07/11/2025
TOHANO ILAY OLONA TSARA AO ANATINAO
Raha tianao ny ho sambatra sy hilamina ; raha tianao ny hiteraka traika miabo (+) eo amin’ireo olona mifandray aminao , dia tohano ilay olona tsara ao anatinao .
Misy fanahy tsara ao anatinao fa mila tohananao izy mba ho velona .
Fanteno mba ho zavatra tsara sy mahasoa no hanazaranao ireo retsi-pandre eo aminao , ao anatin’izany maso sy ny sofina .
Kolokoloy ny fahaiza-miaina sy ny fahalalam-pomba . Mizara miresaka milamina ; zaro hitsiky ny endrikao . Mamafaza fitiavana sy halemem-panahy ; manaova soa ; mahaiza mankasitraka .
Aoka hivelona amin’ny fanantenana ianao .
Ataovy matanjaka amin’ny zava-panahy araka an’ Andriamanitra Mpahary ilay olona tsara ao anatinao , dia hivoaka mpandresy izy .
Raoeliarijao