25/09/2025
FAMPATSIAHIVANA
Mahatsiaro manokana antsika mpanao gazety amin'izao fotoana ary mankahery ny rehetra amin'ny asa fa tsy mora ny fanangonam-baovao anaty hetsika sy fitakiana tahak'izao.
Sady miasa isika no mitandrina ny aintsika, noho izany dia misy ireo tsara ho tsiahivina sy ifampizarana :
✓ Aza maka lafy ankoatry ny toromarika omen'ny lehibe ao amin'ny toeram-piasana ary tadidio mandrakariva fa mpanao gazety isika natao hitatitra ny zava-misy (faits) ivelan'ny fihetseham-po na ny faharesen-dahatra anao manokana.
✓Jereo MIALOHA ny toerana:*tsara ipetrahana (ny tena tsara dia aorian'ny mpitandro filaminana ) ;*ny toerana mety hampidi-doza (zone à risque) ;*ny toerana ahafahana mitsoaka( rehefa tonga ohatra ny antso fanaparihana ataon'ny mpitandro filaminana)
✓Zo feno ny maka sary mihetsika na sary pika (ny mpanao fihetsiketsehana, ny mpitandro filaminana, ny sora-baventy, ny "ambiance générale" fa atao amin-kafetsena ( ampiasao ny "zoom" , ny sary mihetsiketsika azo leferina tsara rehefa toy izao, tsarOJM
ara mampiasa fakan-tsary/caméra kelikely na finday.
✓Mitondrà famantarana maha-mpanao gazety izay ananana (carte de presse na carte de service, akanjo PRESSE, brassard, chasuble,sns), mitondrà izay fitaovana mety ilaina rehetra iarovana ny aina (masque,casque,ny solomaso,kiraro feno iarovana amin'ny ratra, sns)
Raha ilaina koa nefa ny miditra any anaty mpanao fihetsiketsehana ahafahana maka miafina vaovao na horonam-peo dia mitandrema tsara, indrindra isika mpanao gazety malaza sy mpiseho TV .
✓Raha haka sary olona niharana herisetra na daroka, ierao ihany izy amin'ny sary, rehefa mamoaka ny sariny, aleo "flouter"-na ny sary mampiseho ra be ireny.
"Mpanao gazety matihanina, miray hina ho amin'ny fampandrosoana"
Ny Birao OJM