaro
Mantsy tsy mba tompony , kanefa mahatsiaro
hotiaviko mangina , zay no sisa azo atao ❤️🥹
Saingy izy aloha no ho sambatra eo anilanao... 💔
Dia tsy mahatody hafatra, manoratra litera handefa hafatra aminao 🥹
Amin’ny sivy mantsy izao...
Ora roa no lasa fa tsy misy zava-banina.
Dia aleoko aloha najanona , ny fanindriana bokotra anaty ny finday...
Dia ny petadrindrinao no ndeha tsidihako amin’izay
Ka asiko sary fo — izay sarinao voajery.
Fa raha sarinareo roa, hodiko tsy hijery,
Dinganiko avy hatrany...
Sa tsy tin'la izany? 🤣( Tiako zany )
Ka raha sanatria nareo misaraka,
Dia izaho efa miandry ho anjelinao manaraka.

— Lucas Mendrikiniainä

Ilay oroka amin’ny handrina,Ilay oroka amin’ny handrina ilay nahazatra antsika.Aleo iny tsy hajanona fa mba hatao fahaza...
12/07/2025

Ilay oroka amin’ny handrina,

Ilay oroka amin’ny handrina ilay nahazatra antsika.
Aleo iny tsy hajanona fa mba hatao fahazarana,
Izany hoe: hatao fanorenana izay vita,
Marika hamantarana ny tena finamanana.

Ilay oroka amin’ny handrina,
Mangorintsina aoka izany aho mahazo avy aminao 😘🥹
Tsy mahaleo bava intsony fa mikimpy,
Ny hazo hatao 🫣 — mandinika, mandrevy
Ilay molotrao mipetaka 💋...

Nikatona avy hatrany ilay foko izay nitresaka 💔
(Tamin’ilay fiarahanay) — hihihi 🙀
Hay tsy any izao ilay resaka 😁

Fa...

Ilay oroka amin’ny handrina,
Tsara raha tononina, fa meva raha atao 🤗😽
Aza miandry horohana fa ianao no ndeha manao 💋😘
Oroka ilay resaka a, hihihi 🔞
Sady tsy amin’ny molotra 😝

Vazivazy izany, fa ny handrinao atolotra —
Hanorohako azy,
Dia ndao halaiko vady ❤️♥️

Lucas Mendrikiniainä

Vakio dia mba ahitsio azafady:Rehefa ratsy tava "HONO" ny olona iray,Dia ny akanjo sy kiraro no ezahina hilay(...)Ny tov...
10/07/2025

Vakio dia mba ahitsio azafady:

Rehefa ratsy tava "HONO" ny olona iray,
Dia ny akanjo sy kiraro no ezahina hilay
(...)
Ny tovovavy hono, rehefa ratsy bika
Dia mampiasa makiazy lokomena sy ny sisa
Miboridandridana eny dia ny fe no aderadera
Te hisarika lehilahy hitsiriritra ka hisera
(...)
Ny tovolahy indray, rehefa tsy bogosy
Dia mandokondoko volo sy mampidina kilaoty
Mibata fonjam-bý mba ho bokobokon'ozatra
Mahazaka manja kely rehefa teritery lobaka
(...)
Indrisy! simba saina loatra isika
Mampihena tombambidy amin'ny endrika sy bika
"Ilay fanahy mahaolona" manjary latsa-danja
Fa miezaka ho bogosy, mifaninana ho manja

Ny hoe mikarakara vatana, izany anie tsy ratsy e
Fa koloy ny maha olona, dia 'lay toetra soa anaty
Fa ianao anie (...)
Na dia manja sy bogosy, manan'endrika toa ahy 😆
Zava-poana ihany raha tsy eo ilay "fanahy" e
Equi Kalo

08/07/2025

Mafy le Reine e😂😂
Abonnez vous To Be

06/07/2025

Efa vonona koa zay hanao kopikole Rootsman 😂

04/07/2025

Vita ihany 🙏🥹
To Be

VelomaAlohan'ny hanapahanao tanteraka ny tady,dia eo aho mba miangavy:"Henoy izao kalo izao,Noventesoiko miadana tanaty ...
03/07/2025

