04/09/2025
Manakara Misebosebo 2025
🇲🇬 🇲🇬 HO FANANDRATANA NY KOLON-TSAINA MAHA MALAGASY IZAY AO AMIN'NY FARITRA FITOVINAGNY SY FAMPIROBOROBONA ARA-TOEKARENA, KOLOTSAINA ARY NY FIZAHATANY🇲🇬
🎉 Tongava maro amin’ny Festival Misebosebo eto Manakara!
Ny 12 hatramin’ny 24 Desambra 2025
Manakara – Fitovinagny Madagasikara
Manasa anao izahay hiara-hientana sy hanadratra ny Festival Misebosebo, hetsika lehibe ara-kolontsaina, ara-toekarena sy fizahantany, izay hanamarika an’i Manakara mandritra ny herinandro mahery!
Inona no ho hita eny an-toerana?
✅ Seho an-kalamanjana sy fampisehoana ara-javakanto
✅ Tsena sy varotra vokatra avy amin’ny faritra (voankazo, tantely, zava-maniry, asa tanana…)
✅ Hetsika ara-panatanjahantena sy fifaninanana samihafa
✅ Hira sy dihy nentin-drazana sy maoderina
✅ Fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao Malagasy
✅ Fampirantiana sy fifanakalozana ara-tsaina sy ara-kolontsaina
Ny tanjona dia hanome sehatra ho an’ny tanora, mpandraharaha, tantsaha, sy ny artista – hampivelatra ny faritra sy hanandratra ny maha-Malagasy!
Andao isika hifaly, hianatra, hifanakalo traikefa, ary hifandray amin’ny fomba amam-panaontsika manankarena!
Raha mila fanazavana fanampiny dia antsoy na manorata :
📧 [email protected]
📧 [email protected]
☎️+261 38 38 144 14
☎️+261 34 50 854 42
▶️ Araho ny pejy ho an’ny fandaharam-potoana sy ny vaovao mbola ho avy!