
22/04/2025
FANTATRAO VE ny soa azo avy amin'ny ZAVOKA?
1.Manatsara ny fahasalamana :
• Manankarena amin'ny fibre, potasium , anti-inflammatoire , manamafy ny hery fiarovana, anti-biotique, manatony ...
• Manampy amin’ny fanenana ny vatana : mampijanona ny hanoanana ny fihinanana ny zavoka satria ny zavoka dia misy acide oléique izay gras ilain’ny vatana ka manampy ny ati-doha i-controler ny hanohanana.
• Manankarena amin’ny fibre ny zavoka ka manatsara ny fandevonan-kanina
• Miady amin’ny areti-maso : misy luteine izay anti-oxydant ka miady amin’ny areti-maso
• Manankarena amin’ny folate ny zavoka : izay mahatsara ny zazamena na zaza ao ankibo ; ka tsara hoanin’ny viavy bevoka na tera-bao
• Manatsara ny fo sady mampihena ny tahan'ny cholesterol
• Mandanjalanja ny glycemie noho ny gras mono-insaturés ao aminy: afaka asolo dibera, margarine ary mayonnaise.
• Manankarena amin'ny potassium
• Manena ny arthrose ny fitambaran'ny zavoka sy soja
• Miaro amin'ny homamiadana
• Mahatanora hoditra
2. Mahatanora sy manatsara endrika : mi-hydraté ny hoditra ary manala tsy tsy metimety ary manamiratra ny tava ny zavoka .Atao indroa isan-kerin'andro :
Ireto ny sarona afaka atao :
* 1/2 Zavoka + huile d'olive 2 sotro fihinana : hoan'ny hoditra maina
Potehina ny zavoka ary afangaro menaka, osorana amin'ny tarehy madio mandritry ny 15 mn ampanarahana massage circulaire; kobanina..
*1/2 Zavoka + TANTELY 2 sotro fihinana : mitovy ny ambony ihany = mandina , mihatanora ny tava
*1/2 Zavoka + avoine 1 sotro fihinana = hydratée tsara ny hoditra sady malefaka
* 1/2 Zavoka + 2 sotro fihinana voasary makirana = tsara hoan'ny hoditra matavy na salasala
*1/2 zavoka + 1/2 akondro : hoan'ny hoditra marefo ary mampalefaka sy mahamandina ny tava
*1/2 zavoka = manala ketrona sy ny cicatrice
3.Mitondra hydratation sy proteine ary mahasalama volo ny zavoka.
Sokajianay ho masque hydratant izy satria tsy mahamaina na atao matetika Aza .
Mirary soa hatrany dia mba zarazazarao maximum fa mahasoa anao sy ny hafa merci 🙏🤗🇲🇬