Veloma
Alohan'ny hanapahanao tanteraka ny tady,
dia eo aho mba miangavy:
"Henoy izao kalo izao,
Noventesoiko miadana tanaty halahelo, mba hahatonga saina anao.
Satria izaho mbola tia , ary mila ho lasa adala,
Adaladala kely… fa adalanao angamba.
Ilay masoko nikipy, nahiratra fa jamba...
Alohan'ny handraisanao ilay peratra natolony, sy hanorohanao ny molony :
dia eo aho mba hiteny, eo aho mba hijery,
eo aho mba handinika ny mombamombanao.
"Eny na tsia?" no hany tiako havalinao...
Alohan'ny tsy hahitako ny endrikao intsony, eo za mba hikasika , eo za mba hitsapa eny na dia bitika 🦥
dia andao mba hihaona farany,
Dia aza apina sarany... fa apiko kitikitika🤣

To Be Abonnez vous 🙏
Lucas Mendrikiniainä

02/07/2025

Tonokalo moban'inona no tianao ho soratako, Sorato anaty commentaire .
Abonnez vous🙏

Niniko nitsidihana ny peta-drindrinao  Akory re ny hatairako nahita ny endrikao ;Fa...somary nisy fiovana, Tsy hita tara...
27/06/2025

Niniko nitsidihana ny peta-drindrinao
Akory re ny hatairako nahita ny endrikao ;
Fa...
somary nisy fiovana,
Tsy hita taratra intsony ilay atao hoe: “Amanjana”😁
Fa nisy inona àry tao?
Tao tsaroako foana anie ilay izaho nahilikao:
Natakalonao azy;
Izaho anefa tena tia ary tsy nivazivazy, tamin’ireny fotoana ireny
Fa dia nolavinao, nomenao hesoheso teny ;
Dia izao vao hoe manina a: hoe za bogosy kely!
Saingy…
Izaho zah nahita anjely, nareo toa hoe nisaraka
Dia izao ianao midongy, te ho anjeliko manaraka
Mahita ahy miraratra, dia te ho tompondaka
Ho hano aky ny kakana dia ndeha milalao saka🤣🤣

Lucas Mendrikiniainä( To Be )

BELOHA...''Niverina avy tany ianao fa tsy hita efa ho roa volana,Kanefa tsy nisy ny olana tamintsika roa...Misentosento ...
25/06/2025

BELOHA...''

Niverina avy tany ianao fa tsy hita efa ho roa volana,
Kanefa tsy nisy ny olana tamintsika roa...
Misentosento kely fa hoe tara fadim-bolana
Natao ny fitiliana dia io fa bara roa
(Dia izaho hono arahabaina fa dadan'i Beloha)

Fa Beloha avy taiza ilay tianao ho tsindriana
Fa zary mahavariana ny zava-misy izao
Isika anie ry piso mbola tsy niray fandriana
Fa hoe vita mariazy sy fomba vao maha-nona
(Ka izao bevohoka ahoana...?)

Tsy tany hoe tsy tany nefa izao tara fotoana
Kanefa izaho raha ''ngaoma'' nahilikao terÿ...
Hoento aty jereko ny kopia sy diplaoma
Fa sao ny anaranao ary dia misy hoe MARIA
(Madio tsy misy tsiny...)

Fa zanako avy taiza nefa ianao hoe virijiny
Sa izaho no very jery dia natory tsy nifoha
Nandeha nitety tany ianao dia izao mangirifiry
Dia avy eo maniriniry fa hoe dadan'i Beloha
(Aoka hazava aloha fa...)

Oroky ny vava ve dia hahavita zazakely
Isika anefa niery an'ireo fakam-panahy...
Ianao aza tsaroako foana foana tamin'ireny
Fa dia mitory teny sy manoro lalany ahy
(Mahagaga ihany lahy...)

