Iarivo Radio 95.6FM

Iarivo Radio 95.6FM 95.6FM

14/08/2025
📻 Efa afaka miverina manjoy ny Iarivo Radio FM 95.6 Mhz indray isika !Tsy miova ny fandaharana efa nahazatra antsika hat...
12/08/2025

📻 Efa afaka miverina manjoy ny Iarivo Radio FM 95.6 Mhz indray isika !

Tsy miova ny fandaharana efa nahazatra antsika hatramin’izay, anisan’izany ny Vaovao sy ny 5mn an’ny CUA.

🎧 Mihainoa finaritra ary !

06/08/2025
Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na ...
03/08/2025

Ary nahoana no manahy ny amin'ny fitafiana ianareo? Diniho tsara ny fanirin'ny voninkazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin'ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin'ireny.
Matio 6:28-29

Baolina kitra - CHAN 2024, tonga nankahery sy nitondra vatsin-dàlana ho an'ireo mpilalao baolina Malagasy any Tanzania n...
02/08/2025

Baolina kitra - CHAN 2024, tonga nankahery sy nitondra vatsin-dàlana ho an'ireo mpilalao baolina Malagasy any Tanzania ny filohan'ny federasiona malagasy baolina kitra andriamatoa RANDRIAMANANAMPISOA Alfred.
Androany maraina izy no nigadona tany Dar Es Salam.

📸FMF
Contact rédaction: [email protected]

ASIEF 2025 Mahajanga, efa any an-toerana avokoa ireo mpiasam-panjakana mandray anjara amin'ity hetsika ara- panatanjahan...
02/08/2025

ASIEF 2025 Mahajanga, efa any an-toerana avokoa ireo mpiasam-panjakana mandray anjara amin'ity hetsika ara- panatanjahantena ity.
Teny amin'ny Village Touristique Mahajanga no nanokafana izany tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 01 aogositra 2025.
Tanjona amin'ny ASIEF , araka ny fampitam-baovao avy amin'ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina, ny hanamafisana ny firahalahiana sy ny fiarahana miasa amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, izay manampy amin’ny fanabeazana ara-tsaina sy ara-batana ary mampivelatra toe-tsaina mifaninana anaty fifankatiavana eo amin’ny samy mpiasam-panjakana.
Taranja maro no handraisana anjara, isan'izany ny baolina kitra, ny basketball, ny volleyball...
Etsy an-kilany, hisy ny fandaharana "Miara-mientana" anio Sabotsy 02 Aogositra 2025 amin’ny 6 ora sy 15 minitra hariva, izay hivahinianan-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, amin'ny Radio Madagasikara RNM 99.2 MHz sy ny radio tsy miankina maro manerana ny nosy miainga mivantana avy any Mahajanga.
Tsiahivina fa ny 15 Aogositra no mifarana ny ASIEF 2025.

📸MCC
Contact Rédaction: [email protected]

Fiovaovan'ny vidin-tsolika hifanaraka amin'ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena:Nisy fihenana 200 Ar ny vidin'ny ...
01/08/2025

Fiovaovan'ny vidin-tsolika hifanaraka amin'ny vidiny eo amin'ny tsena iraisam-pirenena:
Nisy fihenana 200 Ar ny vidin'ny lasantsy (SP95) sy ny gazoala, ary 170 Ar ny fihenana ho an'ny vidin'ny solika fandrehitra, manomboka amin'ity Zoma 01 Aogositra 2025 ity.
Source - OMH
Contact Rédaction: [email protected]

31/07/2025

Baolina kitra CHAN 2024, Vonona hikatroka ary anaty fanazaran-tena tanteraka ny Barea, any Tanzanie.
Ny hariva teo no navoakan'ny federasiona malagasy baolina kitra ny lisitr'ireo mpilalao mandrafitra ny Barea A.
Marihana fa ao anaty vondrona B no misy an'i Madagasikara amin'ity fiadiana ny "Championnat d'Afrique des Nations" ity, ka ireto manaraka ireto, ireo daty telo hizoran'ny lalao anatin'ity vondrona ity:
03 Aogositra : Barea vs Mauritanie
09 Aogositra : Barea vs Tanzanie
13 Aogositra : Barea vs Centre Afrique
..“hitondra fandresena no tanjona" hoy i Gilbert mpilalao avy ao amin'ny MAMA FC

Ny Talata 29 Jolay teo no nigadona tany an-toerana ny ekipa tarihan'i coach Rôrô.

