20/11/2025
Raim-pianakaviana iray niharan'ny valifatim-badiny, araka ny nambarany teo anoloan'ny Fitsarà na omaly, teny Anosy.
Notorian'ny vadiny izy. Nolazainy fa nanolana ny zanak'izy ireo, 13 taona, ny 2024, tany Sambava, sy tamin'ny fiandohan'ity taona ity, teto Antananarivo.
Nandà ny fiampangana azy ilay lehilahy ary nanazava fa, tsy nanao izany toetra mamoafady tamin-janany izany.
Mpivady ara-dalà na izaho sy ny vadiko hoy izy. Noteneniko izy hijanona amin'ny asa fivarota-tenany, saingy ady no vokany, araka ny nambarany. « Ajanono, hoy aho, io asa io fa isika manana zanaka vavy beazina. Fa tsy nanaiky izy. Manao -call rose- izy ary mahazo vola be. Tsy mety amiko anefa izany ».
Voalaza fa, efa nitory sy nandrahona azy matetika io ramatoa vadiny io. « Aiza izao io vadinao io ? Mba namangy anao ve izy ? », hoy ny fanontanian'ny mpitsara. Nilaza ny voampanga fa, tsy mbola nijery azy mihitsy io vadiny io nandritra izay fotoana nitazonana am-ponja vonjimaika azy amam-bolana maro izay.
Nisy taratasy 2 avy amin'ny dokotera samy hafa momba ilay zaza. Ny 1 avy eny amin'ny CSB Talatamaty izay nitondran'ilay vehivavy an'ilay zaza, nanambara tsotra fa : « Tsy virijiny intsony io zaza io ».
Ny iray, nentina hanamarinana fanindroany, avy tamin'ny Centre Vonjy Befelatanana, nanipika mazava fa : « H***n intact », izany hoe, mbola madio tsara ilay zaza.
Nisalasala ny Fitsarà na nanoloana ny raharaha ka, nanafaka ny voampanga.
N.B : Tena raharaha sarotra ny fanolanana. Raha ny politikam-panjakana napetraky ny fitondrana teo aloha, ary mbola mitoetra hatramin'izao dia, ampidirina am-ponja foana ianao na nanao na tsy nanao, rehefa torian'olona ho nanolana. Any am-ponja ianao miandry ny Fitsarà na anao eo anatrehan'ny Fitsarà na ady heloka bevava tsotra. Eo ianao vao miaro tena sy afaka manazava tsara ary mitondra porofo.
Skispass Atm - Sary IA