15/11/2025
MITADY ZAZA
Alohan'ny hidirana amin'ny resaka momba ny zaza, aleo atomboka amin'ny fiatombohany, dia ny fikatsahana zaza izany.
Nofiko hatrizay izany hoe ho reny izany. Tsy mbola nanambady akory aho dia efa naniry ny hananjanaka. Ny fampakaram-bady no ela fa vao vita kely ny mariage dia nilaza hoe: "Andao hiteraka!" Mora tenenina ilay hoe "ndao hanao bevohoka", kanjo hay tantara be.
Tsy dia nanontany loatra aho momba ny fikatsahana zaza fa dia nieritreritra fotsiny hoe: "zavatra natoraly" izany, ka atao fotsiny dia bevohoka 🤭.
Nandeha ny volana voalohany, niverina ny fadimbolana. "Tsy maninona izany fa tsy niomana." Volana faha-roa, niverina indray ny fadimbolana. "Fa maninona ary?" nanjary nipetraka ny fisalasalana.
Volana faha-telony: "Sao dia mba tsy ara-dalàna kosa ary? Fa ny olona sasany aza tsy itady dia bevohoka!🥹"
Ny volana faha-efatra, kivy sahady satria tena maika tokoa, ka dia nanatona mpitsabo izahay.
Rehefa nanatona mpitsabo dia nahafantatra zavatra maro be:
Valo (8) volana farafahakeliny no azo iasana saina hoe sao misy resaka tsy fiterahana (stérilité) ka mila dinihina lalina.
Dimampolo (50%) ihany ny fahafahana (chance) hahatonga bevohoka, na dia tena andro fivoahan'ny atodinaina (jour d'ovulation) aza no nanaovana firaisana:💌
Ny atodinaina (ovule) vokarinao dia tsy voatery ho tanteraka avokoa (tomombana), ka na dia voa (fécondé) aza, mety tsy mipetaka fa avoakan'ny vatana ho azy. Misy ny hafa-jaza nefa tsy fantany akory satria toa fotsiny hoe fadimbolana narary" (règles douloureuses).🩸
Na koa ny tsirinain'Andriamatoa (spermatozoïdes) no tsy dia matanjaka.
Tsara ny miomana ara-batana sy ara-tsaina satria na ny adin-tsaina (stress) aza dia mety hanakana ny fipetrahan'ny zaza:
Tena mety ho antony tsy mampipetraka ny zaza tokoa ny adin-tsaina, satria manakorontana ny hormones rehetra. Indrindra fa ianao mikatsaka io dia manao auto-pressio, dia mitebiteby ka manjary sarotra. Miomàna tsara ara-tsaina mihitsy.🧘
Mikasika ny fiarovana ara-batana kosa, dia araka ilay voalaza tetsy ambony, mila manomana atodinaina tsara ianao. Tiako hampitahaina amin'ny fambolena izany: ny hahazoana vokatra tsara dia ny fanomanana masomboly tsara. Mila misakafo ara-pahasalamana.💚
Ary koa, azo atao ny manomana hoe lahy sa vavy no hapetraka! Efa nataoko an'asa (pratique) ary tena mety tokoa. Amin'ny fizarana manaraka, atoroko ny fikatsahana zazalahy.🩵💙
NY TENA ZAVATRA LOHALAHARANA TSY AZO HATAO AMBANIN-JAVATRA DIA NY MIVAVAKA. ANDRIAMANITRA MAHALALA IZAY MAHASOA ANAO.🫂
Vita izany, niomana tsara izahay ka nipetraka i Mathis kely.❤️
Tsy mora tokoa ny mahita ny olona hoe bevohoka "tampoka", nefa ianao maniry mafy ka sahirana. Koa aza kivy, dia mirary soa!🤗🥰