31/08/2026
𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐦𝐢𝐧'𝐧𝐲 𝐫𝐚𝐝𝐢𝐨 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧-𝐭𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨 : 𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐤𝐢𝐳𝐲 𝟑 𝐧𝐢𝐚𝐯𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐝𝐢𝐡𝐚𝐝𝐢𝐚𝐧a 𝐭𝐚𝐨 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐬𝐲 𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 🎙️
Nikarakara fifaninanana famokarana fandaharana, ho an'ny ankizy 13 hatramin'ny 18 taona mivondrona ao amin'ny Junior Reporter Clubs, ny Studio Sifaka. Hanomezana lanja ny fahaiza-manao ananan’izy ireo sy hamporisihana azy handray anjara amin'ny fanentanana amin'ny ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ireto ary ny vondrona ankizy telo niavaka tao anatin'ny fifaninanana 📻 :
- JRC Manakara
- JRC Farafangana
- JRC Befotaka Atsimo
Fitaovam-pianarana no loka notolorana azy ireo. 📚
Ity fifaninanana ity dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa fanamafisana ny tamberinandraikitr'ireo mpisehatra amin'ny fanjararin-tsakafo any amin'ny faritra Vatovavy, Fitovinany et Atsimo Atsinanana, tontosain'ny Studio Sifaka ary vatsian'ny Unicef Madagascar vola.
Ny fanadihadiana novokarin'izy ireo dia ho henoinao ao anatin'ny fandaharana Feon'ny Tanora maroloko ny 5, 6 sy 12 septambra ho avy izao.
-----------------------------------------------------------------------------
𝐑𝐞𝐩𝐨𝐫𝐭𝐚𝐠𝐞 𝐫𝐚𝐝𝐢𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐧𝐮𝐭𝐫𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 : 𝐃𝐞́𝐜𝐨𝐮𝐯𝐫𝐞 𝐥𝐞𝐬 𝟑 𝐦𝐞𝐢𝐥𝐥𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐣𝐞𝐮𝐧𝐞𝐬 𝐫𝐞𝐩𝐨𝐫𝐭𝐞𝐫𝐬 𝐝𝐞 𝐅𝐢𝐭𝐨𝐯𝐢𝐧𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐥'𝐀𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨 𝐀𝐧𝐝𝐫𝐞𝐟𝐚𝐧𝐚 🎙️
Un concours de reportage a été organisé à l’intention des membres des Junior Reporter Clubs (JRC). Cette initiative vise à valoriser les compétences des jeunes reporters, à renforcer leur engagement citoyen et à les mobiliser comme acteurs de sensibilisation sur les questions de nutrition et de redevabilité.
Les 3 meilleurs jeunes reporters sont donc 📻 :
- JRC Manakara
- JRC Farafangana
- JRC Befotaka Atsimo
Des lots de fournitures scolaires leur ont ainsi été offert 📚.
Ce concours rentre dans le cadre du projet « Appui au renforcement de la redevabilité des acteurs dans le domaine de la nutrition dans les régions Vatovavy, Fitovinany et Atsimo Atsinanana », mis en œuvre par Studio SIFAKA avec l’appui de l’UNICEF Madagascar.
Tu pourras écouter leurs reportages durant les émissions Feon'ny Tanora maroloko du 5, 6 et 12 septembre prochains.