09/07/2025
๐จ | ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ - ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ข
๐ NENIBE RANORO
Zanak'i Andriantsira sy Ratsihory vadin'Andriambodilova niterakan'i Rakotomaditra sy Andriaendrana, nisaraka ka nalain'Andriatsimandefitrarivo vady dia niterakan'i Andriandahimbolamena milevina eo Ambatolampy Ambohimanarina.
โ
TANTARAN'NY VOHITRA ANDRANORO
Tokony taminy taona 1610, andron'ny mpanjaka Andrianjaka hono no niorenan'ny tantaran'i Andranoro. Randriantsira sy Ratsihory mivady no nahita ny vohitra voalohany, raha niala sasatra teo ireto farany, ary fahiny dia mbola Mamba no nahalalana ny anaran'ny toerana . Rano be feno ala no teo ary lakana no fitaovam-pitanterana tamin'izany.
Rehefa niala sasatra teo ary Randriantsira sy Ratsihory, dia naniraka miaramila efa-dahy hizaha ny tany hitsinjovana ndrao sao hisy mpanafika. Rehefa hita fa mandry ny tany dia tapakevitra fa onina eo izy ireo ary naharitra taona maro.
Naniry anan-janaka izy mivady ka raha zazavavy dia ataony hoe RANORO hono fa hiriany hanoro ny tsara, ny hitsiny, ny rariny ny marina aminy olombelona. Tena nahazo zaza tokoa dia io fa raikitra hoe RANORO ny anarany , ary ny dikan'ny hoe Noro dia Fahamiranana, fifaliana, rehefa maty moa zareo dia nalevina ao antampon'Andranoro izay mbola ao mandrak'izao, ka ireo izany no tompon'ny vohitra voalohany. Nataon'izy mivady hoe ANDRANORO no anaran'ny toerana fa nahazo ny mahafaly ny fo no araka izay niriana.
Fady anononana hoe "Sira" ny vohitra, fady kisoa, tongolo sns...ary noho ny tsy fanajan'Andriambodilova ny dina nataony tamin'i Ranoro mahakasika izay sira izay mihitsy hono no nahatongavan'i Ranoro nisaraka taminy ka nandray lakana niverina anaty ranon'i Mamba.
(Sary fanehoana)
ยฉ Zanaharitsimandry