22/11/2025
đNANANGATRA ILAY VEHIVAVY NIVONOINA TAO MAROVOAY FARITRA BOENY KA TSY NAMELANY MIHITSY ILAY NAMONO AZYđ
Nanangaran'ny olona novonoiny ity ramatoa ity ka, niloa-bava sy nifona tamin'ny renin'ny maty izy, omaly tolakandro, tany Tsimahajao Marovoay, faritra Boeny.
Tamin'ny herintaona tahaka izao no namonoany an'i Marovavy, izay namany ihany, ary tena akaiky azy, mifampizara ny manta sy ny masaka, tany Ambalatany.
Nanana rafivavy anefa io namany io. Izy amin'izay no nataon'ilay rafivavy fitaovana, nokaramaina 50 000 ariary, hanapitra ny ain'ny namany.
Nasiany poizina ny sakafon'i Marovavy ka maty.
Nanomboka teo, tsy nahita tory ity namana mpamadika, satria nisehoan'ny avelon'ny maty matetika. Nilaza taminy io angatra io fa : « Mandehana ianao mifona any amin'ny mamako ! ».
Omaly no fe-potoana farany nomen'ilay avelo azy. Nony farany, hany heriny dia, nandohalika nanomboka teo amin'ny Port Antafia ka hatrany an-tranon'ny renin'i maty ; nitantara ny zava-marina sy nidradradra nangata-pamelĂ na.
Namela azy ny tompo-manjĂČ ary nilaza fa : « Misaotra anao nahavita izany. Tsy anjaranay ny famaliana fa an'Andriamanitra ».
Tezitra ihany ny olona nahare ny zava-doza vitany ka, nihorakoraka hoe : « Mpamosavy e ! Mpamosavy e ! ».
Tokony ho tamin'ny 4 ora tolakandro indrindra no nandalo ireo polisy 2 lahy manao fisafona, nitondra azy tamin'ny moto nankany amin'ny birao avy hatrany, hisorohana ny fitsaram-bahoaka.
Lasa namonjy ny tokatranony izy taorian'izay.
©Skispass Atm