Journal Media

Journal Media Informations, politique, sociale, culture

27/08/2026

TAFAKATRA 1500 ISA IREO TSY HITA POPOKA ANKEHITRINY ANY NEPAL MBOLA METY HITOMBO IO ISA IO.

ASIEF Maresaka indray  ao anatin'ny Andro maromaro ny Renivohitrin'ny Faritra Fitovignany.Manakara sy vohipeno no nandra...
26/08/2026

ASIEF

Maresaka indray ao anatin'ny Andro maromaro ny Renivohitrin'ny Faritra Fitovignany.

Manakara sy vohipeno no nandray ity hetsika ARAM-PANATANJAHANTENA izay handraisan'ireo mpiasam-panjakana maro samy, maro ireo karazana fifaninana hita any an-toerana.

Androany ny fotoam-panokafana tamin'ny fomba Ofisialy izay ny filohan'ny Fanavaozana mivady sy mpanolontsaina manokana ary ireo mpikambana governemanta no nanokatra izany.

Rehefa misy hetsika toy izao dia maro ny tombony ho an'ny toerana mandray izany.

OMEN'NY FANJAKANA VALISOA IREO IZAY MANANANA LOHARANOM-BAOVAO MIKASIKA NY VONO OLONA FENO HABIBIANA KA NAHAFATY AZY ROA ...
23/08/2026

OMEN'NY FANJAKANA VALISOA IREO IZAY MANANANA LOHARANOM-BAOVAO MIKASIKA NY VONO OLONA FENO HABIBIANA KA NAHAFATY AZY ROA VAVY

22/08/2026

Voaporofo teto fa tsy sakana velively ny fahasembanana ara-batana fa rehefa ao ny finiavana dia mandeha ny fiainana.

Nahita mivantana ny finiavan'ity olona ity Ramatoa minisitry ny mponina sy Firaisantsaina dia hanohana azy araka Izay vita sy tratra amin'ny alalan'ny fitondram-panjakana.

20/08/2026

Nosy-Be Hell-Ville

Mbola miseho hatrany olana ao Nosy-be Hell Ville

3S PDASENDIKA MAROMARO, EO ANIVON'NY MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA, MANGATAKA FIHAONANA MAIKA DIA MAIKA AMIN'NY PRR...
18/08/2026

3S PDA

SENDIKA MAROMARO, EO ANIVON'NY MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA, MANGATAKA FIHAONANA MAIKA DIA MAIKA AMIN'NY PRRM SY NY PRAIMINISITRA, MIKASIKA NY FAMAHANA IREO OLANA MIANJADY AMIN'IREO MPANABE, NANOME FEPOTOANA 48 MOA IZY IREO.

FJKM 58 TAONAFankalazana :Faha-58 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)18 Aogositra 1968 – 18 Aogos...
18/08/2026

FJKM 58 TAONA

Fankalazana :
Faha-58 taonan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM)
18 Aogositra 1968 – 18 Aogositra 2026
FIARAHABANA SY FIRARIAN-TSOA
Ry Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara malala,
“Arahabaina! Arahabaina! Arahabaina avokoa!”
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia miarahaba sy mirary ny fiadanan’Andriamanitra ho an’ny FJKM manontolo isika amin’izao fankalazana izao.
Feno 58 taona androany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, izay nitondra tamin’ny fomba ofisialy izany anarana izany rehefa nitambatra ireo Misiona Protestanta telo: LMS, FFMA ary MPF, ny 18 Aogositra 1968.
Koa tsy fankalazana taona fotsiny izao, fa fotoana hahatsiarovana ny fitarihan’Andriamanitra, hankasitrahana ny fahasoavany, ary hijerena ny andraikitra mbola miandry antsika.
Arahabaina indrindra:
Ny Filohan’ny FJKM;
Ny Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe;
Ireo Mpiandraikitra Foibe FJKM rehetra;
Ny Sekretera Jeneraly sy ireo mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonian’ny Departemanta sy ny mpiara-miasa aminy;
Ireo Tonia sy Tale rehetra, samy amin’ny andraikiny avy;
Ireo Prezida Synodaly sy ny mpiara-miasa aminy rehetra;
Ireo Mpitandrina mivady amin’ny Fitandremana rehetra, manerana an’i Madagasikara sy maneran-tany;
Ireo Katekista Delege;
Ireo Katekista;
Ireo Mpiandry;
Ireo Mpitoriteny;
Ireo Mpiandraikitra isaky ny Sampana;
Ireo Mpandray ny Fanasan’ny Tompo;
Ireo Katekomena;
Ary ny Kristiana rehetra, isan-tokantrano sy isam-batan’olona, na zokiolona na zandriolona.
Arahabaina avokoa!
Ho an’izay rehetra efa nitondra ny FJKM tamin’ny fotoan-tsarotra sy tamin’ny fotoam-pifaliana, ho an’izay mbola mitondra azy ankehitriny, ary ho an’izay hanohy hitondra azy rahatrizay:
Mankasitraka anareo!
Mampahery anareo! Ary mirary ny fahasoavan’Andriamanitra ho aminareo!
"mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo" I Kor 15, 58b

