
26/01/2025
๐ฃ FIANARANTSOA
๐ Maty novonoin'ny sakaizany ity vehivavy avy eny Tambohomandrevo (Fianarantsoa) ity, ny zoma hariva.
Tonga tao aminy ralehilahy haka azy hisakafo any ivelany, tamin'io hariva io (19:30).
Lasa ihany zareo na efa tsy nanaiky aza ny ray aman-drenin-drazazavavy, noho izy niteraka vao haingana.
Nifamaly zareo ary nikasi-tanana azy ilay lehilahy. Namoy ny ainy, vokatr'izany izy.
Avy eo, nentin'ilay lehilahy sy ny namany hariana anaty lavaka eny Ampitakely ny nofo mangatsiakany.
Nenjehan'ny eritreriny io sakaizany io ka niverina teny an-toerana namoaka ilay faty tao an-davaka, omaly maraina.
Izay no nahitan'ny fokonolona ny vata mangatsiaka.
Nitolo-tena tany amin'ny polisy ralehilahy, taorian'izay. Toy izay sy izay ny fitantarany ny zava-nitranga, hoy ireo loharanom-baovao any an-toerana.
Skispass Atm
MaNews.mg