Mananjara - Pejy Ofisialy

Mananjara - Pejy Ofisialy Hizaràna fahalalana mahasoa sy mahatsara : paik'ady sy sopapa tsara iatrehana fiainana.

✅Toro-Hay amin'ny fananganana trano (fomba sy fanao amin'ny ady fototra)✅Maro be izy ireo fa efa zava dehibe ireto voala...
26/08/2026

✅Toro-Hay amin'ny fananganana trano (fomba sy fanao amin'ny ady fototra)
✅Maro be izy ireo fa efa zava dehibe ireto voalaza ireto .
✅Mijery andro velona ao anatin'ny tsinam-bolana (Tsara daholo ny andro fa samy manana ny hanitra hoazy).
✅ Tsy mitaha tsivingina:
🔹Hafanàna ny toerana alohan'ny hiadiana fototra
🔹 Hapetraka miaraka vato velona sy tsiazotsampona izay fiaro sy fandavorariana nalaina tany amin'ny manana ny antony sy ny tadidiny: hoentina miaro ny zavatra atao fa betsaka ny be fialonana,ory hava manana,manao halako-bika tsy tiako tarehy ka lasa milalao ody ratsy entina hisoparana..
✅Alana olana,raha misy ( fadirana )
🔹 hametrahana lefombatovelona amin'ny zoro efatra sy eo afovoany ,
🔹Hoentina ny ronono ,ntantely velo ndreny ,ny tongalatra sns: hanaovana fomba fanajana sy fangataha - ndalana amin'ny ilay nahary sy ireo Zava manakasina sy jiny ny tany eo ambany fiahiana.
🔹Asiana velona arivo taona eny amin'ny zoro avaratra antsinana miaraka amin'ny ireo tendry sy lahatra voalaza
🔹tsy adino ny mivavaka sy mangata pitahiana ,ka Olona velon-dray amandreny na Ray aman- ndreny be ny mivavaka
🔹Araho ny rohy tany manaraka ny fomba ara-boajanahary sy rohy tany mifanambina aminao
✅Miankina amin'ny hasi-bavanao miteny sy hasi -tananao mandray ny herin'ireo zavaboahary izay ho hampesaina amin'ny fiaro sy fandavorariana
✅Matetika dia tsy mety vita hatramin'ny farany ny tsy fanarahana ny andro sy ny fomba amin'ny fanaovana trano
✅Misy ndray vita ihany fa tsy mahasalama na tsy mampaha hambinina sy mampihady mivady lava,tsy mahatamana ny tompony
✅Zava dehihe ny trano satria:
🔹ao enao no hanangona harena ,
🔹ao ny toerana hiasana voaloha ,
🔹ao ny miketrika izay tetik'asa sy vinavina rehetra .
🔹ao ny hampitombo taranaka sns
✅Mazava ho azy fa mampiasa rano Ankararana mba hikarakarana ny vola miditra ety
manangana.
-Toro Hay mety amin'ny olona tsy mandray ny tsy hatolotra,tsy manangona ny tsy naha, tsy manao an-keriny sy an-ditra
Fifandraisana:034 63 627 37

✅ Lalao njanahary:Raikitra ndray ity fa tonga ny vaninandro sy ny vanimbolana✅Ao ny hitady an'i zay hahasoa sy hahatsara...
12/08/2026

✅ Lalao njanahary:Raikitra ndray ity fa tonga ny vaninandro sy ny vanimbolana
✅Ao ny hitady an'i zay hahasoa sy hahatsara,ao ny hitady fiaro ,ao ny hanandratra ny zava-boaharin'Andriamanitra ,ao ny hitady fanambinana sy fitahiana ara bola
-Efa zava dehibe raha mampiasa Tsiazotsapona, lefombatovelona , ary tsotsoraka
✅ Misy ny manisa andro manaraka ny volana ,ao ny manisa andro araky ny masoandro,Ao ireo nandray lova fanandroana,Ao ireo manontany andro amin'ny zava Manakasina...
-Fa ny hirariana dia samy ho tahian'Andriamanitra sy ny zavamanakasina daholo isika izay mbola miondana ny takalo be nentindrazana amin' izao tsinam-bolana vaovao izao
-Hangatao tsara ny fiarovana ny Aina fa ny Aina ny ambony indrindra: tsinotsinona ankory zao rehetra zao rehefa tsy voaharo ny aina
-Toro hay mety amin'ny olona tsy mandray ny tsy hatolotra,tsy manangona ny tsy naha, mitana ny rariny sy hitsiny .
-Izay mety aminao dia raiso , ny tsy mety avelao :ny Tia tsy hatosika ,Ny mandà tsy terena

Famadihana :anisany fomba Malagasy be ankolafafiny indrindra Ny andro hanatanterahana azyNy fanafanana Ny fitodiky ny ta...
02/08/2026

Famadihana :anisany fomba Malagasy be ankolafafiny indrindra
Ny andro hanatanterahana azy
Ny fanafanana
Ny fitodiky ny tataro
Ny fitodiky ny omby ho atao sakafo ho an'ny mpianakavy
Ny fiarovana ny vahoaka amin'ny tolaka sy tsindry aloka ary ny fiaro amin' ny vorika sy Bekitay
Ny fanarahana andro
Ary indrindra ny fanidy pasana
Izay mbola mitana ny fomba Malagasy dia mahatsapa tsara ny vokatra tsara ateraky izany.

