Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar

Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar PNLP

FANATSARANA ANTONTANISA SY ANTONTANKEVITRA AMIN’NY ADY AMIN’NY TAZOMOKA 🫱Ho fanatsarana ny ady amin’ny tazomoka dia nota...
29/08/2026

FANATSARANA ANTONTANISA SY ANTONTANKEVITRA AMIN’NY ADY AMIN’NY TAZOMOKA
🫱Ho fanatsarana ny ady amin’ny tazomoka dia notanterahina teto Vatomandry ny Talata 25 aogositra ka hatramin’ny Alahady 30 aogositra 2026 ny atrikasa famolavolana ny fanatsarana ireo fitaovana hanangonana ireo antotanisa sy antontakevitra ny asa rehetra natao hiadiana amin’ny tazomoka eto Madagasikara.
👁️ Nojerena nandritra ny atrikasa ireo zava-misy mahakasika ny fitaovana fanangonana ny antontanisa sy antontankevitra efa fampiasa hatramin’izay, nofaritana ihany koa ireo fanatsarana izany hirosoana amin’ny fampiasana ny teknolojia nomerika.
👉Tanjona ny hananana loharanom-baovao tokana iraisan’ny Ministera ny Fahasalamam-Bahoaka amin’ny ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ady amin’ny tazomoka. Hananana antotanisa sy antotankevitra marina sy tsara kalitao ary azo antoka handraisana fanampahan-kevitra hanatsarana ny ady amin’ny tazomoka isan’ambaratongan-drafitra rehetra .
🤝Nandray anjara nandritra ity atrikasa ity :
• Ny solontenan’ny Fitaleavana misahana ny Fisorohana ara-Pahasalamana(DGMP),
• Ny solontenan’ny Fitaleavana misahana ny Ady amin’ny Areti-Mifindra(DLMT),
• Ny solontenan’ny Fitaleavana misahana ny Fikarakarana ny Fahasalama Fototra (DSSB ),
• Ekipa teknika avy amin’ny Fitaleavana misahana ny Fandalinana sy ny Fandrindranasa ary ny Fikirakirana ny antontanisa sy ny antontankevitra (DEPSI),
• Ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka mpanohana ara-teknika sy ara-bola ny ady amin’ny tazomoka avy amin’ny OMS, DATA Fi, MCGL, PMI Evolve, PSI, Reach Malaria,
• Niaraka tamin’ireo mpiantsehatra amin’ny ady amin’ny tazomoka notarihin-dRamatoa Mpandrindra Nasionaly ny Ady amin’ny Tazomoka.
Miasa miaraka hoan’ny fanovana manasitrana Firenena.

Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka !!!

https://web.facebook.com/minsanp/posts/pfbid02jcGWKK1msuJxMCaBXoGBVAwNspG8A4vApBXmEfuwBcpYXNC8EQTJZ52QQ1sD5Aq2l
29/08/2026

https://web.facebook.com/minsanp/posts/pfbid02jcGWKK1msuJxMCaBXoGBVAwNspG8A4vApBXmEfuwBcpYXNC8EQTJZ52QQ1sD5Aq2l

🇲🇬 FIARAHA-MIASA MANERAN-TANY HO AN’NY FAMONGORANA NY TAZOMOKA ETO MADAGASIKARA

🛑 Mbola vesatra lehibe ho an’ny fahasalamam-bahoaka sy ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara ny tazomoka.

‼️ Mba hiatrehana izany sy hahatratrarana ny tanjona amin’ny famongorana tanteraka ity aretina ity, dia mitana anjara toerana lehibe ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena sy maneran-tany.

📌Teto Addis-Abeba, nandritra ny fivorian’ny Komity Rezionalin’ny OMS andiany faha-76 (RC76), ny androny 27 aogositra 2026, dia nihaona sy nifampidinika Ramatoa Minisitra, Dr. Monira MANAGNA, sy ny Tale Jeneralin’ny Roll Back Malaria (RBM), Dr. Michael Adekunle Charles.

➡️Ireo hevi-dehibe nivoitra tamin’ny fihaonana :
👉Fanamafisana ny fiaraha-miasa,
👉Fampitomboana ny ezaka sy ny fifanomezan-tanana eo amin’i Madagasikara sy ny RBM amin’ny ady amin’ny tazomoka.
👉Fanatanterahana ny Paikady Nasionaly momba ny Ady amin’ny Tazomoka.

