Mamelomaso

Mamelomaso Vondron'ny Mpitaiza,Mpanandro,Mpanazary,Mpisikidy ary Mpandala ny Fomba Gasy

Tsara hasina ! ( mbola tsy Tara fa alefa eto ihany aloha ) Nisy moa no nangataka ny fandaharam-potoana sy ny fady tamiko...
24/09/2026

Tsara hasina !
( mbola tsy Tara fa alefa eto ihany aloha )
Nisy moa no nangataka ny fandaharam-potoana sy ny fady tamiko mba ho ampahafantarina eto mahakasika ny Fikarakarana ireo Masina eny Ambonga eo @ Vohitry ny Zanakantitra misy ny ambatatenan'i Dadabe Andriatsihanika

👉Ka ireto ary no ampitako araka izay fantatro

🇮🇩FANDAHARAM-POTOANA

âś…Anio Alarobia 23 sept:
Fandaminana farany sy fanokafana

âś…Alakamisy 24 sept:
Fisehoan'i Dadabe Masoandro ety ambonin'ny tany indray

âś…Zoma 25 sept:
Ady hira gasy

âś…Sabotsy 26 sept:
Mitohy ny fifandraisana mivantana @ Dadabe (Samia manaraka fandaminana tsara)

âś…Alahady 27 sept:
Miverina afenina ao @ toerana nisy azy indray ny ambatatenan'i Dadabe

🇮🇩FADY
Ankoatra ireo fady fototra dia ampahatsiahivina fa

Fady Voanjobory/Voasary makirana/Ny tongolo rehetra eny antoerana hoan'izay hitondra sakafo

Fady toaka ny faritra misy an'i Dadabe Andriatsihanika sy Nenibe Rabodovola raha toa ka tsy mampaninona izany ho an'ny ankoatra izay

Fady Hazondrano koa ka iangaviana indrindra ireo mitondra tsihy na satroka sns mba tsy hitondra fitaovana vita @ Hazondrano..

(Hamafisiko eto ireny satroka GEN Z kely ireny izay nisy nanao fanahy iniana t@ ALAHAMADIBE teo ka lasa manahirana ilay mifampiteniteny

Veloma ny aina!
Mandrosoa hasina!

* Rantin i Ankoay Zanakantitra Kaonty Tokana

Tsara hasina e ! Isaorana an ilay Andriamanitra Andriananahary, isaorana an ireo Fanahy Masina rehetra ireo , isaorana n...
21/09/2026

Tsara hasina e !
Isaorana an ilay Andriamanitra Andriananahary, isaorana an ireo Fanahy Masina rehetra ireo , isaorana ny Zavamasina ary indrindra isaorana antsika rehetra nifanotrona tamin ny adidy rehetra na teny Ankazomalaza sy teny Ambonga fa nahatanteraka isika .
Irariana mba hitondra fahasoavana sy fanambinana ho antsika Gasy rehetra ny zavatra notontosaina rehetra , indrindra ho antsika rehetra nifanotrona .
Tsy mbola tapitra ny adidy Ara-panahy mbola misy ny Famadihana an i Dadabe Andriantsihanika eny Ambonga , ankoatra izay dia mbola misy ihany koa ny fiainana amin ny Maha olombelona , ny fiainana andavanandro .
Ny mahafinaritra sy mahavelombolo dia ny fahitana ny Fijoroana sy firaisankinan ny MPANDALA NY FOMBAN-DRAZANA,
Zava-dehibe ireny ary irariana mba hitombo Sy hivelatra hatrany izany firaisankina Sy Fijoroana izany , tena ilaina izany ho fanandratana ny HASIN NY FOMBAN-DRAZANA
Enga anie mba hody ventiny ny ezaka ataontsika tsirairay avy ka mba hijoro tsara eo amin ny toerana sahaza azy ny Fomban drazana.
Mandrosoa hasina daholo tompoko!

Tsara hasina e ! Araka ny efa fanao isantaona dia hisy ny FILANONANA ADIMIZANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA F...
16/09/2026

Tsara hasina e !
Araka ny efa fanao isantaona dia hisy ny FILANONANA ADIMIZANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO amin ity Volana ADIMIZANA ity .
Izany dia ho atao ny SABOTSY 19 SEPTEMBRA 2026 ho avy izao , manomboka amin ny 7 ora hariva .
Ny toerana dia ao amin ny LAPAn i Dadabe ANDRIANAPOINIMERINA ao Ankazomalaza Ambohimanga.
Koa hanasana antsika rehetra mpandala ny fomban-drazana hiaraka hifanotrona amin izany.
Fandraisana anjara dia 10 000 ar sy Vary iray (1) kapoaka
Aza adinoina ny mitondra LAMBA fa zava-dehibe izany ho an ny FILANONANA .
Hisy fiara iraisana izay raisina eo amin ny INSTAT ANOSY :
Fiaingana : 5 ora hariva
Saran-dalana: 6000 ar ( mandroso Sy miverina )
Samia mitondra fitaovana fitondra rehefa midio ( ho an ireo izay hidio mialoha ) Sy fitaovana fihinanana .
Zava-dehibe no ho atao koa tsara raha mba Samy Tonga aloha fa tsy maintsy atomboka @ 7 ora hariva ny zavatra atao rehetra .
Mandrosoa hasina daholo tompoko!

