Move the Mission

Move the Mission Mino izahay fa ny Kristianina tsirairay dia nantsoina hifoha, hihetsika ary hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

🔥 MOVE THE MISSION 🔥dia sehatra natokana ho an’ny finoana velona, ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka, ny fampianarana soratra masina, fizarana ara-panahy ary ny iraka fitoriana ny filazantsara. 🔥 MOVE THE MISSION 🔥dia sehatra natokana ho an’ny finoana velona, ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka, ny fanofanana ara-panahy ary ny iraka fitoriana ny filazantsara. Hita eto amin'ny pejy noho izany :

👉 Fam

pianarana ara-Baiboly
👉 Fanentanana
👉 Fifampaherezana
👉 Fifampizarana mba hitomboana ara-panahy
👉 Fangatahana vavaka ao amin'ny hafatra miafina

📖 « Koa mandehana ianareo ka ataovy mpianatra ny firenena rehetra… » (Matio 28:19)

🛡️ GOD'S PROTECTION: VOAHODIDIN'NY FIAROVANY IANAO 🛡️Fantaro fa misy ady tsy hitanao maso ary misy loza tsy fantatrao ak...
15/06/2026

🛡️ GOD'S PROTECTION: VOAHODIDIN'NY FIAROVANY IANAO 🛡️

Fantaro fa misy ady tsy hitanao maso ary misy loza tsy fantatrao akory fa efa nosakanan'Andriamanitra. Misy varavarana nikatona, nefa tatỳ aoriana vao tsapanao fa fiarovana izany fa tsy sazy, izay ilay atao hoe God's Protection.

🕊️ Ny fiarovan'Andriamanitra dia tsy midika hoe tsy hisy olana fa midika kosa hoe tsy handao anao Izy ao anatin'izany olana izany.

Rehefa miaraka aminao Andriamanitra:
🛡️ Ny teti-dratsin'ny fahavalo dia tsy hahomby satria efa voasoratra hoe ny fiadiana rehetra noforonina hamelezana anao dia tsy hambinina ireny.
🛡️ Ny tahotra dia soloina fiadanana, afaka matory ao anaty tafiotra ianao.
🛡️ Ny fahalemena dia soloina hery, ny fahalemenao no tanjakao.
🛡️ Ny ranomaso dia havadiny ho fijoroana vavolombelona satria azonao ilay satroboninahitry ny fiainana.

Indraindray dia tsy hitanao ny tanany miasa... fa isaky ny mijery ny lalana nodiavinao ianao dia ho hitanao fa tsy kisendrasendra ny nahatafavoaka anao fa Fiambenany izany.

Koa anio:
🙏 Aza matahotra ny ampitso.
🙏 Aza kivy amin'ny ady lalovanao.
🙏 Matokia fa Ilay niaro anao omaly dia mbola hiaro anao anio sy rahampitso.

📖 "Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. Jehovah no hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka ho mandrakizay."
— Salamo 121:7-8

“REHEFA MANDALO JESOSY, NA NY TSY AZO ATAO AZA DIA LASA AZO ATAO!”📖 Asan’ny Apostoly 3:2–8Misy fotoana eo amin’ny fiaina...
11/06/2026

“REHEFA MANDALO JESOSY, NA NY TSY AZO ATAO AZA DIA LASA AZO ATAO!”

📖 Asan’ny Apostoly 3:2–8

Misy fotoana eo amin’ny fiainana maha-Kristianina toa mahazatra fotsiny… mifandimby ny andro, mitovy ny tolona, mitovy ny vavaka, nefa tsy misy fiovana hita maso.

Ilay lehilahy teo amin’ny Vavahady Tsara Endrika dia ohatra velona amin’izany.

Efa teo akaikin’ny Tempoly izy.
Efa teo amin’ny toerana “mendrika” izy.
Efa nahita olona miditra sy mivoaka isan’andro izy.

Saingy mbola nalemy izy. 😔

Indraindray isika koa dia toy izany:
✨ Eo akaikin’ny fiangonana
✨ Mandre Tenin’Andriamanitra isan’andro
✨ Mahafantatra ny fahamarinana

…nefa mbola misy zavatra tsy miova ao anatintsika sy eo amin'ny fiainantsika.

💡 Fa indray andro, nisy fihaonana nanova ny tantara.