MANJAKA NY RAMATAHORA ATAO AMIN'NY VAHOAKA MPITOLONA MIADY AMIN'NY TSY RARINY AO NOSY-BE HElL VILLETsy mbola misy fanova...
16/08/2026

MANJAKA NY RAMATAHORA ATAO AMIN'NY VAHOAKA MPITOLONA MIADY AMIN'NY TSY RARINY AO NOSY-BE HElL VILLE

Tsy mbola misy fanovana azo tsapaintanana ao Nosy be Helle Ville,
Manjaka loatra ny ramatahora sy fampihorohorona, atao amin'ny ireo Vahoaka miady amin'ny tsirariny nohon'ny ataon'ny Mpitondra sasantsasany izay mbola zatra lalandririnina, manararao-pahefana, ka manao ireo mpitandro filaminana ao antoerana ho fitaovam-pamoretana sy fampihorohorona ireo Vahoaka mandinika izay mitaraina mitaky ny zony sy mampaneno Lakolosy ny amin'ny gaboraraka ataon'ny mpitondra.

Izao taratasy fiantsoana izao dia porofo iray manambara fa tsy misy fanajana lalana ary manambara fa tsy milamina ny ao Nosy be, ka mila jerena akaiky,

Ny mahagaga dia ity fiantsoana ity dia tsy misy motifs mazava hoe inona no Antony, fa otrany hoe fampihorohorona fotsiny mba ho fiarovana ireo gros poissons ao antoerana.

Maro ny zavatra tsy mandeha@laoniny ao Nosy be, toy n'y fandravana tany ataon'ireo mpanambola@vahoaka,
Eo ihany koa ny fanaraotampahefana ataon'ny Benin'ny Tanana, maro ny construction illicite izay vokatrin'ny Kolikoly, toy ny eo public eo ankaikin'ny Bureau ny Préfet ao Nosy-Be

Eto dia miantso ampanajana ny Fitondram-panjakana ny Vahoaka ao Nosy be, mba hidina eny ifotony, mba hanadihady sy hijery manokana ny olana ao Nosy be, fa mahatsiaro kamboty ny Vahoaka.

Mitaraina ny Vahoaka ao Nosy-be

TRANO FIVAVAHANA VAHAO NY OLOKOTONGA MANATRIKA ILAY CROISADE LEHIBE NY VAHAO NY OLOKO ENY AMIN'NY COLISEUM NY FILOHA NY ...
15/08/2026

TRANO FIVAVAHANA VAHAO NY OLOKO

TONGA MANATRIKA ILAY CROISADE LEHIBE NY VAHAO NY OLOKO ENY AMIN'NY COLISEUM NY FILOHA NY ANTEMINIERAMPIRENENA SY IREO AVY AMIN'NY FIANGONANA HAFA,ARY IREO RAY AMAN-DRENY HAFA.

14/08/2026

RAHARAHA CENTRE THERMAL RANOMAFANA IFANADIANA

HIARANY NY ANTSOJAY SY RAMATAHORA AVY AMIN'NY OLOM-BOAFIDY AO IREO TOMPON'ANDRAIKITRA TOKONY HISAHANA NY FITSABOANA SY FAMPANDEHANANA ITY CENTRE AO IFANADIANA ITY, EFA LASIBATRA SADY POTIKA FANANANA NY MPITANTANANA TEO ALOHA ARY EFA ANY AMIN'NY FITSARANA NY RAHARAHA HOY NY FANAZAVANA

Fantatra ankehitriny fa tsy misy mitsabo misahana ny fahasalamana intsony ao antoerana tsy misy miditra ao amin'ilay toerana ny mpiasa ny fahasalamana, efa mandeha ny tefy Ala, nohesorina ny takelaka ho marim panamarihana ny faha 124 taona ny Centre thermal Ranomafana Ifanadina tamin'ny taona 2023.

Noho izany nilaza ny MEDCINS CHEF ao amin'ity ivo-toerana ity fa tsy tompon'andraikitra amin'izay zava mitranga ao satria na izy tenany aza tsy tafiditra ao amin'ny toerana tokony hiasana.

Noho izany dia miantso ny minisitera tompon'andraikitra mba hamerina amin'ny tokony izy ny fampandehanana ny Centre.

Etsy ankilany manao antso amin'ireo tompon'andraikitra ihany koa ny sendika avy any amin'ny distrika Ifanadiana fa mafy ny mahazo azy ireo.

Ny mpitantanana teo aloha moa dia niharan'ny fandrobana ny toerana niasany sy ny fitaovany izay tsy natrehany vaditany ka voatery nitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana ity mpitantana teo aloha ity ary matoky ny fitsarana izy hoy ny fanazavana raha nitafa tamin ny mpanao gazety.

Address

Ratsimilao
Antananarivo
101

Telephone

+261341855538

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Journal Media posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Journal Media:

Shortcuts

Share