16/01/2026
‼️Eh ooo!!
_Ndao hiara hianoka BAGASY an-gitara e💥
_SEHO GOAVANA miaraka amin'ny " TARIKA ZANDRY GASY"
Aiza daholo isika mpankafy gitara rehetra e?
Aiza daholo ihany koa ianareo mpianatra rehetra efa nandalo tato amin'ny ToromarikA & PaikA ?
_Tongava fa fotoana mamy ity hoan'ny rehetra, na iza na iza hijery sy hanatrika dia mety daholo fa tongava!
_Fotoana tokana ity hoan'ny eto Tana iarahana amin'ny Tarika ZANDRY GASY, _Fotoana iray ahafahantsika manandratra sy manome lanja ny BAGASY an-gitara, hiarahantsika manandratra hoamin'ny avo ny BAGASY an-gitara e.
_Fotoana iray ihany koa ity hanohananao ny TOROMARIKA & PAIKA amin'ny alalan'ny fanjifana ny tapakila misy rehetra amin'ity SEHO GOAVANA ity.
Ny tapakila dia mitsinjara ho toy izao :
- tapakila tsotra : 20 000Ar
- tapakila famandrihan-toerana : 30 000Ar
- tapakila hoan'ny toerana voatokana : 50 000Ar
Hitanao amin'ireto toerana ireto izy rehefa mivoaka ara-dalana :
_SUPER MUSIC ANALAKELY
_TOROMARIKA & PAIKA MAHAMASINA
🔷 Antso & famandrihan- toerana, fanazavana fanampiny : 038 50 750 55
📍Hisaorana sahady ireo efa miaraka miasa hahatontosa tsara be ity hetsika ity :
_miRitsoka (fanamafisam-peo, jiro & hazavana, Lapihazo, vata mpamorona herin'aratra)
Mpikarakara : ToromarikA & PaikA Ofisialy | ToromarikA & PaikA |
Ampian'i Event Art Culture , Cours Toromarika Sy Paika , Cours Maths Physiques .
TOERANA : CC ESCA ANTANIMENA
FOTOANA : ALAHADY 26 APRILY 2026 AMIN'NY 03 ORA TOLAKANDRO.
TONGAVA MARO FA ANTONONA ANTSIKA AO, TONGAVA HIFANOHANA AMINAY, TONGAVA. MANOHANA NY KANTO MALAGASY
BAGASY AN-GITARA, BAGASY MAZIA ROMOTRA
ZARAZARAO AMIN'NY NAMANAO dia AMBOARY NY FOTOANA
Tsara homarihina fa :
_Mandray ny fiaraha miasa rehetra ihany koa izahay tompoko hoan'izay vonona, hahatontosa antsakany sy andavany ity SEHO ity, hiara hisalahy aminay.
_Mandray ny endri-panohanana rehetra ihany koa tompoko izahay, fanampiana isan-karazany( ara-kevitra, ara- pitaovana, ara-bola indrindra indrindra).
_Izay omenareo am-pitiavana dia raisinay an-tanandroa
Hoan'ny endri-panohanana rehetra dia afaka miantso ny laharana : 034 64 203 42
Afaka miditra MP ihany koa dia milaza izay endri-panohanana tianao atao tompoko.
INFO PARTENARIAT : 034 64 203 42.
" Mifikira amin'ny tsara"