Rova Madagasikara

Rova Madagasikara "Sahia MIJORO,Sahia MITENY"

18/02/2025
06/02/2025

Lalatiana Henriette Rakotondrazafy
Voatendry ho loholon'ny Madagasikara ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌVIDIN-TSOLIKA โ›ฝ๏ธ Essence Sans-plomb :๐Ÿ‘‰๐ŸปNidina 5 500 ariary ny litatra raha 5 700 ariary/l teo aloha.โ›ฝ๏ธGasoil : ๐Ÿ‘‰๐ŸปNiaka...
05/02/2025

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌVIDIN-TSOLIKA

โ›ฝ๏ธ Essence Sans-plomb :
๐Ÿ‘‰๐ŸปNidina 5 500 ariary ny litatra raha 5 700 ariary/l teo aloha.

โ›ฝ๏ธGasoil :
๐Ÿ‘‰๐ŸปNiakatra 4 890 ariary ny litatra raha 4 760 ariary teo aloha.

๐Ÿ›ขPรฉtrole :
๐Ÿ‘‰๐ŸปLasa 2 630 ariary ny litatra raha 2 430 ariary teo aloha.

๐Ÿ“ธ Rova Madagasikara

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Ny sainam-pirenena Malagasy no natsangany sy nandrandrain'i    rehefa tafiakatra tamin'ny tendrombohitra 6.016 metatr...
04/02/2025

๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ Ny sainam-pirenena Malagasy no natsangany sy nandrandrain'i rehefa tafiakatra tamin'ny tendrombohitra 6.016 metatra tany Argentine tany ny tenany.
โ—I Zouzar Bouka moa dia mpandraharana an'ny VIMA na Vision Madagascar ary efa mpianika tendrombohitra tahaka izao teto an-toerana ary.

๐Ÿ“ธZouzar Bouka

โ›”ALERTE A  BEHENJY ITAOSYโ›”Ramatoa lehibe efa 85 taona, sady jamba tsy mahita intsony ary tsy salama ihany koa no noroaha...
03/02/2025

โ›”ALERTE A BEHENJY ITAOSYโ›”

Ramatoa lehibe efa 85 taona, sady jamba tsy mahita intsony ary tsy salama ihany koa no noroahan'ny Mpanam-bola hiala amin'ny tranony nipetrahany efa hatramin'ny taona 1969.

Androany maraina tokony ho tamin'ny 5ora sy sasany maraina no tonga andian-jatovo marobe sy solon-tenan'ny "soit disant huissier" narahana Mpitandro Filaminana nanala ary nanaitra tamin'ny torimaso an'i Bebe Berthe (85 taona) izay efa osa tanteraka sady jamba tsy mahita intsony. Ontsa tanteraka ny foko ary latsa-dranomaso aho rehefa nitantara tamiko ity Bebe ity ny nahazo azy.

Mpanam-bola nividy ny didim-pitsarana no naniraka Huissier sy nanakarama Mpitandro Filaminana ary Dokera namoaka ny entana. Tsy misy ialofana io Ramatoabe io ary nitaraina mafy mihitsy fa voafitaka.

Niantso ny voalaza eto hoe Mpanam-bola izahay fa tsy nanaiky hiresaka taminay mihitsy izy ireo.

Tantara mbola hitohy ity raharaha ity ary hanaraka azy akaiky ny tenanay.

TSY RARINY E ! TSY RARINY E ! TSY RARINY !

Aiza ianareo milaza ho Mpiaro ny Osa sy ny Madinika ?

๐Ÿ“ธAndrianaivoson Beullouh Rado Harivonjy

----District Ikongo ----๐Ÿ”ฅNitrangana hain-trano tao amin'ny Fokontany Ambatoharanana, Kaominina ambonivohitr'Ikongo andro...
02/02/2025

----District Ikongo ----

๐Ÿ”ฅNitrangana hain-trano tao amin'ny Fokontany Ambatoharanana, Kaominina ambonivohitr'Ikongo androany 02 febroary 2025.

