Madagascar Chroniques

Madagascar Chroniques Et si nous réhaussions la mentalité ? Allons loger la médiocrité dans les oubliettes !

🔥🔥🔥Rakotra olona ny 13 Mai 🔥🔥🔥     Vahoaka aman’aliny no vory ety Analakely amin’izao ora izao ka tapaka tanteraka ny fi...
13/10/2025

🔥🔥🔥Rakotra olona ny 13 Mai 🔥🔥🔥

Vahoaka aman’aliny no vory ety Analakely amin’izao ora izao ka tapaka tanteraka ny fifamoivoizana eto amin’ny Avenue de l’indépendance (13 mai) noho izany. Mihoatra lavitra ny nandrasana mantsy ny isan’ireo mpitokona tonga namaly ny antso ka tsy omby intsony ny toerana.
Tsy tafiditra eo an-tokotanin’ny CUA intsony ny ankabehazan’ny olona ka voatery miafina eny ambany arcades eny.
Tsiahivina fa mitambatra ety avokoa n’y FTAR (Taxi Clémence), ny fan an’i Babà, Gen Z, Y…, ny fluenceurs, ny mpianatry ny Université (Ankatso-Vontovorona), ny mponin’Imerintsiatosika, ireo
Syndicats amanjatony, ireo mpanao Politika mahazatra (TIM,HVM,Siteny, sns…) sy ireo mpanaradia azy, ny collectif des 11 candidats (choux fleurs) sy ireo fikambanana aman’arivony maro tsy voatanisa.
Ary ny farany sy lehibe indrindra dia i Ketakandrina RAFITOSON sy ireo mpanaradia azy ao amin’ny Transparency International (TI-IM) izay nanomana sy mandrindra izao fandresena izao.
« C’est grâce à l’acharnement continu contre Rajoelina et sa troupe, la détermination infaillible à renverser le régime ainsi que les stratégies avancées dignes des plus grands Putschs dont Ké et ses activistes ont fait preuve que ce renversement a vu le jour.» hoy ireo tanora avy ao amin’ny rehefa nitafa taminay.

Ny azo lazaina dia tsy mbola nisy hetsika nahavory olona toa ity teto Analakely hatramin’izay naha 13 mai ny 13 mai.

11/10/2025

Mifanantòna dia mifampiresaha zalahy ah !
Matsiravina ny zavatra hiseho eto raha sanatria ny samy miaramila no hiady.
Mahatoky ny fahendrenareo Tafika Malagasy.

« Averina alefa eto ity fiovana ity fa tsy matotra ilay saika haka azy » hoy ry boss mpisera eto amin’ny FB. Andalana ho...
03/10/2025

« Averina alefa eto ity fiovana ity fa tsy matotra ilay saika haka azy » hoy ry boss mpisera eto amin’ny FB.

Andalana ho eny Ambohijatovo ny admin no niverina tampoka rehefa namaky ity lazain’ny Gen Z ity.
Tsy ain’ny admin intsony hoe inona ilay tanjon’ny tolona sy ny tena fitakiana nefa efa misimisy ihany izay mouchoirs lany noho ny lacrymogènes izay.
Mitady ho kivy amin’ny làlana izoran’ireo tanora nantenainy ny admin 😫

1- Pacifique ny hetsika nefa misy fandrobana
2- Jiro sy rano no notakiana dia lasa mitaky zo fototra indray na efa nilamina ary ny resaka Jiro sy rano (Ndao ihany loa)
3- Tsy mila mpanao politika ny Gen Z nefa tampoka teo lasa « ampionareo zoky izahay fa tsy vitanay irery ity » (eny e ndao foana)
4- Niova fitakiana indray ka niova ho « esory ny gouvernement Ntsay sy ireo minisitra » (nandeha foana ny admin na efa nanomboka very ary)
5- Noesorina ary ny PM sy ny gouvernement, tampoka teo lasa « esory Président sénat ary Ravalomanana (dada) no atao solony » indray ny revy nandeha. (Nanaraka ihany ny admin satria tsy nisy natao fa very asa tamin’ilay fandrobana)
5- Efa rava ny gouvernement kanjo lasa miala Rajoelina indray… hmm naka souffle kely loa ny admin fa matahotra tetezamita 😫
6- Tsy mila miresaka am Prezida ny Gen Z fa ny fialany ihany no vaha olana… vetivety teo nefa io fa lasa manome ultimatum ho an'i Prezida ndray no sady mila miresaka… (Niverin-dalana tanteraka amin’izay ny admin fa ohatrany lalana makany ankady daholo izay mba alehan’ireto tanora nandrainy)

Mba matotra amin’izay moa lesy fa tsy fifidianana délégués L1 na chef de classe anie izy ity e 🙄

Mr le Maire Imerintsiatosika, manimba ny tolona.Sady matin’ny orana no navela nandeha tongotra tsisy niraharaha intsony ...
30/09/2025

