04/09/2026
Zavatra anakiray anisany mampalahelo ahy amin'ny fiainantsika eto :
- Rehefa olona avy any ivelany no manao toy izao : mizara sakafo /fanampiana sns.. dia maro no miteny hoe : " Mety mihitsy izao /mila aseho hitan'ny olona hafa hoe misy toy izao aty /mankasitraka amin'ny fanampiana sns...."
- Rehefa Malagasy mitovy amin'ny tena no manao toy izao de commentaire tsy maintsy hitanao dia : " Tsy maintsy nalaina sary nga?/ Nga tsy afaka atao nangingina tany? / HANAO POLITIKA NGA (nefa ny zavatra rehetra politika avokoa) / Tsy maintsy aderadera nga hoe nanome fanampiana?/ Izahay izao manampy fa tsy asehonay eraky ny réseau....sns...
Isika ihany no manimba antsika, amiko ny tanjona voalohany amin'ny fampisehoana toe-javatra toy izao dia ny mba hanairana anao hoe misy olona miaina toy izao miray tanindrazana aminao any ho any , ary ianao dia afaka mitondra ny anjara birikinao hanampiana azy ireo.
Rehefa fanampiana aza rarahina hoe te hisehoseho sy ny tariny ilay olona (azy sy Andriamanitra izany raha izay no anaty lohany) fa ilay olona nahazo fanampiana no imasoina satria bénéficiaire foana izy ireo de izay no tena essentiel, ary hisaorana avokoa izay mitondra fanampiana ho an'ny hafa.
📍Ito ny lien an'ilay video : https://www.facebook.com/share/v/1DZ4dBng7K/?mibextid=wwXIfr
Tokony hahay hifanaja sy hifanohana foana isika,Bon vendredi 🙏