Tsy vola no nomena azy.
Tsy fiononana vonjimaika.

Fa hery avy amin’ny Anaran’i Jesosy Kristy:

“... Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangana.” (Asa 3:6)

🔥 Ary teo no nitranga ny tsy nampoizina: Ilay tsy afaka nandeha nandritra ny taona maro dia nitsangana, nitsambikina, ary nidera an’Andriamanitra!

🙏 Mampianatra antsika izany fa:

✨ Tsy voafetra amin’ny tantara niainanao taloha ianao
✨ Tsy voahidy amin’ny fahalemenao ankehitriny ianao
✨ Rehefa miditra amin’ny fiainanao i Jesosy, miova ny zava-drehetra

Indraindray tsy “fanampiana” no ilaintsika, fa ny "fihaonana amin’i Jesosy".

💥 Satria rehefa Jesosy mandalo… na ny zavatra efa nilaozan’ny fanantenana aza dia afaka mitsangana indray.

📖 Androany:
Aza mijanona eo amin’ny “vavahady” fotsiny. MITSANGATSANGANA!

⚠️Maro no mitady fahefana, saingy vitsy no mahay mitantana izany!Ao anatin’izao tontolo izao izay ahitana olona maro mit...
07/06/2026

⚠️Maro no mitady fahefana, saingy vitsy no mahay mitantana izany!

Ao anatin’izao tontolo izao izay ahitana olona maro mitady fahefana sy voninahitra, dia ampianarin’Andriamanitra isika fa ny tena fahalehibeazana dia hita amin’ny fanompoana 🤝, ny fanetren-tena 🙏 ary ny fitiavana ❤️.

Afaka manokatra varavarana ny fahefana, saingy ny toetra no mamaritra izay hataonao rehefa tafiditra ao ianao.

Aza mikatsaka fotsiny ny ho olona manana fahefana. Mikatsaha ho olona mitondra fiadanana, fahamarinana, fanantenana ary fahazavana ho an’ny manodidina anao.

Ireo mpitarika lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly dia tsy nahatonga fiovana tamin’ny alalan’ny fanjakazakana, fa tamin’ny alalan’ny fanompoana tamim-pahatokiana an’Andriamanitra sy ny hafa.

✨ Ny fahefana tsy miaraka amin’ny fahendrena dia manimba.
✨ Ny fahefana tsy miaraka amin’ny fitiavana dia mandratra.
✨ Ny fahefana atolotra eo ambany fitarihan’Andriamanitra no manova fiainana.

📖 "... Fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo." Matio 20:26

🙏 Jesosy anie hanome anao:
✅ ny hery hanao ny tsara
✅ ny fahendrena hampiasa ny fahefana amim-pahamarinana
✅ ny fanetren-tena hijanona ho mahatoky
✅ ary ny fahasoavana hitondra fitahiana ho an’ny hafa

💡 Tadidio: Ny olona tena mahery dia tsy ilay manjakazaka amin’ny hafa, fa ilay mahafehy ny tenany ary manaiky tarihin’Andriamanitra.

📖 Ny pejy sarotra indrindra eo amin’ny fiainanao dia tsy faran’ny tantara... fa mety ho fiandohan’ny fahagagana lehibe i...
01/06/2026

📖 Ny pejy sarotra indrindra eo amin’ny fiainanao dia tsy faran’ny tantara... fa mety ho fiandohan’ny fahagagana lehibe indrindra! 🙏

Indraindray, na dia ny olona matanjaka indrindra aza dia mahatsiaro ho osa. 😔💔
Mampahatsiahy antsika ny Baiboly fa i Elia, Jeremia, Jona, Mosesy, Davida ary Joba dia samy nandalo fotoana feno alahelo, tahotra, fanirery ary fahakiviana. Voafidin’Andriamanitra izy ireo, nefa mbola niatrika ady sy olana ihany. Tsy nahatonga azy ireo ho tsy nahomby ny fijaliany, fa nampiseho fotsiny fa olombelona izy ireo.

Androany ary, raha misy enta-mavesatra izay toa tsy zakanao intsony, dia tsarovy fa tsy lavitra ny fijalianao Jesosy. Hitany ny ranomasonao rehetra. Reny ny vavaka mangina ataonao. Fantany ny ady rehetra miafina ao am-ponao.