🟢 Tanjona iraisana : Fanafainganana ny dingana rehetra mankany amin’ny fanafoanana tanteraka ny tazomoka eto amin’ny Nosy.

🗣️Ny fahasalaman’ny vahoaka no laharam-pahamehana.

💯 MIASA MIARAKA HO AN’NY FANOVANA, MANASITRANA NY FIRENENA.
©️Ny Fitaleavana ny Serasera.

ADY AMIN'NY TAZOMOKAHaitaky natao tamin’ireo Tompon’andraikim-panjakana tao amin’ny Faritra Vakinankaratra sy  Menabe ma...
26/08/2026

ADY AMIN'NY TAZOMOKA
Haitaky natao tamin’ireo Tompon’andraikim-panjakana tao amin’ny Faritra Vakinankaratra sy Menabe mahakasika ireo tetikasa entina hanampiana ireo paikady hiadiana amin’ny tazomoka. Vahoaka maro amin’ny distrika Betafo faritra Vakinankaratra sy distrika Manja ary Morondava no hisitraka izany.Ny Distrikan'i Betafo sy i Manja no hanaovana CAID na ny famendrahana fanafody mamono moka isan-trano ary ny Distrikan'i Morondava Faritra Menabe no hametrahana isan-tokantrano ny « takelaka fanaparitahana fanafody mamono moka(Spatial Emanator SE) ». Ireo paikady ireo dia vatsian’ny Governemanta Amerikana vola izay eo ambany haitarikin’ny PMI EVOLVE hanomezana tantsoroka ny Ministeran’ny Fahasalamam-Bahoaka ho an’ny ady amin’ny Tazomoka eto Madagasikara.
Ireto manaraka Ireto ny antontanisa mahakasika izany tolotra izany:
- Olona miisa 495014 no hovoaaro amin'ny tazomoka ka ny 374625 amin'ny alalan'ny CAID ary ny 120389 amin'ny alalan'ny SE.
- Tokantrano miisa 90635 no hisitraka ny tolotra ka ny 61414 hanaovana CAID ary 29221 no hanaovana SE.
Miasa miaraka hoan'ny fanovana manasitrana Firenena

- Malagasy tsy ho fatin’ny tazomoka !!!-

📍IKONGO, arovana ny olona marefo tsy ho voan’ny tazomokaAndroany , 20 Aogositra 2026 , andro manan-danja eo amin’ny Dist...
20/08/2026

📍IKONGO, arovana ny olona marefo tsy ho voan’ny tazomoka
Androany , 20 Aogositra 2026 , andro manan-danja eo amin’ny Distrikan’ny Ikongo satria notanterahina ny fanokafana ofisialy ny fizarana mitohy lay misy odimoka eny amin’ny Tobimpahasalamana .

🏥Tobimpahasalamana miisa 2768 ao anatin’ny Distrika 110 manerana ny nosy no anaovana izany fizarana Lay misy odimoka eny amin’ny CSB izany.

👉Manoloana ny olana nisy teo amin’ny fahasalamana sy ny tazomoka tamin’ny taona lasa teo na dia lavitra sy saro-dalana aza Ikongo, dia nidina nijery teny ifotony ny Minisitry ny fahasamam-bahoaka , izay nialohavan'Andriamatoa Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara Kolonely Gervais ANDRIAMIARISOA , tao ihany ireo fianakaviamben’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka na ny avy aty amin’ny Foibe izany na ny avy amin’ny Faritra Fitovinany , inona ny zavamisy ety ifotony , nijery ireo olana arapahasalamana fa indrindra ny fivoaran’ny tranga tazomoka mba hahafahana mandray fepetra sy ireo asa mifandraika amin’ny olana misy .

📌Nanamafy an’izany ihany koa ny fanotronan’ireo olomboafidy toy ny Ben’ny tanana,Depiote ny Madagasikara voafidy tany antoerana , olomboatendry, ny Lehiben'ny Faritra Mpisolo-toerana, ny Sefo Distrika, sy ireo mpiara-miombon’antoka izay miaradalana hatrany amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana amin’ny fanamafisana sy ny fanatsarana ny ady atao amin’ny tazomoka.

👉Nantitrantehina tamin’ny fifandimbiasam-pitenenana ny mahazava-dehibe ny fisorohana amin’ny tazomoka amin’ny alalan’ny fampiasana , fatoriana anaty lay misy odimoka ny isantokatrano.