Mr le Maire Imerintsiatosika, manimba ny tolona.
Sady matin’ny orana no navela nandeha tongotra tsisy niraharaha intsony rehefa vita izay nilainy ny olona nampiditra azy tao Ambohijatovo.
Izy nandeha fiara nilamindamina nody avy any nihazo an’Imerintsiatosika.
Dia eo ianareo rehefa mbola manaiky atao fitaovana eo foana ee

Fa aiza ihany ny tena marina ry Gen Z ah?Mitady anao resa-jaza izany ianareo indraindray ka lasa tsy raisin’ny mpanaraka...
28/09/2025

Fa aiza ihany ny tena marina ry Gen Z ah?
Mitady anao resa-jaza izany ianareo indraindray ka lasa tsy raisin’ny mpanaraka sy ny fitondrana sérieux intsony ny fanambarana.
Atoandro niantso 13 mai,
Hariva indray niova tampoka hoe mankeny Ankatso daholo.
Mitsingevangevana lasa revin-jaza amin’ny maha Z azy lay tolona fa tsisy mba stratégie matotra mihitsy.

Anisan'ny lehilahy tia mampirevy ireo namany ity lehilahy nodimandry ity .Mialohan'ny nandevenana azy teny Antsahadita m...
12/10/2023

Anisan'ny lehilahy tia mampirevy ireo namany ity lehilahy nodimandry ity .
Mialohan'ny nandevenana azy teny Antsahadita moa dia nampirevy farany izy , nampandalovina farany teo amin'ny "Gerbor" .

Izy moa izany efa maty fa ireo mpiray tampo aminy no nividy "jus sy toaka " teto , mba ho fahatsiarovana azy .

Mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviana.
(Nahazoana halalana tamin'ny fianakaviana ) .

Nalaina tao amin'ny pejy: Manja Foana

Tratran'ny mpitandro ny filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny teny Mahamasina ilay ramatoa malaza ho arom-paosy .Ts...
30/03/2023

Tratran'ny mpitandro ny filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny teny Mahamasina ilay ramatoa malaza ho arom-paosy .
Tsy nify ny aina nafohy na dia nikafa ny hanaikitra ireo polify monifipaly ary ity farany.

Araho (f'abonner + j'aime 👍) ny pejy hanarahanao ireo tranga mifeho eny anivon'ny fiaraha-monina eny.

👍Aza adino ny manaraka (s'abonner) ny pejy Madagascar Chroniques Oronan-tsary MALOK'ILA "Le grand retour" 🎬By Scoop Digi...
29/03/2023

👍Aza adino ny manaraka (s'abonner) ny pejy Madagascar Chroniques
Oronan-tsary MALOK'ILA "Le grand retour" 🎬
By Scoop Digital 🎥

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TANY BRICKAVILLE: FIANAKAVIANA IRAY TRA-DOZA. 😔 Fianakaviana iray nikasa ny hiala sasatra any Foulp...
28/12/2021

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TANY BRICKAVILLE: FIANAKAVIANA IRAY TRA-DOZA. 😔

Fianakaviana iray nikasa ny hiala sasatra any Foulpointe no niharan-doza io maraina io teny amin'ny RN2, 8km miala an'i Brickaville.
Fito (7) izy ireo no tao anaty fiara ka efatra (4) no fantatra fa namoy ny ainy.
Mpivady, ny zafikely iray (1) sy ny vinanto no nodimandry ary ny zanak'izy mivady, ny zafikely (1) sy ny mpamily kosa no avotra tamin'ity lozam-pifamoivoizana niseho ity.

Manentana atsika mpampiasa lalana hitandrina hatrany, indrindra amin'iny RN2 faritra atsinanana iny izay avy orana matetika ka malama.

Izahay eto amin'ny Madagascar Chroniques dia mirary fiononana feno hoan'ny fianakaviana.

Tsy maintsy hiatrika fandidiana ny SEG 😢Nisy ratra sy fahatapahana vokatry ny fianjeran'ny angidimby 🚁 izay nitondra azy...
28/12/2021

Tsy maintsy hiatrika fandidiana ny SEG 😢

Nisy ratra sy fahatapahana vokatry ny fianjeran'ny angidimby 🚁 izay nitondra azy ny Jeneraly Serge Gellé Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ka voatery hodidiana.
Raha ny fantatra dia eny amin'ny hopitaly miaramila Soavinandriana ny tenany no hiatrika izany fandidiana izany.

Tonga nitsidika sy nankahery azy teny amin'ny hopitaly ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.

Izahay eto amin'ny Madagascar Chroniques dia mirary fahasalamana sy fasitranana aingana hoan'ny SEG.

Address

Antananarivo

Telephone

+261342897935

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Madagascar Chroniques posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share