19/09/2025
FIJOROANA VAVOLOMBELONA
Isan'ireo nandeha tongotra 94KM i Diakona Coriane, fa inona no antony tena nanosika azy hahafoy hery lehibe tokoa toy izany?
▪️ Misy milaza ato hoe fa nga tsy misy Andriamanitra any Midongy Atsimo no tsy maintsy nanao izany?
▪️ Sa any Farafangana ihany vao miasa ilay fahasoavana?
▪️ Sao kosa dia adalana ilay nataony? Eny aleo atao hoa adala amin'i Jesosy sy ny Filazantsara izy.
🎙 Hijoro vavaolombelona izy ny amin'ny Antony sy ny fandresen-dahatra ka nahatonga azy niaritra diatongotra adro sy alina tsy akiato, ny amin'ireo fahasoavana efa azony ka mahatonga azy mikely aina ny amin'i Jesosy sy ny Filazantsara.
🔰 Ny mahagaga ihany koa dia hay miasa amin'ireo Toriteny Video ireny ny Tompo fa tsy mijanona ho sary sy feo fotsiny. Hery lehibe ho an'ny Midongy Atsimo ny fazahoana ny direct sy ny Toriteny Video an'ny Apostoly fa tena mitondra fahagagana any Midongy.
TV7FOI Madagascar