Kapsily

Kapsily Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Kapsily, Media, Antananarivo.

MÉDIA RAP & HIP-HOP MALAGASY : contenus textuels et vidéos autour du rap et de la pop culture malagasy
Nos autres réseaux : https://linktr.ee/kapsily.corporation

Sortir un projet pendant que Madagascar traverse une crise politique ? Bonne ou mauvaise idée ?Mauvais timing : Ny algor...
15/10/2025

Sortir un projet pendant que Madagascar traverse une crise politique ? Bonne ou mauvaise idée ?

Mauvais timing : Ny algorithme an'ny Facebook tsy mi-mettre en avant zavatra tsy mi-buzz, ny attention an'ny publique/auditeurs dia focalisé amin'ny zavara hafa, ny sens des priorités ...

Gaga ihany aho nahita fa efa ho 10 ny projets rap gasy nivoaka nanomboka ny manifestations an'ny 25/09 ireny, ohatran'ny tsy mahatsiaro concerné amin'ny zava-misy manodidina azy ve ny rappeurs sasany ? 😅

Tsetsatsetra tsy aritra kely izany fa bons daholo x)

14/10/2025

Celebrate, misy mnmn ny celebrate
Isan'andro aho mi celebrate
Misy mnmn rehefa may

11/10/2025

" Dia minoa ahy, fa misy marina ny karma. Torabato miverina hoan'izay ratsy fanahy "

Buddha El Taga in Karmaggedon

𝟏𝟎 𝐎𝐜𝐭𝐨𝐛𝐫𝐞 : 𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐞́𝐞 𝐦𝐨𝐧𝐝𝐢𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐬𝐚𝐧𝐭𝐞́ 𝐦𝐞𝐧𝐭𝐚𝐥𝐞 𝐧𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚Mankahery an'...
10/10/2025

𝟏𝟎 𝐎𝐜𝐭𝐨𝐛𝐫𝐞 : 𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐞́𝐞 𝐦𝐨𝐧𝐝𝐢𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐬𝐚𝐧𝐭𝐞́ 𝐦𝐞𝐧𝐭𝐚𝐥𝐞 𝐧𝐚 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐨 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐬𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚
Mankahery an'ireo rehetra izay mety mandalo fotoana sarotra. Tsarovy fa tsy irery ianao.

Anaty rap gasy dia efa hatrizay no hita anaty tononkira ny firesahana momba an'ny adin-tsaina, ny alahelo, ny tomany, ny haizina, ... Taty aoriana no hita hoe misy artistes miresaka mivantana kokoa anaty tononkira miresaka momba an'ny fahalemena amin'ny maha olombelona, ny stress, ny depression, ny ahiahy amin'ny ho avy, ... "𝑂𝑙𝑜𝑚𝑏𝑒𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑖𝑎𝑙𝑎ℎ𝑦 𝑣𝑎𝑜 𝑏𝑎𝑛𝑑𝑦, 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑎𝑙𝑎ℎ𝑒𝑙𝑜, 𝑚𝑖𝑠𝑦 𝑎ℎ𝑖𝑎ℎ𝑦" 𝐾𝑒𝑣'𝑠 / "𝑀𝑒𝑡𝑦 ℎ𝑜𝑒 𝑚𝑎𝑓𝑦 𝑎ℎ𝑜 𝑓𝑎 𝑚𝑒𝑡𝑦 𝑚𝑎𝑟𝑎𝑟𝑦, 𝑜𝑙𝑜𝑚𝑏𝑒𝑙𝑜𝑛𝑎 𝑖ℎ𝑎𝑛𝑦" 𝑆𝑝𝑣𝑐𝑒 𝐶ℎ𝑒𝑛

Fomba iray fanehoan'ny artistes fietsempo moa ny rap ahitàna an'ireo tononkira miendrika toy ny fitarainana na hikiaka tsy mivoaka raha tsy anaty mozika ka anisan'ny manampy azy hi-exterioriser izany. "𝐿𝑎𝑖𝑛𝑔𝑎 𝑖𝑙𝑎𝑦 ℎ𝑜𝑒 𝐼'𝑚 𝑓𝑖𝑛𝑒" 𝑆𝑚𝑎𝑒𝑙𝑒𝑎𝑛𝑛

Ho an'ny hafa dia fomba iray hanomezana hafatra positif hatrany ny rap : manome hery ho an'ireo mpihaino, mampitraka azy rehefa malahelo mba tsy hitanondrika, manosika azy ahatoky tena, handroso foana, hanana fanantenana hatrany.