Ilay Andriamanitra nihaona tamin’i Elia tany an’efitra, nampahery an’i Davida tao anatin’ny fahoriany, namerina an’i Joba taorian’ny fijaliany, ary nanome hery an’i Mosesy tao anatin’ny fahalemeny, dia io ihany no Andriamanitra miara-mandeha aminao ankehitriny.

🌅 Tsy ny fotoana maizina indrindra eo amin’ny fiainanao no faran’ny tantaranao.

🚫 Aza kivy noho ny fotoan-tsarotra lalovanao. Ilay Andriamanitra nitondra ny mpanompony namakivaky ireo lohasaha maizina indrindra dia mbola miasa eo amin’ny fiainanao ankehitriny.

➡️ Izay toa sakana anio dia mety ho fijoroana vavolombelona rahampitso.
➡️ Izay toa fahatarana anio dia mety ho fiomanana amin’ny fitahiana lehibe kokoa.
➡️ Izay toa fiafarana anio dia mety ho fiandohana vaovao rahampitso.

🙏 Tohizo ny mivavaka.
❤️ Tohizo ny matoky.
👀 Tohizo ny mibanjina an’Andriamanitra.

📖 "Mankanesa atỳ Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana." — Matio 11:28 ✨

💖 Na manao ahoana ny fahalemena tsapanao anio:
🔥 Mbola mahery ny fitiavan’Andriamanitra.
✅ Mbola marina ny fampanantenany.
🤗 Mbola eo aminao ny fanatrehany.
🕊️ Mahereza. Mifikira Aminy. Tsy mbola tapitra ny tantaranao... satria tsy mbola vita aminao Andriamanitra. ❤️🙏✨

⚠️ TAPITRA NY HERINAO? AVELAO AMIN’IZAY JESOSY NO HIASA !💔 Tsy fahalemena ny miteny hoe: “Tsy zakako intsony…”🙏 Mety tsy...
28/05/2026

⚠️ TAPITRA NY HERINAO? AVELAO AMIN’IZAY JESOSY NO HIASA !

💔 Tsy fahalemena ny miteny hoe: “Tsy zakako intsony…”

🙏 Mety tsy rava ianao… fa ampianarin’Andriamanitra hiantehitra Aminy satria rehefa tsy misy valiny intsony… dia JESOSY no lasa valiny

🕊️ Indraindray esoriny ny tohana sy fanampiana rehetra… mba hampisehoaNY fa Izy irery dia ampy. Ao anatin’ny fahalemena no isehoan’ny heriNY.

🔥 Tsy hoe very ianao… fa tarihina hino lalindalina kokoa

❤️ “Andriamanitra ô, raha tsy Ianao…” — eo indrindra no manomboka ny fiovana

🌿 Tsy ny fahafehezanao ny zava-drehetra no hamonjy anao… fa ny fitokisanao an’Andriamanitra

• 📖 "... Ampy ho anao ny Fahasoavako, fa ny Heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena..." II Kor 12:9

✨ TSAROVY NY VADIN’I LOTA ✨Tsy lasa andrin-tsira ny vadin’i Lota satria nijery tany aoriana fotsiny izy. Lasa sira izy s...
26/05/2026

✨ TSAROVY NY VADIN’I LOTA ✨

Tsy lasa andrin-tsira ny vadin’i Lota satria nijery tany aoriana fotsiny izy. Lasa sira izy satria mbola nifamatotra tamin’ilay toerana nantsoin’Andriamanitra hialany ny fony 💔 ary ny fanahiny mbola nifikitra tamin’ny fahazarana, fahatsiarovana ary fiainana feno fahotana tao Sodoma ⚠️.

Indraindray Jesosy mangataka antsika hiala amin’ireo zavatra manimba antsika:
❌ fifandraisana misy poizina na ny hoe "relation toxique"
❌ fahazarana feno fahotana
❌ filàn’izao tontolo izao
❌ fireharehana sy lolompo
❌ toerana mampanalavitra antsika Aminy

Kanefa maro no mbola mijery any aoriana ⏪. Malahelo ireo zavatra efa notsarain’Andriamanitra izy ireo. Mitomany noho ireo zavatra efa nasain’Andriamanitra navotsotra 😢.

Ny vadin’i Lota dia tsy afaka namela tanteraka ny fiainany tao Sodoma. Naniry famonjena izy, nefa mbola nanina ny fiainany taloha 😔. Izany fo mizara roa izany no naharava azy 💥.

