
03/08/2025
🌴 Hazo afaka mikisaka hatrany amin'ny 20 metatra 😱
🇪🇨 Any amin'ny faritr'alan'ny Amazonie ao Equateur no ahitana ity hazo hafakely ity. "Socratea exorrhiza" no anarana siantifikan'ity karana hazo ity ary ny tena mampiavaka azy dia afaka mikisaka izy.
🏃🏽➡️ Araka ny fikarohana nataon'ny mpahay siansa dia mihetsika 2 hatramin'ny 3 santimetatra eo izy ao anatin'iray andro, izany hoe mety mahavita mikisaka 20 metatra ao anatin'ny taona. 😱
☀️ Mitady tany lonaka sy masondro afaka ivelomany tsara no mahatonga ity hazo ity mihetsika. Raha mando loatra koa anefa ny tany aniriany dia miala teo izy ary mitady toerana mety tsara aminy. 🍃
Mety sahinao ve ny mamboly ity hazo ity eo antokontany ? 🏡
Araho ny pejy dia Zay Vao Fantatro