16/07/2026
🇲🇬 Karapanondro maha-mpanakanto na Carte d'identité culturelle 🇲🇬
Ny mpanakanto tsirairay, ny mpanao asa tanana, ary ireo mpiaro ny vakoka sy ny fomban-drazana dia samy mitondra ampahany amin'ny fanahin'i Madagasikara. Avy amin' izany no nipoiran'ny Karapanondrom-pirenena Ara-kolontsaina (Carte d'Identité Culturelle) : hanome fankatoavana ara-panjakana ny maha-olona ara-kolontsaina, izay hatramin'izay dia tao am-pon'ny vahoaka ihany no niainany. Ny fanekena ny olona amin'ny alalan'ny kolontsainy dia manamarika fa tsy ny volamena, na ny vatosoa ihany, no harena lehibe indrindra ananantsika, fa ny fahafahantsika mamorona, mampita ary miaro ny maha-Malagasy antsika. Satria ny firenena mahalala sy manaja ny kolontsainy dia tsy mitady intsony ny toerany eo amin'izao tontolo izao, fa izy mihitsy no manorina izany.
🇨🇵 Chaque artiste, chaque artisan, chaque gardien des traditions porte une part de l'âme de Madagascar. La Carte d'Identité Culturelle est née de cette conviction : donner un visage institutionnel à ce qui, jusqu'ici, n'existait que dans les cœurs. Reconnaître l'homme par sa culture, c'est reconnaître que notre plus grande richesse n'est ni l'or ni les pierres précieuses, mais notre capacité à créer, transmettre et faire vivre notre identité. Car un peuple qui connaît sa culture ne cherche plus sa place dans le monde : il la construit.
Kolontsaina tandravadikoditry ny ekonomia
NB : ho ampahafantarina amin'ny fomba ofisialy tsy ho ela.
Gascar Fenosoa
Silo Andrian
OFNAC Ivokolo
Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina