27/03/2026
RAHARAHA MAMINIAINA RAVATOMANGA ATSY NOSY MAORISY.
Niakatra fitsaràna indray androany 27 martsa ing. Ravatomanga, nangataka fahafahana vonjimaika.
Nolavin'ny tribonaly maorisiana indray anefa io fangatahana nataon'ny mpisolovava azy io.
Olona telo no niaraka notsaraina taminy androany momba ity raharaha ity, ary nahazo fahafahana vonjimaika daholo izy telo ireo. Noho Atoa Ravatomanga heverina ho loha niketrika ny raharaha maha-voapanga azy no voalaza fa antony nandàvana ny fangatahany fahafahana vonjimaika izao.