Hary Ranaivosolo

Hary Ranaivosolo une blogueuse qui partage sa passion pour la cuisine, mode, beauté, culture , voyage,...

Mirary taona vaovao sambatra ho antsika rehetra.Ho taona zina, heniky ny fahasoavana, feno fanambinana ho an’ny tsiraita...
02/01/2026

Mirary taona vaovao sambatra ho antsika rehetra.
Ho taona zina, heniky ny fahasoavana, feno fanambinana ho an’ny tsiraitay avy.
Soava tsarà😘

Mankasitraka anareo😘Juliette Ramahaveriavona, Giov'annie Annie, Mythiane Miellah, Soa Sera Sy Varotra, Patricia Andriani...
05/11/2025

Mankasitraka anareo😘

Juliette Ramahaveriavona, Giov'annie Annie, Mythiane Miellah, Soa Sera Sy Varotra, Patricia Andrianirina, Béatrice Yvonne Haingo Harisoa, Tiam Andriatinamamy, Fara Herisoa Rafaraherisoa, Prisca Andriamasy, Marie Odile, Jac Ravelo, Cecilia Volahanta Rakotoarisoa, Georgette Raharinoro, Sha Mamitiana, Mialimanitra Soa, Iaro Oliva, Patricia Andrianaivosoa, Ravo Niaina, Cadie Danielle Danielle Cadie

Félicitations, vous êtes des super fans en série 🔥 !

19/04/2025

Salama alinalina🤗
Crème au chocolat indray no arosoko anao amin’ity fetin’´ny p***a ity.
Nosafidiko manokana mihitsy izy ity satria tsy manam-potoana be ikarakarana aho. Ito nefa 15 minitra dia vita.
Sady tsy mila fitaovana be ihany koa dia inoako hoe ho tianareo ihany koa.
Manaova fetin’ny p***a sambatra daholo.
Ho p***a hieren-doza
Soava tsarà😘

14/02/2025

Salama eee🤗
Ito misy fomba fikarakarana pâte amin’ny fomba hafa indray, sady fetin’ny mpifankatia dia mba manova kely sa ahoana😁
Pâtes au pesto de basilic
Zavatra ilaina:
🍝Pâtes 400g ( mety foana na macaroni na tagliatelles na spaghetti)
🌿Basilic fehezana 1 na 2
🧄Tongolo gasy hasiny 8 na 10
🥜Noix de cajous (raha manana)
🌻Menaka 100g
🧀Fromage rapé 150g
🧂Sira dipoavatra
🍝Eau de cuisson

Tsy voatery atao amin’ny pâte foana ny pesto fa afaka atao amin’ny sandwich na sauce ihinanana apéritif na m**o mikarepoka tsara koa👍

Tsotra, tsisy zavatra lafo amin’io. Raha te hanisy hena miaraka aminy dia mety foana
Ataovy izay mahafinaritra fa St Valentin ny andro e
Manasa anao hi s’abonne amin’ny pejy ooo😉
Soava tsarà daholo🥰😍


12/01/2025

Salama eee🤗
Mbola tena ao anatin’ny fifampiarahabana tratry ny taona isika izao na dia efa misasaka sahady aza ny volana Janoary
Ndao indray àry anao an’ity biscuit ity e
Zavatra ilaina
Pâte sucrée
🌾Lafarinina 250g
🍭Siramamy 100g
🍥Levure chimique 1 sotrokely
🌯Sira 1 Tsongo
🥚Atody 1
🧈Dibera 125g
🍥Poudre cannelle na extrait de vanille

Glaçage royal
🍭Sucre glace 125g (efa notatavanina)
🥚Tapotsin’atody 1
🍋Ranona tapaka voasary makirana
🍥Colorant mena sy maitso na amin’izay tianao

33 isa no biscuit vita tamin’io fatra io
Izay endriny tinaoa atao amin’ilay biscuit. Raha tsy manana emporte pièce dia vera ihany koa dia efa mety
Afaka mifanampy manao azy ity koa ny ankizy fa tian-dry zareo be io mandokondoko io na dia somary mifondafonda aza😁
Izay indray àry aloha fa mirary herinandro vaovao soa ho antsika rehetra e
Sova tsarà daholo😘




Asa aloha ianao fa ny ahy dia tsenaiko am-pitsikitsikiana ity taona vaovao 2025 ity. Arahabaina nahatratra izao taona va...
01/01/2025

Asa aloha ianao fa ny ahy dia tsenaiko am-pitsikitsikiana ity taona vaovao 2025 ity.
Arahabaina nahatratra izao taona vaovao 2025 izao.
Mirary taona zina, heniky ny fahasalamana, fahombiazana, fahasambarana ho antsika rehetra.
Ho taona feno fifaliana e
Isaorako ianareo 11K abonnés ko manaraka hatrany ny pejy, ireo superfans mahafatrapo😍Mankasitraka tokoa satria indraindray aho sahirana dia tsy eto foana.
Araka ny efa hain’ny maro mantsy dia miasa anaty serasera izahay mivady, agence de communication Signe Visuel nosokafanay efa ho 15 lasa izay.
Manao ny serasera rehetra izahay an: spot publicitaire, documentaire, maka sary évènements rehetra koa toy mariage, fiancailles, baptême sns. Ho an’ireo liana amin’izany dia afaka mandefa MP na miantso avy hatrany.
034 81 947 83

Fehiny, tanteraho amin’ity taona vaovao ity izay nofinofinao tsy tratra tamin’ny heritaona.

