17/12/2025
๐ต๐จ ๐ฅ๐ฎ๐บ๐ฎ๐๐ผ๐ฎ ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ ๐ป๐ผ ๐ป๐ถ๐๐ฒ๐ต๐ผ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ป๐ฎ๐ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ปโ๐ป๐ ๐๐ผ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฟ๐ผ๐ฎ ๐๐ฎ๐บ๐ถ๐ต๐ฎ๐ณ๐ฎ , ๐ถ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฒ๐ต๐ฎ ๐บ๐ผ๐๐ผ , ๐ป๐ฒ๐ณ๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐๐ ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐๐ ๐ฎ๐๐ , ๐๐ฒ๐ป๐ ๐๐บ๐ฏ๐ผ๐ต๐ถ๐๐ฟ๐ถ๐บ๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐ธ๐ฎ ๐๐ฒ๐ป๐ .
๐ Ity tantara ity dia niainako iray volana lasa izay . Avy nirevirevy tany Ampangabe Ambohitrimanjaka izahay taminโizany , rehefa tonga ny taminโny 10 ora alina dia nandeha nody taty Ambohimanarina .
๐บ๏ธ Ny Ampangabe mo dia tanana eo akaikinโi Ambohitrimanjaka eo ihany , i Anosimanjaka no manelanelana azy aminโi Ambohitrimanjaka .
๐ต Rehefa iny zahay hody iny dia nandalo lalana secondaire kely mifangaro pavรฉe zay, alohanโny hiditra anโi Ambohitrimanjaka izy io , tonga dia nianjera izahay , tsy hay na lalana malama na efa somary nahazo kely . Novelomina ny moto fa e e e , tsy mety velona , teo dia niara-nanamboatra teo . Tampoka teo nefa dia avy any nisy ramatoa , tsy hitanay mihitsy hoe avy aiza ary izy ity fa tonga dia teo .
๐จ Nanotany ilay ramatoa hoe : ยซ fa inona no ataonareo eo ? ยป , namaly tsotra izahay hoe simba ity dia manamboatra izahay . Ilay namako aminio efa ohatranโny mivandravandra hafahafa zany fa tsy miteny . Velona ihany ilay moto , lasa izahay , tonga dia noetiny mafy be ny moto , tonga teo aminโny tetezana Ambohitrimanjaka dia maty indray .
๐จโ๐ง Lasa aloha niondrika nanamboatra teo indray , tampoka teo dia tonga indray ilay ramatoa tary . Tonga dia nangovitra sy natahotra be izahay , tena natahotra tampoka teo . Tsy niteny ilay ramatoa fa nijery nivandravandra be fotsiny . Velona ny moto , niteny aminโizay ilay ramatoa hoe : ยซ Ao za mba ento miampita anโio tetezana io ยป , namaly aho hoe tena maika be izahay fa mba tsofy rano andeha sady tsy mahazaka triple ty , tena nangovitra aho miteny anโizany . Namaly ilay ramatoa hoe ยซ Ndehana aza ianareo raha andeha ยป . Lasa izahay , samy tsy nisy niteny intsony jusquโร tany an-trano .
โ๏ธ Ny fanotaniako dia hoe , sao mba efa nisy tratranโizany ihany koa ianareo eny aminโio toerana io , na efa naheno tranga mitovitovy aminโizany teny ? Ny tarehinโilay ramatoa tena tsy mety tadidinay mihitsy hatraminโizao .
๐ Ny Pejy : Tix Store