26/10/2025
Natao perquisition anio Alahady ny trano fonenan'ny SGP tamin'ny fitondrana Rajoelina, Dina ANDRIAMAHOLY sy ny vadiny Rojo RANAIVOSON, izay mpikambana ao amin'ny HCC.
Nahitàna basy Kalachnikov sy bala, tsy nisy taratasy fanamarinana fitazomana basy : nolazaina fa an'ny mpiambina an´dRamatoa Rojo Ranaivoson ilay basy, fa tsy nahitàna ihany koa taratasy manamarina izany teo ampanaovana fikarohana. Nisy koa vola 2 trapitrisa ariary sy fiarakodia an'ny fiadidiana ny Repoblika tamin'ny fitondrana teo aloha ihany koa.