Nandeha tsy niera tany ianao nandritra ny roa volana
Dia rehefa nisy ny olana dia hoe marary fo
Izaho izay tsy naninona no tianao ho fatorana
Taloha nefa niavonana koa izao vao hoe BELOHA

Aaa... Hiareto ao mihitsy aloha. 😏🙄🤣

NALA

Fitsarana VOAY 🐊🐊🐊Rehefa hotsaraina izao tontolo izao 💻Dia aseho mihariary izay vita sy natao 😁Fitsarana hafakely, nahav...
20/06/2025

Fitsarana VOAY 🐊🐊🐊

Rehefa hotsaraina izao tontolo izao 💻
Dia aseho mihariary izay vita sy natao 😁
Fitsarana hafakely, nahavarina izao rehetra izao
Ireo lehilahy nitondra ny vesatrin'ny natao:

Jean Bah ilay mpandripaka vevavy 🐊
Teteziny avokoa, na ny mahia na ny matavy 🙅
Maromaro sipa, tsy mba hoe anakiray 🤦
Hoy Masindahy Pierre: "Ity vo tena VOAY?" 🐊
Nivoka ny didy izay navokan'Andriamanitra 📖
"Miala tsiny fa tsy mendrika VOAY ny lanitra!"

Manaraka i Tojo, masina am-piangonana 🙏
Fa rehefa any ivelany tia mande lanonana 🙀
Nanana olontina atao hoe Jenny 😸
Mbola tsy vita mariage dia nopetahan- lery.. 🔞
Vita ny natao, ka bevoka ilay vehivavy 🫄
Ny olana dia izao izy efa manambady 👩‍❤️‍👨
Tsy misy azo atao, fa ilay zaza efa ito 🤱
Very ianao ry Tojo , nandika didy faha-7 🔥

Manaraka i Manoa, tsy mifidy harapaka 🤪
Ry Mirana, ry Lafatra, Sandra izay tafalatsaka
Tsy aleo ve mba hendry oatr’i Lucas 🤗🤭
Zao Manoa mijaly fa voan’ny SIDA 🛌
Nihezaka nifona fa tsy nahazo famindrampo🙏
Nalahelo nitomany ka very ianao Manoa 🔥🔥

Farany,
Zao moa niangavina ampita izany an'tononkalo
Mitandrema aki ry bavy fa maro bé ireo fahavalo
Tiko ndry mba hanana tokatrano tsy kasian-dranomaso🥹
Ka mba vita mariage aki vo manome sakafo a 🙏

Lucas Mendrikiniainä

Mitia manginaNanandrana misotro vera iray ny lany tanaty ora maro,🍺Mantsy tsy mba tompony, kanefa mahasaropiaro, Ny momb...
18/06/2025

Mitia mangina

Nanandrana misotro vera iray ny lany tanaty ora maro,🍺
Mantsy tsy mba tompony, kanefa mahasaropiaro,
Ny mombanao rehetra, dia eto izao varina sy toa maminavina :
Hoe rahoviana re 'zaho vao mba hiantso anao hoe : « Tiana » ?
Mipitrapitra kely, te hiantso hoe : « Andraso ! »,fa tsy aiko ianao na Liana...
Ho tiaviko mangina :
Ilay tovovavy iray mpandalo eto aminay,
Mety tsy ho tsikaritrao akory hatramin’izay.
Fa misy aty mitazana manaranara-maso,🤤
Saingy matahotra ny ho bedy,
Mantsy ianao ateriny rehefa mivezivezy.
Indraindray ianao ilay sendra mba mandeha irery,
Dia iny aho manaraka alavitra eny.
Fa toa tsy sahy manantona, ary koa hanakana.
Somary mavo lamba, dia izay no mety sakana.🥹
Menatra ny tena ka somary naka sisiny,🥹
Ny fiainako aty mantsy somary farahidiny.
Ka tsy mendrika aho raha izao,
Fa tsy aiko aloha ianao : na Liana, na tsy liana...
Fa aleo za hitia mangina.🥹

Lucas Mendrikiniainä

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when To Be posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share