03/05/2026
l'art de la design
Samy mahafantatra ny kisary (logo) TIKO sy IKO ny rehetra, nefa fantatrareo ve ilay lehilahy nanome aina ireny marika famantarana ireny sy ireo fono (packaging) nanamarika ny fahazazantsika? Atolotra antsika eto ny raiko, izay nampisy aingapanay tamiko ary nampianatra anay zavatra maro.
Ho fanamarihana ny fahatsiarovana an’i Ravonison Alain, izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ravonison Alain Deco (1957-2017). Tamin’ny taona 1992, tamin’ny fotoana mbola tsy nampiasana rindrambaiko famoronana na solosaina, dia nahavita dingana niavaka tokoa izy teo amin’ny fananganana ny mari-panondroana hita maso (identité visuelle).
Alao sary an-tsaina ange:
Tsy nisy "souris", fa pen*silihazo sy "Rotring" no nampiasaina.
Tsy nisy efijery, fa latabatra misy hazavana (table lumineuse).
Tsy nisy "calques numériques", fa takelaka "calque" an-jatony no natambatry ny tanany tamin’ny fahaiza-manao faran’izay kanto sy marim-pototra.
Nanomboka teo amin’ilay voninkazo kely mampiavaka ny litera "i" ao amin’ny Tiko ka hatramin’ireo tsipika milamina tsara, dia vokatry ny asa tanana feno fitandremana ny tsipika tsirairay. Tsy mpamorona fotsiny ihany i Alain Deco, fa mpandrafitra ny tontolo ara-tsaina teo amin'ny toe-karena malagasy.
Teraka teto Antananarivo izy, ary nindaosin'ny fahafatesana tamin'ny taona 2017. Na izany aza, mbola velona ao anatin'ny fonosana vokatra isan-karazany sy isan-tokantrano malagasy ny sangan'asany.
---–----------------------------------------------------------------------
Tout le monde connaît les logos TIKO et IKO, mais connaissez-vous l’homme qui a donné vie à ces icônes et au packaging de tous ces
produits de votre enfance? je vais vous présenter mon père, qui m’a inspiré et nous a tant appris.
Hommages à Ravonison Alain, plus connu sous le nom Ravonison Alain Deco(1957-2017). En 1992, bien avant l’ère des logiciels de design et des ordinateurs, il a réalisé un véritable exploit technique pour bâtir des l’identité visuelle.
© Ai Sneil