Betsaka dia betsaka ireo hira rap gasy na taloha sy ankehitriny afahana maka hery sy afahana mahazo tosika kanefa tsy mahasolo ny firesahana mivantana amin'olona izany : amin'ny raiamandreny, ny fianakaviana, ireo psychologues na professionnels de la santé hafa spécialisé afaka hanampy anao.

"𝐴𝑧𝑎 𝑚𝑖𝑎𝑙𝑎 𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑓𝑦 𝑛𝑦 𝑠𝑒𝑑𝑟𝑎 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑧𝑎 𝑘𝑖𝑣𝑦 𝑛𝑎 𝑚𝑎𝑛𝑑𝑒ℎ𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑟𝑦" 𝐷𝑒𝑒 𝐻𝑎𝑚𝑖𝑠ℎ𝑖

𝐋𝐲𝐫𝐢𝐜𝐬 𝐏𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐄𝐬𝐜𝐨𝐛𝐚𝐫 - 𝐇𝐞𝐧𝐨𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 (~𝟐𝟎𝟏𝟑)𝐂𝐨𝐮𝐩𝐥𝐞𝐭 𝟏 :Raha mbola afaka mihaino ialahy, henoy ity rap ityFa efa kely sisa...
07/10/2025

𝐋𝐲𝐫𝐢𝐜𝐬 𝐏𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨 𝐄𝐬𝐜𝐨𝐛𝐚𝐫 - 𝐇𝐞𝐧𝐨𝐲 𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 (~𝟐𝟎𝟏𝟑)
𝐂𝐨𝐮𝐩𝐥𝐞𝐭 𝟏 :
Raha mbola afaka mihaino ialahy, henoy ity rap ity
Fa efa kely sisa no fepotoana hiainan'ialahy ety
Ny famataran'ora tsy mijanona mikisaka
Satria ny empire Romana aza nahongan'ny Barbariana
Ny Isiraelita nandevozin'ny Egyptiana
Ny alexandra ngeza nefa mbola diso planina
Amin'izao jereo ny fitiavan-tenan'ireo Amerikana
Soa ihany fa mbola nisy firenena musulmana
Sy ny firaisana sovietika, Iran sy Korea Avaratra
Mitobaka ny uranium
Variana nijery fitaratra ilay mpanao rap malaza
Fa ho eny ambonin'ny podium
Mipoaka ny baomba, Boom, akaro kely ny zoom
Dia kobon'ialahy hoe ny rap eto amin'ny tanàna, baby boom
Talenta avy any ambony, izay tsy manana mahaiza mihonona
Famataran'ora mbola mikisaka tsy mijanona
Fa izaho gasy, ialahy gasy, fa ialahy francophone
Ambinimbinin-karena saingy noana tsy mety voky
Mamerina fotsiny izay lazaina ohatran'ny hoe boloky
Tonga ny andro maraina dia mitanin'andro ny boka
Mifaneso, mifanompa, tenin-dratsy, tenim-boto
Fa capitalisme no hiainana,
Ny vady andefimandry
Fidio ihany fa misy hoe mety handefona raha mandry
Dia amidy izay azo amidy, tsy misy sivana mandeha
Hatramina sarina joba ratsy tarehy miboridana be
Atsy Afrika amin'io Kere, D**o anaty ACP
Bediabe ireo manana karatra nefa tsy manana CEPE
Dia manjaka ny asa tena, varotra sy asa tanana
Mameno ny sisin-dalana, mirongatra tsy azo tanana
Ny maripahaizana ambony amin'izao natokana ho an'ny mpanana
Teo ny rainy, dia teo izy dia mbola ho eo koa ny zanany sy ny zafiny
Gasikara lasa ohatran'ny hoe fananany
Mandroba izy tsy miafina, mitondra basy mifahana

