03/10/2026
Misokatra azo tsidihan'ny rehetra, manomboka amin'ity volana oktobra 2026 ity ary maharitra mandritran'ny enim-bolana, ny fampiratiana "ORIGINES" na ny "FIAVIANA", ao amin'ny Musée de la Photographie de Madagascar etsy Andohalo.
Maneho ireo sary anisan'ny nalaina voalohany tamin'ny fahatongavan'ny saripika teto madagasikarara sy ny tantara mirakitra ao anatin'izany ity fampiratiana ity.
Mamporisika ny malagasy hamantatra misimisy kokoa hatrany ny tantara nisy teto amin'ny firenena izao. "Izay rahateo no tanjon'ny Mozea dia ny fanabeazana ara-kolontsaina", hoy i Helihanta Rajaonarison, filoha mitantana ny "Musée de la photographie de Madagascar" nandritra ny valan-dresaka nataony.
"Mampahalala ny tantaran'i madagasikara ho an'ny malagasy manontolo no fanamby apetraka. Ary misokatra tsikelikely amin'ny fampiroboroboana ny fizahan-tany manomboka eto an-drenivohitra izao finiavana izao", hoy hatrany ny mpandrindra.
Fa indrindra dia manabe ny taranaka sy mampita fahalalàna amin'ny alalan'ny famelabelaran-kevitra izay misy matetika isaky ny sabotsy.
Lôfo 🇲🇬
Jery - Haino - Vaky
Mampita ny tsara ho an'ny malagasy