Tsy mitarika ny olony hiverina any aoriana Andriamanitra ⛔⬅️. Fa miantso antsika handroso ho amin’ny:
✨ fahamasinana
✨ fanasitranana
✨ fahafahana
✨ ary tanjona masina

Ny fahavalo te hampifikitra anao amin’ny nenina sy ny lasa, fa Jesosy kosa maniry ny masonao hibanjina ilay hoavy efa nomaniny ho anao 🌅

Aza avela ho zava-dehibe kokoa noho ny anjaranao ny lasanao.
Aza avela hangalatra ny tanjona mandrakizay ny zavatra vetivety eto an-tany. Tohizo ny dia na dia marary aza.
🙏 Matokia foana na dia tsy azonao aza ny zava-drehetra satria lehibe lavitra noho izay navelanao any aoriana ny zavatra efa amboarin’i Jesosy ho anao.

📖 “Tsarovy ny vadin’i Lota.” Lioka 17:32

➡️ Rehefa milaza Andriamanitra hoe “mandrosoa”, aza miverina intsony.

SITRANA HOE?? TOY NY AHOANA IZANY?Ny hoe sitrana dia tsy voatery hiseho amin’ireo fotoana mampitolagaga, tsy miseho tamp...
22/05/2026

SITRANA HOE?? TOY NY AHOANA IZANY?

Ny hoe sitrana dia tsy voatery hiseho amin’ireo fotoana mampitolagaga, tsy miseho tampoka ao anatin’ny alina iray ary tsy amin’ireo fanambaràna lehibe hitan’ny olona rehetra.

Indraindray, toy izao ny endriky ny fanasitranana:
- Ianao manapa-kevitra ny hifoha sy hiala eo am-pandriana na dia mavesatra aza ny saina.
- Ianao misafidy fiadanana fa tsy ady
- Ianao mianatra mipetraka ao anatin’ny fahanginana
- Ianao manaiky hiala sasatra sy i "lâcher prise"
- Ianao mivavaka amin-kitsim-po
- Ianao mahatsapa fa tsy mitovy intsony ny fomba fandraisanao zavatra.
- Ianao mahatsapa fa ilay zavatra izay nandrava anao taloha tsy mahafehy anao intsony.

☺️ Ary indray andro, amin’ny fotoana tsy nampoizina akory, dia tsapanao hoe:
☆ Maivamaivana kokoa ianao.
☆ Mihomehy indray ianao.
☆ Tsy mitondra ilay vesatra taloha intsony ianao.

Ny mahagaga amin’ny fanasitranana dia rehefa mbola eo am-pitrangana izy, matetika dia toa tsy hita maso mihitsy.

🙏 Fa any aoriana any, rehefa mitodika ianao, dia tsapanao fa hay Jesosy no nanarina anao nandritra izany rehetra izany.
Hay Jesosy nikasika anao ary nanamboatra anao "petit à petit, au jour le jour" ary isaky ny vavaka nataonao dia niasa mangina Izy.

👉 Androany, aza atao tsinontsinona ny fandrosoana kely hitanao sy tsapanao fa fantaro fa misy Jesosy lehibe miasa ao ambadika ao.

“Manasitrana ny torotoro fo Izy
ary mamehy ny feriny.”
— Salamo 147:3

🔥 SASATRA VE IANAO MITAZONA ZAVATRA TSY TOKONY HOTAZONINA INTSONY?🌿 Indraindray, ny courage lehibe indrindra… dia ny mam...
20/05/2026

🔥 SASATRA VE IANAO MITAZONA ZAVATRA TSY TOKONY HOTAZONINA INTSONY?

🌿 Indraindray, ny courage lehibe indrindra… dia ny mamela sy mamotsotra na ny hoe "lâcher prise".

Ny “lâcher prise” tsy midika hoe resy. Tsy midika hoe malemy. Tsy midika hoe very fanantenana.