Contact Rédaction: [email protected]

Fizahantany eto Analamanga, namoaka ny boky voalohany ho tari-dàlana ho an’ny fitetezam-bohitra ny ORTANANampahafantarin...
31/07/2025

Fizahantany eto Analamanga, namoaka ny boky voalohany ho tari-dàlana ho an’ny fitetezam-bohitra ny ORTANA
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy androany Alakamisy 31 Jolay 2025, teny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny boky “VISIT ANALAMANGA”.

128 pejy ity boky tari-dàlana “VISIT ANALAMANGA” ity ka voarakitra ao, ny antsimpiriany mahakasika ireo toerana miavaka sy manan-tantara miisa 49, azo hanaovana fitetezam-bohitra eto Analamanga.
Ahitana sokajy telo: ny “Trek des collines sacrées”, “circuits balades” ary ny “randonnées classiques”
Natao ho an’ny daholobe, liana amin’ny fizahan-tany sy fitetezam-bohitra ity boky tari-dàlana ity.

Novolavolaina, hisy fiantraika tsara amin’ireo kaominina miisa 27 sy distrika 08 eto Analamanga ny sehatra fitetezam-bohitra, mahatratra hatrany amin’ny 1,5miliara ariary isan-taona ny tombony ara-toekarena entin’ny sehatra fitetezam-bohitra sy fizahan-tany eto Analamanga araka ny antotan’isa avy amin’ny ORTANA.

“…ampirisihina ihany koa ny faritra hafa hanara-diha izao dingana nataon’ny ORTANA izao…” hoy ny minisitry ny fizahantany sy ny asa tànana Viviane DEWA.

Contact Rédaction: [email protected]

Raharaha Boeing 777- 200ER, Voasambotra ireo olona nanaovana filazana fikarohana.Nitondra ny teny fankasitrahana ireo mp...
31/07/2025

Raharaha Boeing 777- 200ER, Voasambotra ireo olona nanaovana filazana fikarohana.

Nitondra ny teny fankasitrahana ireo mpitandro ny filaminana eo anivon'ny polisim-pirenena misahana ny heloka bevava, ny filohan'ny Repoblika Andry Nirina RAJOELINA...
..«Izaho dia manamafy hatrany ny finiavako hiady andro aman’alina ho an’ny Firenena, ary tsy hanaiky ny ataon’ireo izay mikasa hanala baraka na hanohintohina ny hasin’ny Firenena»

Source:PRM
Contact Rédaction: [email protected]

24/07/2025
𝗧𝗮𝘅𝗶-𝗺𝗼𝘁𝗼 - 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗥𝗲𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮📢 Ho fanomanana ny fivoriam-be hiarahana amin’ny sehatry ny taxi-moto, ny ...
24/07/2025

𝗧𝗮𝘅𝗶-𝗺𝗼𝘁𝗼 - 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼 𝗥𝗲𝗻𝗶𝘃𝗼𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮

📢 Ho fanomanana ny fivoriam-be hiarahana amin’ny sehatry ny taxi-moto, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra dia mampandre ny rehetra fa hisy solontenan’ny CUA hidina eny anivon’ny fiantsonana manerana ny boriboritany enina.

Ireo mpiandraikitra ireo dia mitondra sy mampiseho « badge » famantarana ofisialy avy amin’ny kaominina 🎫.

🏍️ Ny anton-dia dia handray ny anaran’ireo solontenan’ireo mpisehatra isaky ny fiantsonana ilaina amin’ny dingana fanombohana ny fampidirana ara-dalàna ny taxi-moto amin’ny sehatry ny fitateranana eto an-drenivohitra.
CUA - Commune Urbaine d'Antananarivo

Address

Rue Kassanga Fernand
Antananarivo
101

Telephone

+261344210502

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Iarivo Radio 95.6FM posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Iarivo Radio 95.6FM:

Share

Category