Misy hevitra ara panahy lalina sy zavatra tsy hita maso tsy takatry ny saina

Fomba sy fanao : Andranonandriana ( merinarivo/miadanaAdriana)✅Ankasitrahana Andriamanitra Andriananahary ✅Ankasitrahana...
31/07/2026

Fomba sy fanao : Andranonandriana ( merinarivo/miadanaAdriana)
✅Ankasitrahana Andriamanitra Andriananahary
✅Ankasitrahana zava mana kasina:avo fipetraka fa iva fijery
✅ Ankasitrahana ny mpitety vaha tany sy vahan -danitra
Izay tsy afaka ,mbola ho be no sisa

✅Ny asany vakana teo amin'ny fiainan'ny Malagasy ✅Vakana : fitaovana ara- panahy hifandraisana amin'ny ireo fanahy tsara...
24/07/2026

✅Ny asany vakana teo amin'ny fiainan'ny Malagasy
✅Vakana : fitaovana ara- panahy hifandraisana amin'ny ireo fanahy tsara eo ambany fiahian'Andriamanitra nahary izao rehetra izao
✅Hifandraisana amin'ny ireo zava manakasina sy ntotolo tsy hita maso.
✅Misy karazany maro ny vakana ,ary arakaraky ny anarany ny asany :misy hanaovana famato karena,misy hanaovana famato tanàna,misy fiaro ,misy fandroritana,misy fandavorariana,sns
✅ Arakaraky ny rohy misy anao sy tonon-mbitana nahaterahana no mamaritra ny vakana mety sy tsy mety amin'ny isa-batan'olona
✅Misy koa lahatra sy tendry avy amin'ny ireo zava manakasina ireo no hanaovana azy .
✅ Rehefa vao azo ny vakana dia diovina any amin'ny Riandrano ary hasandratra ireo manana ny Antony sy tadidiny
✅ Mazava ho azy miasa sy manao izay mety hivoarana amin'ny fiainana,dia manampy any amin'ny tsy hita maso ny vakana
✅Tendrena any amin'ny lapa misy zava manakasina ny gaodro sy valiha dia atao maredona ny hiranjanahary hitondrana azy mandihy
✅ Arahana ny lalàna ara boajanahary sy ara panahy raha te ahita vokatra
✅ Izay nanafatra vato velona lefombato sy tsiazotsampona dia amin'ny alahady ny alaina
✅Toro Hay mety amin'ny olona tsy mandray ny tsy hatolotra, tsy manangona ny tsy nàha, tsy be fialonana sy mirehareha, mitana ny rariny sy hitsiny
✅Zarao fa mety hahasoa sy hahatsara ny hafa
✅ Mbola ao anatin'ny miaka-bolana isika , fotoana mety hakana rano akararana.
✅Izay mety aminao dia raiso ,ny tsy mety avelao, Ny Tia tsy hatosika, ny mandà tsy terena .
Efa tonga ny fanafanana trano sy fiara izay nanafatra
✅Tsy very haja Sady tsy resy tosika ny mandala ny maha Malagasy
Fifandraisana :033 41 703 48 / 034 63 627 37

✅Ny maha-zava dehibe ny Andro hananganana,sy hanombohana zavatra teo amin'ny Malagasy ( trano , tetik'asa vaovao,fivarot...
15/07/2026