🚨Nisy ihany koa ireo tolotra arapahasalamana maimaimpoana ho an’ny vahoakan’ny Ikongo : fijerena marary ( fitiliana tazomoka, Tosidra avo , diabeta)
fanaovam-bakisiny, fijerena ny fahasalaman’ny ativava sy fanalana nify, fisafoana vehivavy bevohoka,fitiliana VIH, famorana zaza ary trano heva fanehoana ny anjara asan’ny mpanentana ara-pahasalamana na ny AC
Isaorana manokana ireo mpanohana arabola sy ny mpiaramiombon’antoka tamin’ny fanatontosana izao lanonam-panentanana ady amin’ny tazomoka izao tao ny Momentum Country and Global Leadership (MCGL), ny tetikasa
GHSC-PSM, PMI Evolve izay samy vatsian’ny governemanta amerikana vola,teo ihany koa ny MSF,ASOS, OMS, ..
-Koa manentana isika vehivavy bevohoka , Ray aman-dreny manana zanaka tokony hamita vakisiny VAR 2, manana zanaka marary hanatona ny Tobim-pahasalamana , hisafo voalohany , hatao vakisiny ny zaza ary hotsaboina ny zaza marary
-Hisitraka ny anjara lainy eny amin’ny Tobim-pahasalamana ireo vondron’olona marefo voasokajy eo ambony ireo, araho ihany koa ny toromarika omen’ny Mpitsabo amin’ny fampiasana ireo lay misy odimoka ireo.
-Ataovy sakaiza ny Tobim-pahasalamana raha mafana hoditra na misy tsy metimety fa indrindra eo amin’ny zaza sy ny vehivavy bevohoka

"Miasa miaraka hoan'ny fanavaozana manasitrana Firenena"
"Malagasy tsy ho fatin'ny tazomoka

10/08/2026
FANOMANANA FIZARANA MITOHY LAY MISY ODIMOKA ENY AMIN’ NY TOBIMPAHASALAMANA Natao ny fiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny...
27/07/2026

FANOMANANA FIZARANA MITOHY LAY MISY ODIMOKA ENY AMIN’ NY TOBIMPAHASALAMANA

Natao ny fiofanana ireo mpiantsehatra amin’ny fikarakarana fizarana Lay misy odimoka (orientation des acteurs sur la distribution des MID routine) nandray anjara tamin’izany ny Talemparitry ny fahasalamana ,ireo Medecins Inspecteurs , Tompon’andraikitry ny tazomoka isaky ny Distrika ary ny ekipa EMAR /EMAD,

🙏Misitraka ny MID Routine ny Distrika miisa 110 betsaka tazomoka ao anatin'ny Faritra 23 fa ny 63 Distrika anatin’ny faritra 12 no nahazo ny fanohanana ara-bola sy ara teknika avy amin'ny Governemanta Amerikanina.

👉Ireto avy ireo faritra : Sofia, Boeny, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Haute Matsiatra, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Fitovinany, Atsimo atsinanana, Atsimo andrefana ary Anosy

👉Miantefa amin’ny sokajin’olona marefo tonga manatona Tobimpahasalamana ny fizarana maimaimpoana ireo lay misy odimoka maharitra ireo. Ny vehivavy bevohoka tonga misafo voalohany, zaza vita vakisiny VAR2, zaza latsaka 5 taona mararin'ny tazomoka tonga mitsabo eny amin'ny Tobimpahasalamana no misitraka izany.

♥️Hitondra vokatra tsara ho an’ny fahasalamana , hampihenana ny tahan’ny tazomoka amin' ireo vondron'olona marefo ireo.

Tongava manatona Tobimpahasalamana ianareo vondron’olona marefo amin’ireo faritra voatondro ireo

Ampiasao amin'ny tokony ho izy ireo Lay misy odimoka voarainao

Ny fanatanterahana ity asa fisorohana ity dia tohanan'ny Governemanta amerikana amin’ny alalan'ny tetik'asa PMI Evolve sy GHSC PSM



"Miasa miaraka hoan'ny fanavaozana manasitrana Firenena"

"Malagasy tsy ho fatin'ny tazomoka

14/07/2026

Address

En Face ENAM Androhibe
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 08:00 - 16:00
Tuesday 08:00 - 16:00
Wednesday 08:00 - 16:00
Thursday 08:00 - 16:00
Friday 08:00 - 16:00

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Programme National de Lutte contre le Paludisme Madagascar:

Shortcuts

Share