25/02/2025
Matetika mora amin'ny zalahy ireto ny miteny hoe manangana source de revenu 3 na 4 amin'izao fiainana efa sarotra zao zay vo mety hoe ho tafita sy milamina be foana 🤭.
Normal raha amin'ireo taona ireo no mbola hitady vola satria tsy niasa , surement tokony efa retraité , satria nahoana? Niala tamin'ny asa taloha fa hoe hiasa tena, teniko fa tsy ny olona rehetra no ahavita hanangana orinasa saingy mety oe tanjona tsara fotsiny zany manangana orinasa izany. Inona ny tokony nataony? Tsy niala tamin'ny asa fa nitady vadin'asa mba hanampy ny fidiram-bola , azo atao ny manakarama olona hafa amin'izay rehefa retraité ianao dia sady miandry isam-bolana ihany no mampiditra isan'andro. Mety mora miteny anzany fa sarotra2 tanterahina fa arahana ezaka.
𝐓𝐬𝐲 𝐭𝐞 𝐡𝐢𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐟𝐚𝐭𝐲 ?
Malahelo aho mahita ny olona sasany efa maherin’ny 60 taona mbola miasa ihany, efa ho 70, 80 taona mbola mivoaka ny trano hitady vola.
Ny anton’izany dia misy ezaka tsy ampy natao tamin’ny mbola fahatanorana. Sady tsy ampy koa ny fanabeazana momba izany.
Ny tena hiankinan’ny maro dia ity:
Mianatra tsara, dia mahazo diplaoma, dia avy eo miasa, dia manamboatra trano, dia avy eo miandry pension, ka iny no hiainana rehefa tsy miasa intsony.
Nefa io pension io tsy misy dikany, tsy havelona anao io. Na ianao miasa aza dia efa mahatsapa tsy fahampiana, nefa mbola manantena iny pension iny.
Hiasa mandrapahafaty ianao raha izay no ao an-tsainao, satria rehefa efa mahazo taona, dia tsy misy orinasa hampiasa anao, nefa ny pension-nao tsy ampy anao. Ka eo ianao no tsy maintsy hiasa satria mila misakafo, sns.
Ataovy izao raha tsy te hiasa mandrapahafaty ianao:
1 . Mbola aty amin’ny 20 ka hatramin’ny 30 taona: Mifantoha amin’ny fananganana source de revenus 3 farafahakeliny. Mahaiza miary foana.
2 . Rehefa tonga amin’ny 30 ka hatramin’ny 40 taona: Aza maika mandany vola amin’ny passif, fa atodiho any amin’ny actif / investissement foana ny volanao. Ohatra, ataovy izay hahazoana trano 3 na 4 atao location.
Raha manana ireo fidiram-bola noresahiko teo aloha ireo ianao, dia azo atao tsara ny manatanteraka izany trano izany.
Aorian’ny faha-40 taonanao, mety efa hanana fahaleovantena ara-bola ianao raha manaraka izany. Ary aza miandry efa antitra vao ho “libre”, fa lasa miaina mba hiasa ianao amin’izay.
Tsy mora ny manatanteraka an’izany, fa vita raha miaraka amin’ny fiezahana sy hakingana.