✅Ny maha-zava dehibe ny Andro hananganana,sy hanombohana zavatra teo amin'ny Malagasy ( trano , tetik'asa vaovao,fivarotana,fanambadiana, famorana, ala volonjaza sns )
✅Samy manana ny hanitra hoazy ny Andro sy ora nomen'Andriamanitra: Ao ny Andro fanombohana,ao ny Andro famaranana,ao ny andro hifaliana,ao ny andro tsy hifaliana ..
✅Rehefa miakatra ny volana eny an danitra dia miakatra miaraka aminy ny hery sy onja tsy hita maso amin'ny zavaboaharin'Andriamanitra rehetra ety ambany masoandro ( ondes et vibrations)
✅ ka raha hanangana sy hanorina dia ezahana hifandrindra amin'ny andro velona ao anatin'ny miakabolana.
✅Fahaiza mandinika sy fanarahana lamina ara boajanahary sy lamina ara panahy ny fijerena ny kintana sy volana ary masoandro fa tsy finoana.
✅ Rehefa zavatra hiandrandrana sy hiandrasana fahasoavana sy fanambinana dia amin'ny tsinana hatramin'ny fenomanana ny fijerena andro velona hanombohana sy hanaovan- javatra :toy ny miady fototra amin'ny trano, maka rano ankararana ,midio ara panahy sady maka rano masina , Mitokana trano, fanorenana fanambadiana , famorana, ala volonjaza ..
✅"Alao Andro fa ny tonon'andro tsy mahalehilahy ,Alao faditra fa ny tolapaditra zava mahery"
( Faditra: Zavatra ratsy mifangiditra amin'ny fiainana ka mahatonga tsy firindrana amin'ny fiainana)
✅ Rehefa rava kosa ny volana dia andro natao hanilihana ny ratsy , hanalana an' izay tsy soa, sns
✅Ny hanaovana an'izany rehetra izany ,dia ny mba hisiany fahasoavana tsy mana pahataperana ,ary hiantsoana fanambinana ho avy ,mba ho hirin'olona fa tsy haniry olona ,indrindra mba ho velo mirihariha eto amin' ity tany ity
✅Izay nanafatra lefombatovelona sy tsiazotsampona ho atao fiaro dia amin'ny lahady no halaina.
✅Izay nanao famandrihana hikabary am panambadiana sy hikarakara fomba fanao amin'ny ady fototra, fitokanana trano ,famadihana amin'ny volana Aout sy septembre dia miantso alohan'ny Alahady
✅ Fifandraisana :033 41 703 48 / 034 63 627 37

✅ Tsy manao an-keriny leisy ry sakaiza,tsy manao an-ditra ,fa ao ilay Andriamanitra Andriananahary lehibe mahita ny  rar...
07/07/2026

✅ Tsy manao an-keriny leisy ry sakaiza,tsy manao an-ditra ,fa ao ilay Andriamanitra Andriananahary lehibe mahita ny rariny sy ny hitsiny ho anlah !
-Andriamanitra tsy andrin'ny hafa , Andritsika eto ihany
-Ao ireo zava manakasina avo fipetraka fa iva fijery,Ao koa ireo iva fandry fa avo fijery mahafantatra tsara ny zava misy rehetra,ka ento ampehendrena leroa: fa sambo-balala main'andro io: mety tsy azo anio fa azo rahampitso .
-Tany manakasina voafehy tamin'ny velirano sy sahato ity tanindrazana ity ,tsy haharitra ela eo ireo izay manao ratsy ,tia tena , mandray ny tsy hatolotra,manao halako-bika tsy tiako tarehy , mamorona zava tsy misy entina manaratsy ny hafa mba ahazoana tombontsoa manokana,be fialonana dia lasa mampiakatra ody mahery,hum....
- Efa nomena leroa ny mahazaka hafotra an' ala be ,hazakana ny manta ,hazakana ny masaka,hazakana ny adidy , hazakana ny andraikitra, hazakana ny fantsy , hazakana zay tsy zakan'olombelona ...
- Efa nomena ny zava tiana tsy haderadera leroa ,ko herezo ny diha, fa any vary adraisisa io ,dia afaka, Tsy mitaha tsy vingina leroa dia vitany laisany io.
-Izay tsy afaka tamin'ny lalaonjanahary farany teo ,dia aza malaelo fa amin'ny renivolana Alasaty na Hasimbola hijeretsika andro velona zanakandro Alahamady na Alakaosy .
- ialahy isany zay namely anay aloha , dia nitsapa vy mamay tsara laisany
✅ Ireo nanafatra Tsiazotsapona sy lefombatovelona dia amin'ny tsinam-bolana manaraka ny halaina
✅Tsy very haja sy tsy resitosika ny mandàla ny Maha -Malagasy
Fifandraisana : 033 41 703 48 / 034 63 627 37

✅ Iangaviana izay nisafidy anay handavorary fomba atao amin' ny fanandratan-njaza ,(famorana),ady fototra trano amin'ny ...
06/07/2026

✅ Iangaviana izay nisafidy anay handavorary fomba atao amin' ny fanandratan-njaza ,(famorana),ady fototra trano amin'ny tsinam-bolana manaraka mba hamerina hiantso
✅ Ireo nanafatra mpitendry Angorodao hampiasaina hitokanana trano sy hanaovana famorana dia miantso alohan'ny Alakamisy
- Izay nisafidy anay hikabary am panambadiana sy hitondra fomba amin'ny famadihana amin'ny volana "septambra" dia mamerina manamafy
✅ Amin'ny Alakamisy vao afaka mandray olona hanao fomba( Olona Hanao fanadinana sy haka fandavorariana )
Fomba ny atao aty fa tsy fitsaboana,raha marary dia mijereva mpitsabo mifanambina aminao
✅Tsy very haja sy tsy resitosika ny mandàla ny Maha -Malagasy
Fifandraisana : 033 41 703 48 / 034 63 627 37

Address

102
Antananarivo
102

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mananjara - Pejy Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Mananjara - Pejy Ofisialy:

Shortcuts

Share