Fifandraisana: 0347479173
0346377976
0346272334
0348540691
Fiara hiraisana : 0348540691

Tsara hasina e ! Tsinana ny Volana ADIMIZANA , araka izany dia hisy ny FIDIOVANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA...
12/09/2026

Tsara hasina e !
Tsinana ny Volana ADIMIZANA , araka izany dia hisy ny FIDIOVANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO.
Izany dia ho atao rahampitso Alahady 13 Septembre 2026 eny amin i Dadabe Andrianjakakiry eny Kingory .
Ny fiaingana dia eo amin ny INSTAT ANOSY amin ny 7 ora maraina .
Misy fiara iraisana ka 4 000 ar ny saran-dalana mandroso Sy miverina .
Samia mitondra ny fitaovana fitondra midio ( sikina , emboka manitra , labozia , tantely .....Sy manasina .Satria hisy ny Fanasinana Sy fanadiovana eny amin ny Doany , hiarahana amin ny mpandala ny fomban-drazana rehetra , aorianan ny Fidiovana .

Fifandraisana 0347479173
0346377976
0346272334
0348540691

Tsara hasina e ! Araka ny fomba fanao dia hisy FIDIOVANA RAVA VOLANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMA...
02/09/2026

Tsara hasina e !
Araka ny fomba fanao dia hisy FIDIOVANA RAVA VOLANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO ny Alahady 06 Septambra 2026 ho avy izao .
Izany dia hotontosaina eny Ambonga Ilaniarana Imeritsiatosika, misy an i Dadabe Andriantsihanika Masina .
Rava ny Asombola koa tonga ny fotoana hidiovantsika hanalana ny tsy mevameva rehetra mahakasika ny resaka ara-bola .
ASOROTANIN' ASOMBOLA io tononandro io ka manamora ny hanaovana ny fomba tokony ho atao rehetra mba hialan ny zavatra tsy Meva rehetra .
Ny fiaingana dia eo amin ny INSTAT ANOSY amin ny 7 ora maraina ho an ireo izay handeha fiara iombonana . Ny saran-dalana kosa dia 5 000 ar mandroso Sy miverina.
Ho an ireo handeha fiara / moto mitokana kosa dia eny Ambonga ny fotoana amin ny 9 ora maraina .
Samia mitondra ny fitaovana fitondra rehefa midio Sy manasina ( Sikina , labozia , emboka manitra , ....)
Ny Hasin ny Rano Sy ny mpiandry Doany ary ny ny Zava-maneno Samy mitondra ny azy .
Aza adinoina ny mitondra FO MADIO mba havovozana an ilay HASINA avy amin Andriamanitra Andriananahary.
Mandrosoa hasina daholo tompoko!

* fiara iraisana : 0348540691

Tsara hasina e !Ankasitrahana an ilay Andriamanitra Andriananahary, Isaorana ny Masina rehetra , isaorana an ireo. Fanah...
23/08/2026

Tsara hasina e !
Ankasitrahana an ilay Andriamanitra Andriananahary, Isaorana ny Masina rehetra , isaorana an ireo. Fanahy rehetra ireo , isaorana ny Zavamasina, ary indrindra isaorana antsika rehetra mpandala ny fomban-drazana fa tanteraka soa aman-tsara ny FANADIOVANA ny toerana fanasinana , Doanin i Dadabe Andriamanongavola, teny Alasora .
Feno ny fo ary ravo ny fanahy nahita ny fahatongavantsika maro , novimbinin-Janahary niaraka nahatanteraka an izay fanadiovana izay.
Hitan ireo Raiamandreny ireo ny Finiavana Sy ny Zotom-po tao amintsika tsirairay avy .
Sanatria tsy hiala voly akory no anton-diantsika teny fa nanatanteraka ADIDY .
Hoy. ireo Raiamandreny hoe : " .... ny fanolorantenanareo nanala ny tsy mevameva teo anatrehan izy ireo dia avo zato ( 100 ) amin ny Joro nokasainareo .... efa JORO lehibe ho azy ireo ny FIJOROANAREO nanadio ny toerana FANASINANA azy ireo ...." .
Enga anie mba hanamafy ny firaisankinan ny mpandala ny fomban-drazana ny zavatra tahaka ireny.
Nahatanteraka isika , nahatontosa isika , ka ireo Masina ireo anie mahalala ny mahasoa Sy mahatsara antsika tsirairay avy.
Itondrana fisaorana manokana eto i Bebe any eny Ambonga Imeritsiatosika Tonga nifanome Tanana antsika taranaka tamin iny Fanadiovana iny.
Ho avy Maro ny mpandala ny fomban-drazana Bebe amin ny famadihana an i Dadabe Andriantsihanika eny Ambonga fa aza manahy ianao .
Mamerina ny fankasitrahana hatrany antsika rehetra mpandala ny fomban-drazana , eny amin ny IKM ANTSAHAVOLA indray mihaona amin ny ZOMA 28 AOGOSITRA 2026 amin ny 9 ora maraina.
Mandrosoa hasina daholo tompoko!

