06/11/2025
📣 𝗔𝗧𝗔𝗢𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗞𝗢, 𝗙𝗔 𝗧𝗦𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡'𝗡𝗬 𝗭𝗔𝗡𝗔𝗞𝗢 💔
Raha nisy fotoana aho nandratra anao, nandiso fanantenana anao, na nahasorena anao… miala tsiny amin’ny foko manontolo aho.
Fa miangavy… aza valiana amin’ny zanako.
Raha mbola misy hatezeranao, valio aho.
Raha mbola misy ratra ao am-ponao, avadiho aty amiko...Fa aza ny zanako no atao lasibatra.
❌ Aza omena fiteny manafintohina izy.
❌ Aza tsaraina noho ny fahotako izy.
❌ Aza ankahalaina amin'ny maha-zanako azy izy .
❌ Aza averina aminy ny fahadisoana nataoko.
Ny zanako tsy tompon’andraikitra amin’izay hadisoako.
Izy dia tsy manan-tsiny, tsy nandray anjara tamin'ny fahotako, fa zanako fotsiny.
Raha misy ady amiko, tadiavo aho.
Raha misy fanaratsiana, ataovy amiko.
Fa aza avela hizaka ny ratra ao am-pony ilay anjely tsy nifidy ny ho eo anelanelantsika.
👉 Na dia tsy mifankahazo aza isika, avelao ho an’ny taranaka ny tsara indrindra amintsika. ✨
Pejy - Mpanabe Fototra