21/09/2026
🩸 NAMANA
PARTIE 2 — ÉPISODE 1
🌅 ROA VOLANA TATY AORIANA
Roa volana no efa lasa hatramin’ilay andro nanova tanteraka ny fiainan’i Stella sy Odette. Bary, ilay lehilahy voaporofo tamin’ny fanadihadiana fa nahavanona ny loza dia mbola tany am-ponja vonjimaika ary niandry ny tohiny ara-pitsarana.
Tsy nisy intsony ilay tahotra nanarona ny fiainan’i Stella nandritr'ireo herinandro voalohany. Niverina tsikelikely ny fahanginana. Isa-maraina dia nifoha sy nanao ny fahazarany isan'andro izy, nikarakara ny tokan-trano, ary niezaka nanohy ny fiainany na dia mbola nisy fahabangana lehibe aza tao am-pony.
Odette kosa tsy mbola nahavita nanadino an’i Faly. Isaky ny nahita ny sarin-janany izy dia mbola nahatsapa alahelo lehibe tao am-pony.
🕯️ Indray hariva, nipetraka teo amin’ny efitrano fandraisam-bahiny izy mianaka.
Odette: “Mbola any amin’i Faly foana iretsy ny eritreritro isan’alina a.”
Stella: “Na izaho koa aza ry Neny dia tahak'izany a, mba mahagaga ahy mihitsy koa.”
Odette: “Fa efa fantatsika aloha izao ny olona nahavanon-doza dia mba efa mandry am-piadanana ny zanako.”
Stella: “Eny, izany indrindra re ry Neny a. Ary tena mba tsy nampoiziko mihitsy hoe vitan'i Bary izao zava-doza izao. Fa efa voatazona vonjimaika aloha izy iny, ary mino aho fa handray ny sazy sahaza azy ihany koa.”
Odette: “Kanefa na izany aza dia tsy afaka hamerina ny ain'ny zanako mihitsy izany.”
Nirotsaka ny ranomason’i Stella.
Nifamihina izy mianaka.
💔 Tsy fantatr’izy ireo anefa fa na dia toa efa voavaha aza ny olana, mbola nisy zavatra nampisalasala tao ambadiky ny fanadihadiana.
Tao amin’ny fonja kosa, nipetraka sy lasa saina irery i Bary. Tsy nitsahatra nilaza izy fa tsy izy no namono an’i Faly, saingy tsy nisy olona nino azy intsony.
Bary: “Tsy izaho no namono azy…”
Naveriny matetika izany teny izany, saingy toa tsy nisy naheno.
⚖️ Herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, nisy vaovao tonga tany amin’i Stella sy Odette.
Nisy porofo iray tsy mbola voadinika tsara tao anatin’ilay raharaha.
Nampanantsoina tany amin’ny biraon'ny mpanao fanadihadiana izy ireo.
Mpanao fanadihadiana: “Tianay ny mampahafantatra anareo fa mbola misy ampahany amin’ny raharaha mila hamarinina tsara”
Odette: “Fa angaha tsy efa mazava ny porofo rehetra sy izay zava-nitranga rehetra e?!”
Mpanao fanadihadiana: “Misy zavatra hafa mbola mampisalasala anay madama a.”
Stella: “Inona indray izany? Afaka fantariko ve?”
Mpanao fanadihadiana: “Tsy afaka milaza zavatra betsaka aloha izahay amin'izao fotoana, fa ho hitantsika aoriana kely ao ihany ny tohin'ity raharaha ity.”
😟 Tsy nahazo valiny mazava izy mianaka.
Rehefa nody i Stella sy Odette dia nanomboka niresaka momba izany.
Odette: “Tsy azoko mihitsy koa ry zareo izany.”
Stella: “Fa ahoana ry Neny ?! Dia inona no tsy azonao ?”
Odette: “Ilay hoe mbola misy zavatra tsy mazava, izany hoe tsy mbola azo antoka izany fa i Bary no namono ny zanako?!”
Stella: “Tena tsy haiko mihitsy koa ry Neny a, na izaho koa aza mba talanjona sy gaga tamin'ilay teniny teo iny.”
Odette: “Tena manakorontana ny saiko mihitsy ity raharaha ity.”
🌧️ Ny harivan'io, nisy antso tonga tao amin’ny findain’i Stella.
Stella: “Allô?”
Feon-dehilahy: “Stella ve izao?”
Stella: “Fa iza izao miantso izao azafady ?”
Feon-dehilahy: “Bary ihany ity miantso anao ity e.”
Nangina i Stella.
Stella: “Ahoana no nahafahanao niantso ahy toy izao, f'angaha ianao io tsy any am-ponja e?”
Feon-dehilahy: “Tsy fantatrao angaha fa tsy azo atao ny mitazona sy manameloka ny olon-tsy meloka e?!Tsy mbola tena ampy ny porofo hahafahana mitazona ahy matoa aho tsy nizaka ny zavatra tsy nataoko. Ary tsy any izao no olana fa izao: misy zavatra tiako holazaina aminao fa mba henoy kely aho azafady.”
Stella: “Tsy misy antony tokony hifampiresahintsika izany intsony e.”
Feon-dehilahy: “Kanefa mila mihaino ahy ianao na tianao na tsy tianao.”
Stella: “Efa voaporofo fa ianao no tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'i Faly, koa inona ihany no mbola hiantsoanao ahy tahak'izao e!!?”
Feon-dehilahy: “Tsy izany lazainao sy izay eritreretinao izany anefa no tena marina, ary efa nolazaiko anao teo fa tsy mbola feno ny porofo hitazonana ahy matoa aho tsy voatazona tanteraka ho olona nahavanon-doza.”