๐Ÿ”ฅVoafehy ny afo noho ny fifanomezan-tanana teo amin'ireo Mponina sy ny Tompon'andraikitra rehetra tao an-toerana....
Toy izao ny fahavoazana:
-Trano may: 26,
-Trano noravana mba tsy hihitaran'ny afo: 02,
-Isan'ny Tokatrano : 31
-Isan'ny traboina : 183.

Source ๐Ÿ“ธ: Cdis Ikongo

๐Ÿ”ฅ Misy trano may eo Soavinandriana akaikin'ny HOMI izao atoandro izao.โ— Tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny fahama...
02/02/2025

๐Ÿ”ฅ Misy trano may eo Soavinandriana akaikin'ny HOMI izao atoandro izao.
โ— Tsy mbola fantatra mazava ny nahatonga ny fahamaizana.
Andrasana ny fanampi-baovao

๐Ÿ“ธ Sary Indrana

โš ๏ธ  #1000 ar ny miampita sarety amin'izao fotoana izao eny Besarety.๐Ÿ“ธ Lu Rak
31/01/2025

โš ๏ธ #1000 ar ny miampita sarety amin'izao fotoana izao eny Besarety.

๐Ÿ“ธ Lu Rak

๐Ÿ“›ANALAKELY : MPANDRAHARAHA MPANAKALO DEVISE MATY VOATIFITRALehilahy mpandraraha iray no maty notofirin'ny Jiolahy.๐Ÿ”ถNamoy...
31/01/2025

๐Ÿ“›ANALAKELY :
MPANDRAHARAHA MPANAKALO DEVISE MATY VOATIFITRA

Lehilahy mpandraraha iray no maty notofirin'ny Jiolahy.
๐Ÿ”ถNamoy ny ainy i Ledada mpanakalo devise notafihin'ny jiolahy ny maraina tamin'ny 10 ora tao amin'ny pavillon Analakely.
7 lahy ireo mpanafika ka nisy nitondra basy.
Nanambana basy teo alohan'ny tsena, Raha ny vaovao voaray dia niezaka nanohitra ireo jiolahy ity mpandraraha sy ny mpiambina azy ka notofirin'izy ireo avy hatrany ny sasany naka ny volabe tao an-tsena.
Notifirin'izy ireo teo amin'ny ambavafony i Ledada ka nitarika ny fahafatesany.

Nanana mpiambina 2 lahy i Ledada ka nitifitra ireo jiolahy izy ireo ka voa teo amin'ny tanany ( amin'ny sary ny rร  an'ilay jiolahy)
Tsy nisy ny tifitra nifamaly avy eo ka nandeha mora ilay jiolahy voatifitra, saingy tsy sahy nanao inona ny olona fa nanambana basy ilay jiolahy.

Mbola mitohy ny fikarohana sy fanenjehana ireo jiolahy

Ra-tanan'ilay jiolahy nanafika ny sary fanehoana.
๐Ÿ“ธ Rova Madagasikara

๐Ÿ”ธTonga niarahaba an'i Ramatoa Talen'ny Arena Ivandry RAJAONAH Mirana ny VONDRON'NY MPITOLONA KMD ANDRIMASO manerana ny N...
30/01/2025

๐Ÿ”ธTonga niarahaba an'i Ramatoa Talen'ny Arena Ivandry RAJAONAH Mirana ny VONDRON'NY MPITOLONA KMD ANDRIMASO manerana ny Nosy noho n'y Taona vaovao 2025 .
Vonona hifanohana @ Fitondrana mahefa hatrany ireo Mpikambana sy ny fikambanana maro ao anatin'izany ra ny Kabary nifanolorana izay nataon'ny Filoha Nasionaly Andry Raveloson sy ny Sekretera Jeneralin'ny Andrimaso KMD
Narahina Tonokalo ny fiarabana natolotra hoan'ny Ramatoa Tale ho firariantsoa ho azy.