Ny vidéos tsika ato amin’ny pejy mitohy hatrany fa aza matahotra. Hiezaka hanome loky matsiro sy mora atao toy ny mahazatra i Hary

Izay indray aloha fa Soava tsarà😘

30/12/2024

Salama daholo🤗
Efa tena manimanitra taom-baovao ny andro an
Ndao indray anao quiche lorraine atao entrée ho an’ny taom-baovao àry

Zavatra ilaina ho ana moule 33cm (raha kelikely ny moule nao dia ataovy atsasak’io fatra io fotsiny)
Pâte brisée
Lafarinina 500g
Dibera 250g
Atody 2
Sira kely

Fangarony
Tongolo oignon 3
Poirreau 3 na 4
Poitrine fumée 100g
Jambon200g
Fromage cheddar 200g
Atody 3
Crème liquide 250g
Ronono 250g
Sira sy dipoavatra

Izay fromage matsiro rehetra dia mety daholo
Arakaraka ny lafaoro ihany koa ny fahamasahany fa eo amin’ny 30minitra eo
Izay indray aloha fa manaova fetin’ny faran’ny taona finaritra daholo.
Dia samy ho tratry ny taona 2025 indray isika rehetra
Soava tsarà😘


24/12/2024

Salama indray🤗
Mialatsiny fa somary taraiky ity vidéo ity fa jiro koa tapaka lava.
Bûche et ganache mangue , ganache au chocolat blanc no arosoko anao amin’ity noely 2024 ity.
Niezahako hiova kely amin’ny mahazatra. Inoako fa hahafa-po anao😊
Zavatra ilaina
Pate à biscuit
🥚Atody 6 lehibe
🌾Lafarinina 100g
🍫Cacao50g
🍭Siramamy 130g

Ganache au chocolat blanc
🥛Crème liquide 250g
🍥Chocolat blanc 250g
🥭Manga 1
🍥Gelatine feuille 1 sy tapany
🥛Crème montée 500g (zaraina 2 io ho an’ilay ganache mangue sy fanache au chocolat blanc)

Mirary fetin’ny krismasy feno fifaliana sy fifankatiavana ho antsika rehetra.
Soava tsarà 😘


22/12/2024

Salama ee🤗
Clafoutis de poires no zaraina aminao indray izao.
Ilay poara gasy mamy tsara no ampiasaina fa efa feno indray izao eny an-tsena sady mora😁
Zavatra ilaina:
Ho ana lapoaly kelikely ity fa raha lehibe ny lapoalinao dia atao in-2 an’io fotsiny ny fatra
🍐Poara 1kg
🧈Dibera 100g (anendasana an’ilay poara)
🌾Lafarinina 100g
🍭Siramamy 80g
🥚Atody 2 lehibe
🥛Creme liquide 15cl
🌯Cannelle
🧂Sira 1 tsongo

Afaka atao clafoutis ihany koa ny paoma na abricot fa poara gasy aloha izao no misy dia izay no ampiasaitsika
Ataovy malefaka be mihitsy ny afo mba ts ho may ilay clafoutis an
Arakaraka ny afo fa eo amin’ny 7 hatramin’ny 10 minitra eo ny ambony, torak’izay koa ny ambadika

Hiezaka anao vidéo bûche de noel ho fanomezana fahafaham-po anao😁
Samia tsara daholo indray àry aloha e😘



Salama alinalina e🤗M**o legioma, goûter mora arao sady vetivety dia vita. Io indray aloha ny masaka atolotra amin’izao f...
13/12/2024

Salama alinalina e🤗
M**o legioma, goûter mora arao sady vetivety dia vita. Io indray aloha ny masaka atolotra amin’izao faran’ny herinandro izao.
M**o anana no tena nangatahanareo fa nosoloiko legioma fotsiny ilay anana eto.

Zavatra ilaina:
🥕Karaoty
🫛Haricot vert (io no nisy tato an-trano fa afaka soloina laisoa voatetika na broccoli voatetika manify)
🌾Lafarinina 150g
🥚Atody lehibe 1
🧂Levure chimique tapaky ny sotrokely
🌯Dipoavatra sy izay épices tianao

Fanaovana azy:

Kikisana lavalava manify ny karaoty sy haricot vert
Nendakendasiko kely ilay legioma satria ny haricot vert somary mafy

Atao avy eo ny pate m**o
Atao anaty recipient ilay lafarinina efa notatavanina, arotsaka atody, sira, épices, levure ary rano 80g dia afangaro.

Tsy tokony atao mitsiranoka be loatra ilay pate an.

Alefa ao ilay legioma avy nendakendasina dia afangaro.

Atsofoka vata fampangatsiahana 15 minitra alohan’ny anendasana azy

Aza atao ngeza loatra rehefa manao azy fa ilay kelikely iny izy no misy mikarepoka tsara.😁
Afaka asinao an’ireny karazana sauce efa nomeko ireny, mayonnaise d’yaourt ohatra, na ketchup izay misy ao aminao e ihinanana azy
Ataovy betsaka fa iray minitra dia lany🤣

Inoako fa afa-po ireo nangataka azy ity
Izay indray aloha fa mirary faran’ny herinandro mahafinaritra
Soava tsarà😘

**olegioma

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261327177690

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hary Ranaivosolo posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Hary Ranaivosolo:

Share