𝐑𝐞𝐟𝐫𝐚𝐢𝐧 :
Mametra-panontaniana ny Tanora malagasy. Mipararetra.
Hoe aiza no tena lalana ? Ary inona no maha-gasy ? Tsy voafetra.
Fiteny ve sa fihetsika sa fomba amam-panao. Izy rehetra.
Ny ao ambony mikozy hoe hanjakao izao rehetra izao. Eritreritra.
Dia samy nihazakazaka nitady kalitao. Fa te ho bonetra.
Omaly hariva koboko tamin'ny filazam-baovao. Herisetra.
Politika sy famadihana palitao. Kozy voretra.
Izay rehetra kopy dia mila mandray fepetra.

𝐂𝐨𝐮𝐩𝐥𝐞𝐭 𝟐 :
Masiaka loatra ny kozy ny ahy dia misy mitady hitroatra
Nefa ny tanako sy ny peninako hampifandraisan'ilay tadim-poitra
Dia tsy afa miala fa lasa rano fisotro ny rivotra fohako
Hery miafina tsy voatohatra naka toerana ato an-dohako
Aza ataon'ialahy mahoraka hoe ny kozy ovaiko faroratra
Rehefa mandeha ny famotorana sy ny fitànana an-tsoratra
Fa ialahy indray no midanaka raha manao fakana am-bavany
Satria tsy zakan'ny mason'ialahy ny famirapiratan'ny tavany
Dia samy miazakazaka makany amin'ny fetra tsy tazana
Velona ianao ry tany, sady kibo no mihidy vazana
Fa raha maty aho aleoko maty ho an'ny tanindrazako
Mba ho isan'ireo mahery fo teto D**o
Efa lasany, tsy tazako
Satria toy ny reny tantely izy ireo ka maty namela mamy ho an'ny taranaka
Dia izaho, ialahy, lery ao anatin'izany
Saingy hafa mintsy i Parano, Escobar Pablo
Eto ka hatrany Colombie taperin-tsika ny tableau
Tsy azon'ialahy atao ankeriny ohatran'ny teny amin'ny Magro
Fa tompon'ny tsindry naizanaiza ohatran'i Lucky Lucciano
Dia tsy quoi raha tsisy mihitsy ny tody fa izay atao no miverina
Teto Imerina aho no teraka teny an-tampon'ny Manerinerina
Tanora vao herotrerony aho, manao jery tamberina
Sady mijery ny manodidina mitady hanao bodongerona
Revy mihainga ohatran'ny amin'ny films Western
Ialahy tsy vitan'ny hoe mandoha frais mandroso sy miverina
Fa miatrika fanjanahan-tany moderne, badenina
Dia mitohy ny fiainan'ialahy fa mbola misy fofon'aina
Mila kingakinga ny saina satria be no mifofo ny aina
Ny fialonana efa nisy hatramin'i Kaina sy Abela
Ankehitriny mbola hiainan-tsika zaza navela
Dia tavela tao an-davaka, (mifanipy???) sady nivavaka
Tamin'ny sampy nentin'ireo mpanjanantany mpanavakavaka
Dia hozy aho hoe tandremo sao manadino ny tanindrazana

Anisan'ny son nahatonga anahy niondana rap gasy. RIP Parano Excobar.

Soundcloud : https://soundcloud.com/masobongolava/henoy-tsara-parano-escobar

Youtube : https://www.youtube.com/watch?v=0OXfxPJenNw

04/10/2025

vakiana fotsiny

03/10/2025

" Tsy koboko ny marina fa ny mytho vakiana fotsiny "

REBL

02/10/2025

🇲🇬 Be dia be izy ireo. Tsy nangina. Tsy voatery ho azo sary, tsy voatery ho hita anaty réseaux koa nefa. Fa mihetsika. Ho an'ny taranaka.
"Iray ho an'ny rehetra dia rehetra ho an'ny iray" 🇲🇬

27/09/2025

🇺🇸🇲🇬✊ Aparitaho zalah a ito a !!
Manohana foana na aty alavitra aza 💪tsy manadino an lisany 😭🫶

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kapsily posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Kapsily:

Share

Category