07/11/2025
Tsetsatsetsa tsy haritro.
Rehefa mangataka zavatra na maniraka olona dia tsy maintsy manao azafady. Tsy adino koa ny misaotra avy eo.
Rehefa mihinan-kanina koa dia tsy mitsamtsam, tsy manao feo hafahafa mety hanelingelina ny hafa.
Fahalalam-pomba sy fahaiza-miaina faran'izay bitika indrindra izany.
Dia gaga amin-dry kala mpanao buzz isan-karazany aho.
Maniraka olona tsy manao azafady, tsy mahalala misaotra.
Dia ny sasany indray manao live eo am-pihinanan-kanina dia misy miteny hoe "aza mitsamtsam" dia tonga dia vava be no azo hoe "tapeno ny sofina na allez mandeha"
Dia mahatsiaro ny tenin'ilay prof histo-géo anay taloha aho. Isaky ny manao zavatra tsy mety izahay dia hoy foana izy : "De quelle école vous venez ?". Ny tiany nahatongavana dia hoe : toa ny ahoana ny éducation azonareo tany an-tranonareo no izao no fihetsika asehonareo eo amin'ny fiaraha-monina.
Tout est question d'éducation. Dia aleo beazina ho olom-banona sy ho olon-kendry any ankizy fa mampanahy be raha ireny karazan'olona sasany ireny no alainy ho modely.