Gazety Ndao

Gazety Ndao Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Gazety Ndao, Media/News Company, Antananarivo.

05/11/2025


Tena mizotra makany amin'ny fanovana ve isika?
Eny👍
TSIA👎

TSY MFM INTSONY Andriamatoa PETY RAKOTONIAINA araka ny fanambarana efa natao tamin'ny 2023 mba tsy hanasoketana ny Antok...
23/10/2025

TSY MFM INTSONY Andriamatoa PETY RAKOTONIAINA araka ny fanambarana efa natao tamin'ny 2023 mba tsy hanasoketana ny Antoko M.F.M Madagasikara. Miasa mangina ny Antoko mitady ny lalankizorana hisian'ny tena fanovana eto Madagasikara.

Pety Rakotoniaina : Natsahatra tsy ho mpitarika vonjimaika mpiara-mitantana ny antoko MFM

Nanao fanambarana ny Komity Foibe ny antoko Mpitolona ho amin’ny Fampandrosoana an’i Madagasikara na MFM, eo anatrehan’ny kabary nataon’Andriamatoa Pety Rakotoniaina teny amin’ny CCI Ivato ny 22 septambra 2023, izay niarahany tamin’ny UPAR, momba ny fanambarana ny fanohan’io fikambanana io ny kandida Andry Nirina Rajoelina, amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika Malagasy ho avy izao, fa tsy fanapahan-kevitry ny MFM no nataony, noho izany tsy mamatotra ny antoko MFM ny kabariny fa fanapahan-keviny samirery.

Manana ny ambaratongam-pahefana mpanapaka ny MFM, indrindra fa zava-dehibe mahakasika ny firenena no resahina, dia ny Vovonana izany.

Nanapa-kevitra ny Komity Foibe MFM, fa atsahatra tsy ho mpitarika vonjimaika mpiara-mitantana ny antoko MFM Andriamatoa Pety Rakotoniaina mandram-pahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena.

Tsy manatrika ny fivorian’ny MFM na mamory mpikambana MFM isan’ambaratongam-pahefan’ny rafitra izy.

[email protected]
www.gasypatriote.com
Copyright © GasyPatriote

22/10/2025

Araho ary ny hevitry ny M.F.M Madagasikara mikasika ny raharaha-pirenena

17/10/2025

Mahaleova, mahalasĂ na... ry Gasikara sy ny Filoha vaovao.

Fanambarana iarahan'ny M.F.M Madagasikara sy ireo Antoko Politika mitovy hevitra hafa hanohanana ny hetsiky ny GenZ.
03/10/2025

Fanambarana iarahan'ny M.F.M Madagasikara sy ireo Antoko Politika mitovy hevitra hafa hanohanana ny hetsiky ny GenZ.

Fanambarana iombonana Antoko Politika maro mikasika ny raharaha-pirenena ary fanohanana ireo Tanora GenZ.

24/09/2025

SOLOHERY Charles Hilaire (MFM)
« Miankina aminareo foloalindahy no ahafahana manao ny normalisation démocratique »

🔴Ny antoko MFM dia nivoy mandrakariva ny « normalisation démocratique », hoy i Solohery Charles Hilaire. Ambaran’ny lalampanorenana ny fahafahan’ny olona manana ny heviny sy haneho ny heviny ary manao fihetsiketsehana, tsarovy fa lalàna ambony indrindra eto ny lalampanorenana kanefa dia ravana amina didim-panjakana tsotra.

🔴Miankina aminareo foloalindahy ny ahafahana mametraka ny normalisation démocratique ary tadidio fa tsy vahaolana ny famoretanana, hoy izy.

🔴Hery lehibe ho an’ny hetsika ny tsy fanaovan’ny mptandro filaminana famoretana araka ny fanehoan-kevitr'i Solohery Charles Hilaire satria tsy fanakorontana no atao fa famerenana ny zavatra nakorontana ho ao anatin’ny « norme » ka aleo ny olona haneho ny heviny hidina an-dalambe.

Address

Antananarivo

Telephone

+261337238258

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Gazety Ndao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Gazety Ndao:

Share