
23/08/2025
Zaraina fa fahalalana mety ahasoa sy ahatsara
✅Toro-Hay amin'ny fananganana trano teo amin'ny Fomba Malagasy.
✅Maro be izy ireo fa efa zava dehibe ireto voalaza ireto .
✅Mazava ho azy fa andro velona ao anatin'ny tsinambolana no mety,hiadina fototra, hifindrana trano sy anaovana fanangana-njavatra :tsena vaovao , tetik'asa vao hantsangana,raharaha- panambadiana sns
✅Tsara daholo ny andro fa Sami manana ny hanitra oazy
✅ Indreto àry ireo toro hevitra vitsitsitsy ho an'ny izay mieritreritra hanangana trano:
🔹Tsy mitaha tsivingina
🔹Hafanàna ny toerana aloh'ny iadiana fototra
🔹Alana olana,raha misy ( fadirana )
🔹 Tsy azo atao ny mampiditra vato mialoha rehefa manao trano ( mavezatra ny vato,dia mavezatra ara panahafana ny fanaganana ),
🔹vimbinina ny angady fa tsy lanjaina ( mba ho maivana ny fananganana azy),
🔹Asiana vato velona marani doha fito sisiny amin'ny zoro efatra sy eo afovoany ,
🔹Hoentina ny ronono ,ntantely velo ndreny ,ny tongalatra sns: Anaovana fomba .
🔹Asiana velona arivo taona eny amin'ny zoro avaratra antsinana miaraka amin'ny ireo tendry sy lahatra lazain'ny manana ny "Antony sy ny tadidiny
🔹Hametrahana haren-tsimaty eo afovoany .
🔹tsy adino ny mivavaka sy mangata pitahiana ,ka Olona velon-dray amandreny na Ray aman- ndreny be no manao izany.
🔹Aza adino ny Manala saritaka
🔹Adina miakavanana ny adi-fototra
🔹Tsaramaso sy fananga kena no tena mety atao laoka (tsara sady mahasoa ,hananganana ny fanangany)
🔹Tsy ailika any ivelany ny tany iadiana fototra (harena ny tany dia tsy avela ivaoka)
🔹Araho ny rohy tany manaraka ny fomba ara-boajanahary sy rohy tany manambina anao .
✅Tsy mandrehatra afo ao raha tsy efa mitokana an'ilay trano rehefa vita.
✅Miankina amin'ny hasi-bavanao miteny sy hasi -tananao mandray ny herin'ireo zavaboahary izay ho ampesaina amin'ny fomba ireo ,Tsitsihana tsara ,tokavina ,sady angatahana amin'ilay nahary hanankery sy hanankasina
✅Zava dehihe ny trano satria:
🔹ao enao no hanangona harena ,
🔹ao ny toerana hiasanao voaloha ,
🔹ao ny miketrika izay tetik'asa sy vinavina rehetra .
🔹ao ny hampitombo taranaka sns
✅Ho an'izay Liana amin'ny Fomba sy andro tsara: hananganana trano na hitokanana, anaovana famadihana , famorana; dia afaka miantso, fomba Malagasy Ilay resaka ,
✅Tokanana ny trano rehefa vita ,tsy voatery manasa vahoaka be fa ny fomba fotsiny no atao tsara
✅Matetika dia tsy mety vita hatramin'ny farany na tsy mahatamana ny tsy fanarahana ny andro sy ny fomfomba amin'ny fanaovana trano
✅Misy ndray vita ihany fa tsy mahasalama na tsy mampaha ambinina sy mampihady mivady lava,tsy mahatamana ny tompony
✅Anisany tsinambolana tena tsara izao tsinambolana izao ,fotoana ijoroana, anandratana zavatra, angata pitahiana amin'ilay nahary ,fotoana ihany ko ampesaina zava boahary fanaovana fampandrosoana,atao ao anatin'ny ,"tsy azo tsapona" efa misy tsy tery lalana.
✅Teny atsipy ho an'ny mahalala,dinihany ny manatsaina :"Ny Tia tsy atosika,Ny mandà tsy terena"
-Fifandraisana :034 63 627 37 / 033 41 703 48
✅Toro Hay mety amin'ny olona: tsy mandray ny tsy atolotra,tsy manangona ny tsy nahà , mandala ny rariny sy ny hitsiny
✅Izay Liana amin'ny toro Hay mivantana ,dia miditra hafatra miafina .
✅Azo zaraina fa mety ahasoa sy ahatsara ny hafa