Stella: “Aza miezaky ny manadio tena intsony ianao ry Bary a. Efa voaporofo fa ianao no tompon'andraikitra tamin'ny nahafaty ny vadiko.”
Feon-dehilahy: “Stella a, efa hoe tsy izaho no namono an’i Faly.”
Nangina ela i Stella.
Stella: “Nahoana ianao no mbola miezaka mandà mafy e?! Efa porofo mitohoka amin'ny tendanao izao dia mbola lavinao ihany !?”
Feon-dehilahy: “Satria na ny mpanao fikarohana aza dia mahalala fa mbola misy marina hafa tokony hiseho.”
Stella: “Inona ny marina hafa tokony hiseho?”
Feon-dehilahy: “Misy olona iray izay any, tsy mbola nilaza ny tena marina fa miezaky ny manafina izany, kanefa na ho ela na ho aingana dia tsy maintsy handray ny valin'asany izy.”
Nikatona tampoka ny antso.
😳 Nijery ny findainy i Stella.
Tonga tao an-tsainy indray ireo fotoana rehetra nandalovany. Tsy te hihaino izay nolazain'i Bary izy. Efa nihevitra izy fa efa nandray ny valin'ny nataony i Bary. Tsy te hiverina amin’ilay fahoriana teo aloha intsony izy.
Niditra tao amin’ny efitranony i Odette.
Odette: “Fa iza koa no niantso andrÿ teo?”
Stella: “Bary io niantso ahy teo io e.”
Niova ny endrik’i Odette.
Odette: “F'angaha tsy any am-ponja izy e? Ary inona koa no antony tokony hiantsoany andrÿ?”
Stella: “Tsy fantatro mihitsy na amin'ny fomba ahoana no nahafahany niantso teo,fa araky ny fahafantarako azy dia miriaria any izany izy. Ary nilaza koa izy fa tsy izy hono no namono an’i Faly e.”
Odette: “Mbola miezaky ny hanamarin-tena ihany ilay tsy vanona iny a. Izany hoe nivoaka izany izy?! Dia raha izany hoy indry dia mety tsy ho izy ve izany no namono ny zanako? Dia amin'ny fomba ahoana ary e? Tena tsy haiko intsony izay tena marina mahakasika ity raharaha ity fa ohatry ny sangodi-mpanina be izany ny mahakasika an-janako. Dia ahoana anefa hoy indrÿ taminy?”
Stella: “Nomeko ny hafatra sahaza azy mihitsy izy teo iny fa mandreraka ahy mihitsy.”
Odette: “Mety mihitsy ny nataondrÿ ka, lehilahy tsy mahay mihaina mihitsy. Raha mamerina miantso eo dia omeo ahy hiresahiko aminy fa dia omeko ny hafatra sahaza azy mihitsy ka.”
Stella: “Ataovy mihitsy ry Neny a, miombon-kevitra aminao aho.”
Avy eo samy nangina izy mianaka.
💭 Tsy nilaza tamin’i Odette anefa izy fa nisy zavatra iray nahasarika ny sainy tao anatin’ilay antso.
Ilay feon’i Bary.
Tsy toy ny feon’olona te hanadio tena sy matahotry ny ho voasazy izany.
Fa toy ny feon’olona matahotra zavatra hafa mihitsy. Ary na ilay feo ary dia feon'olona tsy mbola fahenony mihitsy.
🌙 Natory i Odette ny alin'io. Stella kosa mbola nipetraka irery tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny.
Nijery ny sarin’i Faly izy.
Stella: “Raha mba mbola teto ianao an…”
Nitsahatra tsy niteny izy.
Nandritr'izany fotoana izany, tany amin’ny toerana hafa, nisy antontan-taratasy iray nosokafana indray.
Nisy anarana maromaro teo amboniny.
Ary nisy fanamarihana iray nanasongadina fa mbola misy fanazavana tsy nifanaraka tamin’ny fotoana nahafatesan’i Faly.
⚖️ Niverina nisokatra indray ny raharaha.
Tsy mbola fantatr’i Stella sy Odette izany.
Tsy mbola fantatr’i Hoby koa.
Fa zavatra iray ihany no nanomboka niova: ilay fahatokisana fa efa fantatra tanteraka ny marina.
Ary raha vao nanomboka niverina indray ny fanadihadiana, dia nisy zavatra maro efa noheverina ho tapitra nanomboka niverina tsikelikely.
◈ ROVA BARSON • STORY CREATOR ◈
❤️ Réaction raha mbola maharaka tsara ny tantara ianao.
🔄 Partagez amin’ny namana sy groupe 05 misy anao ity épisode ity.
👉 Raha tsy mbola abonné amin’ny Pejy Rova Barson ianao, tsindrio ny Suivre dien'izao mba tsy hahadiso anjara anao amin'ny épisode 2.
📌 Ho an’ireo ao amin’ny groupe hafa kosa: midira ao amin’ny publication ao amin’ny Pejy Rova Barson mihitsy rehefa manao commentaire mba ho hitan’i Rova Barson ny hevitrareo.
💬 Raha ianao no teo amin’ny toeran’i Stella, mbola hino an’i Bary ve ianao rehefa nilaza izy fa tsy izy no namono an’i Faly? Ary amin'ny fomba ahoana no hahafahan'i Bary niantso azy kanefa izy ary any am-ponja?! Tena izy marina ve izany ilay niantso azy?
💬 Soraty ao amin’ny commentaire ny hevitrao.