๐ŸŸ Maro ireo dinikasa kasaina hotontosaina,hiarahana amin'ny Filoha Andry Rajoelina izay efa nanomboka tamin'ny taona 2009 ka ho tohizana ary tsy hivadi-belirano ny KMD ANDRIMASO
Madagasikara tsy MAINTSY mandroso no tanjona.๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ

๐Ÿ“ธ Rova Madagasikara

๐Ÿ”ด๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐——๐—œ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—ญ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ฉ๐—˜๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—œ๐—”๐—™๐—”๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ฃ๐—ข๐—ง๐—˜๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”Lehilahy mpanao "dรฉpรดt de mรฉdicaments" iray tao   no rava f...
30/01/2025

๐Ÿ”ด๐—™๐—œ๐—ง๐—”๐——๐—œ๐—”๐—ฉ๐—”๐—ก๐—” ๐—ญ๐—”๐—ญ๐—” ๐—ฉ๐—˜๐—ฅ๐—ฌ ๐—ก๐—œ๐—”๐—™๐—”๐—ฅ๐—” ๐—ง๐—”๐— ๐—œ๐—ก'๐—ก๐—ฌ ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ฃ๐—ข๐—ง๐—˜๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—”

Lehilahy mpanao "dรฉpรดt de mรฉdicaments" iray tao no rava fananana androany. Nampiasa zaza 14 taona izy, anefa io zaza io efa ho herinandro izay.
Nisy fotoana izy tonga tany an-tranon'ny ray aman-drenin'ilay zaza,nilaza fa 20 million io zaza io ary nandositra ka dia tsy hitany intsony.
Fokonolona nilanja soratra ny tsy fahitana ilay zaza androany no tonga tany an-tranon'ilay lehilahy ary namotika ny fananany rehetra tao amin'ilay toerana.

๐Ÿ“ธ Kamy Ndiamahazo

Mihabetsaka andro amanโ€™alina ny mpifaninana na ny ยซ concurrents ยป-anโ€™ny taxi (piqla, vtc, fiara hofaina etsy sy aroa,tax...
29/01/2025

Mihabetsaka andro amanโ€™alina ny mpifaninana na ny ยซ concurrents ยป-anโ€™ny taxi (piqla, vtc, fiara hofaina etsy sy aroa,taxi-moto,taxi-biskleta sns โ€ฆ) ,
nefa raha misy ny tsy mivoatra aminโ€™ny ANKAPOBENY dia ry zareo ๐Ÿซค
- ny loto sy ny fofona ๐Ÿ˜ท
Misy aminโ€™ny chauffeurs no matory , misakafo, manao karatra sns โ€ฆ ao anaty fiarany ; hany ka mihiboka ao ny fofona sy ny poti-tsakafo sns โ€ฆ (biby kely moa tsy lazaina intsony) ๐Ÿ˜‘
- ny tsy fanajana mpandeha ๐Ÿซข
Efa misy olona ao anatiny, mbola mitady hampiditra mpandeha hafa ihany izy
Efa milaza ianao fa vaventy ny vola (izy ihany koa tsy manana madinika) ; โ€ฆmaika ny andeha fotsiny dia eny aminโ€™ny toerana ialanao vao ifampitady aminโ€™ny madinika ๐Ÿ™‚
- ny fotoana sy ny olanโ€™ny fiara :
Matoa iana mandeha taxi dia :
1) maika be izay : izy anefa tsy maintsy maka solika aloha vao mandeha (5mn raha kely indrindra) , na izy lany solika eny an-dalana โ€ฆ ๐Ÿ˜จ
2) avy ny orana : vao maika izy maty anaty embouteillage sns โ€ฆ ๐Ÿฅฒ
Tsy noentina hanakiana akory fa hoentina hanatsarana sy hanarenana ny lesoka ๐Ÿ™๐Ÿฝ
Hentitra izahay mpanjifa satria mila anareo izahay dia ianareo ihany koa mila anay โ˜บ๏ธ
Mirary soa atsika rehetra ๐Ÿ˜˜


๐Ÿ“Hoy i Iam LorahGasy teo amin'ny Pejiny

Address

Lot IIE 36 D Ambohidahy Ankadindramamy
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rova Madagasikara posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category