18/07/2025
âŒïžConcert-Hommage : Andrarezina dimy hihira maimaimpoana androanyâŒïž
â¶ïžMpanakanto dimy tsy lefy laza hatraminâizao aminâny sehatra ny mozika sy ny hira no hiakan-tsehatra ao Antsonjombe ny zoma 18 jolay 2025 izao. Vision Madagascar (VIMA) dia miakarakara io fampisehona maimaim-poana io. Ahitana anâi Rossy, Jaojoby, Mily ClĂ©ment, Samoela, DA Hopp. Eo ankilany dia RDJâs Team no hiandraikitra ny fandrindrana sy fanafanana ny lanonana izay heverina fa hisintona olona 20000 eo ho eo.
â
Zavatra telo lehibe moa no atompisianâity « Concert Hommage » ity. Voalohany dia ny fahatsiarovana ireo olona 36 namoy ny ainy vokatry ilay fiaramanidina DC-3 niaran-doza ny taona 1995, raha nanao asa soa nitondra fitsaboana hoanâolona miisa 6000 tany Maintirano Zouzar Bouka PDG anâi VIMA. Marihina fa izy dia isanâireo olona 4 tsara vintana ka velonâaina soamantsara taminâio fianjerana fiaramanidina io. Tena mbola malahelo izy mahatsiaro sy mitantara ny zava-nitranga izay sarotra hadinoina.
â
Io datinâny 18 jolay io ihany koa dia fahatsiarovana ny tsingerin-taona faha 25 taona nitsangananâny VIMA, orinasa tena manana ny toerany eo aminâny sehatra ara-ekonomika eto Madagasikara.
â
Ary farany, ny 18 jolay dia manamarika ilay hatao hoe »Mandela Day », daty hahatsiarovana manokana ihany koa ny andro nahaterahanâny Nelson Mandela izay diso fantatra loatra aminâny fandalana ny fitandroana ny fahandriam-pahalemana, ny fitakiana ny zo fototra maha olona.