FJKM Ambatolampy Fahazavana

FJKM Ambatolampy Fahazavana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from FJKM Ambatolampy Fahazavana, Media, Ambohitrimanjaka, Antananarivo.

Seho Goavana Mahafinaritra karakarain'ny VFL Ambatolampy FahazavanaHanasana ny mpino rehetra Ambatolampy Fahazavana sy n...
18/07/2024

Seho Goavana Mahafinaritra karakarain'ny VFL Ambatolampy Fahazavana
Hanasana ny mpino rehetra Ambatolampy Fahazavana sy ny manodidina amin'ny Alahady izao 21 Jolay 2024 amin'ny 02 ora sy sasany
❗️ Tsy misy vidim-pidirana ❗️

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. — Isaia 60 : 1Fotoana FA...
30/04/2024

Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao, ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao. —
Isaia 60 : 1
Fotoana FAMARANAM-BOKATRY ny FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitrimanjaka ny Alahady 05 Mey izao koa manentana ny zanaky fiangonana rehetra sy ny any ampielezana hiaraka hanome voninahitra an'Andriamanitra amin' izany.
Fidirana tokana @ 08ora sy sasany izay hiafara @ fiarahana mandray Fanasan'ny Tompo. Hisy koa ny sakafo Agape iraisana izay andraisana anjara 1000ar.
Tongava maro ary ho voninahitr'Andriamanitra e

"Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny...
31/03/2024

"Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo. " — Lioka 24 : 7
Haleloia!!! Efa nitsangana Kristy.
Andriamanitra Velona, Mpandresy Ilay Mpamonjy antsika!!!
Miarahaba anao nahatratra ny P***a.
Mirary fihavaozam-pinoana sy fanavaozam-panoloran-tena ho an'ny tsirairay mba ho tena mpandresy miaraka @ Izy Tompo.
Tahian'ny Tompo e.

"Ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy...
28/03/2024

"Ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin'ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin'ny lamba famaohana izay nisikinany. Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay. Fa hoy Petera taminy: Sanatria raha hanasa ny tongotro Ianao. Jesoa namaly azy hoe: Raha tsy hosasako ianao, dia tsy manana anjara amiko.
Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo."
Jaona 13 : 5,7-8,14-15

ALAKAMISY MASINA
Mitohy hatrany ry havana ny fanompoampivavahana hankalazantsika ny Herinandro Masina.
Miditra @ 6 ora hariva ny Fiangonana androany. Ialohavan'ny lalanan'ny hazo fijaliana @ 5ora sy 30mn.
Hisy ny fifanasana tongotra ao anatin'ny fotoambavaka ary hofaranana @ firaisana Latabatra amin'ny Tompo. Koa aoka samy hiomana ny rehetra ary hifampitondra am-bavaka. Fotoana miavaka ny fotoana tahaka izao hifamelana heloka sy fifampitondrana am-bavaka ary indrindra fanavaozana indray ny fanoloran-tena ao @ Kristy.
Tahian'ny Tompo e

01/03/2024

Finaritra, isaorana ny Tompo nahatontosa soa amantsara ny vokatra ny Faritra Atsinanana, isaorana koa ireo vahoakan'Andriamanitra nadray anjara sy nanohana azy ireo. Izy Tompo Irery no omena voninahitra ny amin'izay vita sy tanteraka.

Toy izao kosa indray ny fandaminana ho an'ny Faritra Andrefana :
Ny volana Martsa manontolo ny fotoam-bokatry ny Faritra .
- Alahady 03 Martsa: Fanombohanm-bokatra tarihin'ny Lehilahy Andrefana
- Alahady 17 Martsa: Fanompoampivavahana tarihin'ny Ankizy sy ny Tanora
- Alahady 24 Martsa: Fanompoampivavahana tarihin'ny Vehivavy Andrefana sady Alahadin'ny Taranaka Andrefana arahana rindrankira ara-pilazantsara manomboka @ 02 ora

Mandritra ireo fotoana ireo dia hisy hatrany ny rakitra daholobe ataon'ny Faritra Andrefana, hisy koa ny varotra sakafo maivana

- Alahady 31 MArtsa - P***a: hisy ny varotra sakafo maivana sy opération laoka P***a
- Mandritra ny Herinandro Masina dia hisy hatrany ny varotra sakagfo maivana
Koa dia mirary soa ho an'ny Faritra Andrefana ary manentana ny tsirairay mba hifanotrona sy hifanohana amin'izy ireo
Tahian'ny Tompo e

Finaritra, Isaorana ny Tompo ry havana fa vita sy tontosa soa amantsara ny fifidianana Diakona teto @ Fitandremanana Amb...
20/02/2024

Finaritra,
Isaorana ny Tompo ry havana fa vita sy tontosa soa amantsara ny fifidianana Diakona teto @ Fitandremanana Ambatolampy Fahazavana. Isaorana koa isika Kristiana rehetra nandray anjara t@ izany fifidianana izany , isaorana koa isika rehetra izay nitrotro ambavaka t@ fanatontosana izany; tsy adino ny fisaorana ny Komity namolavola ny lisitra sy ny fandaminana rehetra. Ho Azy Tompo Irery ny voninahitra.
Araka izany dia ireto ny lisitr'ireo Diakona voafidy.
Dia miarahaba sy mirary soa azy ireo hahefa be mandrakariva @ asan'ny Tompo Ilay niantso sy nifidy.

Jaona 15: 16
1 Korintiana 15: 58

Tahian'ny Tompo

Address

Ambohitrimanjaka
Antananarivo
105

Telephone

+261345912784

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when FJKM Ambatolampy Fahazavana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category