Tsara hasina e ! Nohon ny zavatra nitranga teny amin ny Dadabe Andriamanongavola Alasora dia hisy ny fanotronan ny Vondr...
22/08/2026

Tsara hasina e !
Nohon ny zavatra nitranga teny amin ny Dadabe Andriamanongavola Alasora dia hisy ny fanotronan ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO sy ho fiaraha-mientana amin ireo Mpandala ny fomban-drazana rehetra amin ny FANADIOVANA izay ho atao eny Alasora ny ALAHADY 23 AOGOSITRA 2026 ,rahampitso , amin ny 9 ora maraina .
Anasana antsika rehetra Mpandala ny fomban-drazana ihany koa izay FANADIOVANA hotanterahina rahampitso izay.
koa entanina isika rehetra ,izay afaka ,mba hitondra kifafa sy seau ho an izay fanadiovana izay .
Hisy kosa ny fanaovana Joro aoriana izay fanadiovana izay .
Ny fotoana dia eny Alasora ao amin ny Doanin i Dadabe Andriamanongavola amin ny 7 ora maraina .
Ny bus mankeny Alasora kosa dia eo Ambohijatovo .
Ny adidy eo anatrehan ireo Raiamandreny ireo dia tsiaro sy tadidy ary mampitohy ny fifandraisantsika amin izy ireo ary holovain ireo Taranaka fara-mandimby .
Mandrosoa hasina daholo tompoko!

Tsara hasina e ! Tontosa soa aman-tsara ny Fidiovana sy ny fomba Asombola natao tany Carion , isaorana an ilay Nahary sy...
18/08/2026

Tsara hasina e !
Tontosa soa aman-tsara ny Fidiovana sy ny fomba Asombola natao tany Carion , isaorana an ilay Nahary sy ireo Fanahy rehetra ireo fa tena nanampy betsaka tokoa izy ireo tamin ny fanatanterahana an izay.
Isaorana ihany koa antsika Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO fa voatahiry ilay SOATOAVINA GASY dia ny Firaisankina.
Isaorana an ilay Raiamandreny avy eny Ambaniantsimo ( Atsimondrano ) ihany koa tamin ireny torolanana no an ny Mpiray fomba sy finoana ireny , Mankasitraka indrindra tompoko fa anisan ny HERY lehibe ho anay taranaka aty aoriana ny torolalana ataonareo Zoky Raiamandreny tahaka ireny .
Isaorana ihany koa ireo vahiny niaraka nidio tamin ny vondrona , mankasitraka indrindra tompoko tamin ny fitokisanareo . Miala tsiny raha misy zavatra tsy araka ny nosaininareo ka mety nitondra fanafitohinana tompoko . Olombelona tsy Tonga lafatra ary ny manao zavatra tsy mora .
Isaorana ihany koa ireo mety ho adino kanefa anisan ny nanampy tamin ny fanatanterahana an iny Fidiovana tany Carion iny .
Tsy hiteny hoe ny manetsa be mbola ho avy fa efa zava-dehibe tokoa iny ho an ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO.
Enga anie mba hitondra SOA sy FAHOMBIAZANA ho antsika rehetra ny zavatra natao tany , ary irariana mba samy hitandrina ny hafatra Azo avy tany isika rehetra .
Mirary ny soa sy ny tsara hatrany tompoko isany.
Mandrosoa hasina daholo !.

Tsara hasina e ! Araka ny fandaharam-potoana tapaka dia hisy ny FIDIOVANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAM...
13/08/2026

Tsara hasina e !
Araka ny fandaharam-potoana tapaka dia hisy ny FIDIOVANA hiarahana amin ny Vondrona TSY MAMORONA FA MAMELOMASO any Carion ny Alahady 16 Aogositra 2026 ho avy izao .
Miditra amin ny Volana Asombola isika dia manao ny fomba fanao rehefa tonga ny Reniandro ASOMBOLA.
Hisy ny fanaovan ny tsirairay JORO araka izany ka GANA FITATRA Sy VOLA ( vy ) no ilaina hanaovana an izay Joro izay..
Hisy ny fiara iraisana fa ny fiaingana dia eo amin ny INSTAT ANOSY amin ny 6h45 maraina " TSY DISO ".
Samia mitondra ny fitaovana fitondra rehefa midio sy manasina ( sikina , labozia , tantely ,emboka ,....sns)
Mitondra Hasina ( rano Sy zava-maneno )
Aza adinoina ny mitondra FO MADIO sy SAINA MADIO mba ho havaozina indray amin io fidiovana Asombola io .
Samia mitondra sakafo maivana sahaza azy avy .

Saran-dalana : 8 000 ar
Fifandraisana 0347479173
0346272334
0346377976
0348540691
Famandrihana toerana : 0348540691 ( aoka mba izay tena handeha no misoratra anarana tompoko )
Mandrosoa hasina tompoko.

* Androany ( Alakamisy ) hariva no fara-fisoratana anarana ho an izay handeha fiara iraisana .

12/08/2026

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mamelomaso posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share