Fa midika kosa hoe:
✨ manaiky fa tsy voafehintsika daholo ny zavatra rehetra
✨ mitsahatra mitondra irery ny vesatra manavesatra ny fo
✨ mamela an’Andriamanitra hiasa amin’izay tsy zakantsika intsony
✨ misafidy fiadanana fa tsy ady tsy misy farany

Mila herim-po ny:
🌱 mamela izay mandratra
🌱 miala amin’izay manimba tsikelikely
🌱 tsy manery intsony izay tsy mety
🌱 matoky fa mbola manana planina tsara Jesosy

📖 “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.”
— Salamo 55:22

Rehefa mi-lâcher prise isika… dia eo indrindra Jesosy no manomboka miasa. 🤍

📢 NY HERIN’NY TENY AVOAKANAOTsy hoe “teny fotsiny” akory ny teny avoakantsika.Afaka manorina na mandrava izy ireny, mamp...
16/05/2026

📢 NY HERIN’NY TENY AVOAKANAO

Tsy hoe “teny fotsiny” akory ny teny avoakantsika.
Afaka manorina na mandrava izy ireny, mampahery na mandratra, manome aina na manakivy.

Indraindray, teny iray monja dia afaka :
✨ mampitsangana olona reraka
✨ mitondra fiadanana
✨ mamerina fihavanana
✨ manome fanantenana vaovao

Fa ny teny avoaka tsy am-piheverana kosa dia mety hamela ratra lalina.

Jesosy kosa anio dia miantso antsika hiteny amim-pahendrena sy am-pitiavana ary amim-pifehezan-tena.
Alohan’ny hitenenana dia andeha hanontany tena :

👉 Marina ve izany ?
👉 Mahasoa ve izany ?
👉 Mampahery sy manorina na manangana ve izany ?

🕊️ Enga anie ny teny aloaky ny vavantsika ho loharanon-tsoa ho an’ny manodidina antsika.

📖 “Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain’ny lela; koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.”
— Ohabolana 18:21

  MATOKY AN-JAMBANYNandritry ny fotoana naharitra dia nahatsapa ho very lalana tanteraka aho 😞. Betsaka ny fanapahan-kev...
15/05/2026



MATOKY AN-JAMBANY

Nandritry ny fotoana naharitra dia nahatsapa ho very lalana tanteraka aho 😞. Betsaka ny fanapahan-kevitra sarotra, ary tsy hitako izay tokony hatao. Niezaka nifehy ny zava-drehetra tamin’ny heriko manokana aho, nefa vao mainka nitombo ny tahotra sy ny fisalasalana 🥹. Toa arakaraky ny nivavahana dia misy sakana miseho.

Nisy fotoana aza tena niady hevitra tamin’i Jesosy aho 😫. Tsy azoko ilay fitantanana nataoNY teo amin’ny fiainako. Nisy zavatra niriko mafy, nefa tsy nomeNY, ary nisy lalana noheveriko ho tsara, nefa toa nosakanaNY. Niteny taminy aho hoe: “Fa maninona Tompo ô, dia izao mihitsy ve no mendrika ahy, nefa aho toa hoe zanakao? Tsy izao no tiako, mijaly anie aho e!” 💔

Tena sarotra tamiko ny nanaiky fa tsy ny fahitako Azy no marina indrindra.

👉Fa tao anatin’izany ady sy fahasosorana izany ihany no nampianariNY ahy zavatra lehibe: tsy voatery ho takatro aloha vao matoky Azy aho. Ny finoana dia tsy mifototra amin’ny fahazoana ny zava-drehetra, fa amin’ny fahafantarana hoe iza no itokisako.

Rehefa nijanona tamin’ny ady hevitra aho, ary nanapa-kevitra ny hanolotra ny zava-drehetra Aminy, dia tonga tsikelikely ny fiadanana 🥹. Hitako fa na dia tsy araka ny planiko aza no nitranga, dia tsara kokoa noho izay noeritreretiko ny vokany.

Ankehitriny, na mbola misy aza ny tsy fahazoako zavatra indraindray, dia mifidy aho ny hatoky Azy “an-jambany” , satria fantatro fa Izy mahalala ny farany hatrany am-piandohana.

📖 “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, ary aza miankina amin’ny fahalalanao; ekeo Izy amin’ny lalanao rehetra, dia hataony mahitsy ny alehanao.”
— Ohabolana 3:5-6

Jesosy no mpitari-dalana tsy mety diso. Indraindray tsy ho azontsika ny lalany, fa raha matoky Azy isika, dia ho hitantsika any aoriana fa marina sy lavorary ny fitarihany.

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Move the Mission posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share